08/09/2026
🇲🇬 𝙁𝘼𝙈𝙄𝙉𝘿𝙍𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙔 𝘼𝙉𝘿𝙄𝘼𝙉𝙔 𝙑𝙊𝘼𝙇𝙊𝙃𝘼𝙉𝙔 𝙏𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙏𝙀𝙍𝘼𝙏𝘼𝙉𝙔 𝙎𝙄𝙉𝙊𝘼 𝙑𝙊𝘼𝙃𝙀𝙇𝙊𝙆𝘼 𝙉𝙊𝙃𝙊 𝙉𝙔 𝙁𝙄𝙎𝙊𝙇𝙊𝙆𝙄𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙉-𝙏𝙎𝙀𝙍𝘼𝙎𝙀𝙍𝘼 (𝙎𝘾𝘼𝙈𝙈𝙄𝙉𝙂)
📍Tontosa androany 07 Septambra 2026 ny famindrana ny andiany voalohany tamin’ireo teratany Sinoa miisa 50 voaheloka teto Madagasikara noho ny heloka mifandray amin’ny fisolokiana an-tserasera (scamming). Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ny "INTERPOL" sy ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara, ka niainga tao amin’ny Fonjaben’Avaradrano izy ireo ho any Sina.
🌐 Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakana Entim-bahoaka an'i Sina amin’ny ady amin’ny heloka bevava miampita sisintany izao hetsika izao. Ny Minisiteran’ny Fitsarana no niandraikitra ny fizotry ny famindrana, araka ny lalàna sy ny fombafomba ara-pitsarana manan-kery, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fiarovana ny hetsika.
Dingana lehibe amin’ny ady amin’ny heloka bevava miampita sisintany izao hetsika izao, ary manamafy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ara-piarovana eo amin’i Madagasikara sy i Sina. Manamafy ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna ary tanterahina amim-panajana tanteraka ny didim-pitsarana.