
29/07/2025
🔴Noraisina anio Talata 29 Jolay 2025 ny didim-panjakana laharana faha 2025-812 anovàna ny andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2024-1612 tamin’ny 22 aogositra 2024 nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta.
Izany didim-panjakana izany dia manafoana ny fanendrena ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro ary manendry an’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, hisahana vonjimaika ny andraikitry ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, mandrapahatongan’ny fanendrena vaovao.🔴