Tata Cuisine - Recettes et Astuces

Tata Cuisine - Recettes et Astuces Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tata Cuisine - Recettes et Astuces, Digital creator, Mahamasina, Antananarivo.

👋 Tata Cuisine, c’est la tata cool ✨, fun et astucieuse 💡 qui t’aide à mieux cuisiner 🧑‍🍳 au quotidien avec ses ebooks, ses conseils malins, et ses outils pratiques.

❓Inona ny mampiavaka ny sauce blanche @ sauce béchamel?👉 Vakio hatramin’ny farany fa sady misy recette + bonus astuces 💡...
05/05/2025

❓Inona ny mampiavaka ny sauce blanche @ sauce béchamel?
👉 Vakio hatramin’ny farany fa sady misy recette + bonus astuces 💡

Matetika afangarotsika na tsy haitsika hoe sauces 2 samy hafa mihitsy ny sauce béchamel sy ny sauce blanche.

1) SAUCE BLANCHE:
🧑‍🍳 Ity ny Recette
Akora ilaina:
- beurre na margarine 2 sotro
- farine 2 sotro
- rano tsotra na bouillon 500ml
- sel , poivre
Fikarakarana:
- Anaty casserole ambony afo malefaka, hatsonika ny beurre
- Alefa ao ny farine dia afangaro @ sotrobe hazo
💡Io mélange no antsoina hoe « Roux ».
- Araraka tsikelikely ny rano na bouillon, sady afangaro tsara @ fouet na sotrobe hazo mba tsy hisy grumeaux (vaingambaingana)
- Haroina foana mandrampaharihitra
- Asiana sira sy poivre

🍽️ Ny hinanana azy:
Sauce maivana ny sauce blanche ary « passe-partout », tsara hihinana légumes (vapeur ohatra), filet de poisson, gratin maivana, vol au vent, Bouchée à la reine ….

2) SAUCE BÉCHAMEL:
🧑‍🍳Ity ny recette
Akora ilaina:
- beurre na margarine 2 sotro
- farine 2 sotro
- ronono 500ml
- sel, poivre, noix de muscade
Fikarakarana:
- toy ny sauce blanche ihany fa soloina ronono ny rano/bouillon
- asiana noix de muscade

🍽️ Ny hinanana azy:
Ny Sauce Béchamel dia matsiro kokoa, « onctueuse », matavy kokoa. Tsara be atao @ gratin, pâte, crêpe salée….

Asiana fromage 🧀 râpé ny sauce béchamel dia mahazo sauce fromagère, matsiro be 😋.

💡 Astuces de Tata:

- Raha mandranoka loatra ny sauce dia maka rano na ronono kely mangatsiaka atao anaty vera kely, asiana farine kely, dia afangaro tsara ho levona ny farine, dia atao anatin’ilay sauce dia atao ambony afo, haroina foana mandramparihitra azy.

- Raha mivaingambaingana ny sauce dia mampiasa mixeur plongeant himixena azy.

- Ny noix de muscade (hita eny @ tsena lehibe toy ny pavillon sy grande surface) dia mamoaka be ny tsiron’ny sauce béchamel.

😊 Voilà voilà, haitsika izany izao fa ny liquide ampiasaina anaovana ny sauce no maha samy hafa azy.

▫️Beurre + farine + rano/bouillon = sauce blanche
▫️Beurre + farine + ronono = sauce béchamel

Iza @ ireo sauces 2 ireo no mahazatra anao?

👇 Ataovy ao @ commentaire hoe « Merci Tata » raha nahaizanao zava-baovao ity fizarana ity.
🔸 Partageo fa mahasoa ny hafa ihany ko.

————————-

Raha izao ianao vao mahita ny fizarana ataoko, coucou 👋, Tata cuisine ity! Mizara recette sy astuces ary conseils eto @ pageko aho.
Raha mahaliana anao ny resaka Lakozia dia ataovy j’aime 👍 ny page.

Bisous daholo 😘

Fête du travail androany dia tsy miasa. Fa ny asa ao an-trano kosa nefa tsy misy hoe fety, tsy maintsy atao foana, sa ts...
01/05/2025

Fête du travail androany dia tsy miasa.
Fa ny asa ao an-trano kosa nefa tsy misy hoe fety, tsy maintsy atao foana, sa tsy izany?

Perso: nanadio sy niantsena ho an’ny herinandro

Ary ianao, nanao inona androany? Alefaso ao @ commentaire 👇.

Hainao ve ny mampiavaka an’ireto 3 ireto?👇 Alefaso ao @  commentaire hoe jerena ☺️
30/04/2025

Hainao ve ny mampiavaka an’ireto 3 ireto?
👇 Alefaso ao @ commentaire hoe jerena ☺️

☕️ Mpisotro kafe ve ianao? Vakio ity!Fantatrao ve fa afaka ampiarahina tsara ny café sy ny sira? oui oui, sira mihitsy f...
29/04/2025

☕️ Mpisotro kafe ve ianao? Vakio ity!

Fantatrao ve fa afaka ampiarahina tsara ny café sy ny sira? oui oui, sira mihitsy fa tsy diso famaky ianao ka.

- Ny sira dia mampalefaka ny mangidy na mahery loatra @ café
- Ny sira dia mamoaka tsara ny hanitry ny café

💡 Ity ny conseil an’i Tata Cuisike ho atsika àry:
👉 Raha toa ka mangidy na mahery loatra ny café anao, aza ny siramamy no ampitomboina, fa asio sira kely iray tsongo, dia ho hitanao fa hiova avy hatrany ny tsirony 😉 .

Andramo ange e!

Identifieo 👇 ao @ commentaire ny namanao mpisotro café fa mahasoa azy ity.

Raha izao ianao vao mahita ny fizarana ataoko, coucou 👋, Tata Cuisine ity, mizara recettes - Astuces sy Conseils matetika @ pageko aho. Raha tia ny tontolon’ny lakozia sy ny sakafo ianao dia ataovy j’aime ny page ☺️.

Mirary tontolo andro finaritra ho atsika rehetra 💛👉 Hanao fizarana tena tiatsika be i Tata Cusine @ ity herinandro, raha...
28/04/2025

Mirary tontolo andro finaritra ho atsika rehetra 💛

👉 Hanao fizarana tena tiatsika be i Tata Cusine @ ity herinandro, raha tsy mbola abonné ianao dia ataovy j’aime ny page.



❌ Tandremo: Ovy sy tongolo, tsy azo ampiarahina❗️Matsiro ery ny ovy sy ny tongolo anaty nahandro. Fa fantatrao ve fa ny ...
27/04/2025

❌ Tandremo: Ovy sy tongolo, tsy azo ampiarahina❗️
Matsiro ery ny ovy sy ny tongolo anaty nahandro.

Fa fantatrao ve fa ny ovy sy ny tongolo dia tsy tokony ho tehirizina miaraka (manta eto no resaka)?

Ny tongolo 🧅 dia mamoaka gaz.

Raha atao miaraka na mifanakaiky ny fitehirizana ny ovy 🥔 sy ny tongolo 🧅 , dia lasa mora maniry (misy germe 🌱 ) sy ho mora malemy vetivety ny ovy.

Ity àry ny conseil 💡 an’i Tata Cuisine ho atsika:
- Ny ovy: tehirizina anaty toerana mangatsiatsiaka, tsy azon’ny masoandro ary maizina (sombre) ary maina tsara.
- Ny tongolo: tehirizina @ toerana azon-drivotra tsara ary lavitry ny légumes sy voankazo hafa.

Ndao tehirizitsika tsara araky ny tokony ho izy ny ao an-dakozia mba hialana @ gaspillage sy hanavaona économie.

Ataovy ao @ commentaire 👇 hoe « Merci Tata » raha hanaraka ny conseil_ko ianao 🫵.

👋 Hello, ndao isika hanao SMOOTHIE GOYAVE- BANANE - VANILLE 🍹Recette tsotra kely nefa matsiro be, tsy mila siramamy be.A...
26/04/2025

👋 Hello, ndao isika hanao SMOOTHIE GOYAVE- BANANE - VANILLE 🍹

Recette tsotra kely nefa matsiro be, tsy mila siramamy be.

Akora ilaina:
- Goavy masaka tsara (4)
- Akondro masaka tsara (1)
- Vanille (ilay graines ao anatiny no ilaina)
- Ronono na lait de coco 200ml
- Tantely na siramamy kely

Fikarakarana:
- Sasana tsara ny goavy dia esorina ny voany
- Anaty mixeur, alefa mixena ao daholo ny goavy, akondro, graines de vanille, ronono na lait de coco.
- Raha ilaina dia ampiana siramamy kely na tantely

Hmmm manitra be 😍😋

🍹 Atao anaty verre, asiana glaçon kely sy déco kely dia sotroina avy hatrany.

Andramo ange e, dia teneno an’i Tata Cuisine - Recettes et Astuces hoe manao ahoana ilay izy.

👉 Partageo ny recette mba ho mora hitanao rehefa hanao ianao, sady mba ho hitan’ny hafa.

Raha izao ianao vao mahita ny fizarana ataoko, coucou 👋, Tata Cuisine ity, mizara recettes - astuces sy conseils matetika ao @ pageko aho. Raha tia ny tontolon’ny lakozia sy sakafo ianao dia ataovy j’aime ny page ☺️.

Malaza be ny chocolat Dubai - Chocolat pistache.🤔Hay be dia be amitsika no tsy mahafantatra hoe tsy mitovy mihitsy ny pi...
25/04/2025

Malaza be ny chocolat Dubai - Chocolat pistache.
🤔Hay be dia be amitsika no tsy mahafantatra hoe tsy mitovy mihitsy ny pistache sy ny cacahuète (na voanjo).

Inona àry no maha samy hafa azy?

🔸Ny voanjo (na cacahuète @ teny vahiny) dia:
- zavamaniry maniry ao anaty tany
- vianjo ilay fanaovatsika sauce, totom-boanjo, beure de cacahuète sns
- mora hita sady takatry ny rehetra ny vidiny
- ny plante mamokatra ny voanjo ilay antsoina hoe "arachide"

🔸Ny pistache (tena pistache) dia:
- zavamaniry maniry @ hazo
- kely kokoa ary maitso ny lokony
- lafo ny vidiny satria importé
- hanina @ izao (tsakitsaky) na ampiasaina @ pâtisserie (parfum glace, crème....)
- ny pâte de pistache ilay @ chocolalt Dubai malaza be @ izao.

👉 Ianao ve ilay nieritreritra hoe pistache = voanjo sa efa hainao ny nanavaka azy?

✨Zarao amin’ilay namana mbola miantso voanjo hoe pistache 😆

Raha izao vao mahita ny publication-ko ianao,👋 coucou, Tata Cuisine ity, mizara recettes - Astuces sy conseils ao @ pageko matetika aho. Raha tia ny tontolon'ny lakozia ianao dia ataovy j'aime ny page 😀.

Address

Mahamasina
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tata Cuisine - Recettes et Astuces posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share