14/10/2025
Amin'ny fo feno fifaliana sy feno fankasitrahana no:
- isaoranay an' Andriamanitra tamin' ny nahavitan'ny fankalazàna an' Andriamanitra noho ny faha 10 taona nijoroanay
- isaoranay ny Ray aman- dreny Mpitandrina mivady sy ireo biraom-piangonana ary ny sampana rehetra tao amin'ny FJKM Anosipatrana🙏
Isaorana ihany koa ireo vahiny nasaina
Ny Feo Dimy ary ny Slk FJkm Anosipatrana Filazantsara
- isaoranay ireo rehetra tonga nanotrona : ireo fianakaviana, ireo namana mpiara-manompo,
- isaoranay ireo rehetra endrika fanohanana nataonareo:
> Tao ny fanohanana am-bavaka
> Tao ny fanohanana ara-pitaovana
> Tao ny fanohanana tamin'ny marika hita maso
> Tao ny fanohanana teto amin'ny Facebook
- isaoranay ireo namorona ary nanome ny hira izay hirainay Rado Mihamina Rabemanantsoa
Rijamanitra Ranaivoson
- isaoranay ireo mpitendry namanay tena nahafoy fotoana niaraka taminay nandritra ny fanomanana rehetra, sy ireo mpikirakira lafiny teknika rehetra, ny fanamafisam-peo, ny lumière, ny teo @ vidéo projecteur, ny scène...
- isaoranay ireo ray aman- dreninay(Nenilala, Toto Lolona, Dadatoa Hery, Toto Fanja), ireo zokinay : Sitraka, Mampionona, Vonjy🙏 nanohana tamin'ny lafiny rehetra
- isaorana manokana ireto namana akaiky ireto tena nanampy be tamin'ny fanomanana rehetra ny Alahady : Avotra sy Gaël🙏
" Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany." ✨ Hebreo 6:10
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany🤍
Amen!