05/07/2025
❌Hafatra hisororaha ny Piratage Page❌
🟩Mety hisy Compte handefa Message isika, teny Malagasy na teny Frantsay na teny Vazaha.
Mi Proposé Offre ry zareo hoe hi posté Publicité amin'ny Pagenao. Mety tsy tena hitovy amin'ity fa mitovitovy ny fisehony.
Addidas, nestlé, nike, alibaba, sns....
Vitany mandresy lahatra anao fa ho karamaina vola be ianao,, 200 à 500$ par semaine. (Mety mihoatra)
Resilahatra ianao avieo fa vola be izany kanefa tsy hiasa firy.
Dia manaiky ianao.
Angatahany mode de payment ( bank, visa, paypal, western union sns)
Any amin'ny farany angatahany Mail ianao na omeny lien ahafahan-dry zareo mi sponsorisé ilay Pagenao sy manao Suivie ilay asa.
Eo no mitranga ny drame satria lien fishing (piratahe) na koa invitation sur compte business manager ( Facebook madiodio) no omeny anao dia lasany ny pagenao, izany hoe ianao ihany no nanome azy accès anaty pagenao ka tsy hanana fahefana intsony ianao.
Hazavaiko kely ilay Business Manager,, anaty ny Option Facebook ihany ilay izy fa mitovy amin'ny hoe tompon-trano sy mpanofa trano. Rehetra tafiditra ao ny Compte Business Manager an-dry zareo dia mitovy amin'ny Tompon trano mandroaka mpanofa trano izy (ilay Admin no mpanofatrano). Na dia nikarakara ilay trano aza ianao dia asoriny mora foana fa azy ny fahefana.
🤚🏻Hafatra farany.
❌Asio Compte ADMIN maromaro anaty pagenao, ary Valideo à deux facteur daholo ireo compte ireo.
❌Fadio dia fadio ny Mi-clik Lien hafahafa sy tsy atokisanao, na dia olona akaiky anao aza no mandefa azy.