L’édito de Mada

L’édito de Mada Partage des biens

V.F.M: VOVONAN'NY FIHAVAOZAN'I MADAGASIKARA MANOHANA NY FITONDRANA FANAVAOZANA FARITRA BOENY DISTRIKAN’I MAHAJANGA VOALO...
12/09/2026

V.F.M: VOVONAN'NY FIHAVAOZAN'I MADAGASIKARA MANOHANA NY FITONDRANA FANAVAOZANA FARITRA BOENY DISTRIKAN’I MAHAJANGA VOALOHANY

Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy manomboka izao ny VOVONAN'NY FIHAVAOZAN'I MADAGASIKARA ato aminy Distrikan’i Mahajanga Voalohany faritra Boeny izay notarihin'i Andriamatoa Pety RAKOTONIAINA filoha Nasionaly ny VOVONAN'NY FIHAVAOZAN'I MADAGASIKARA ka Andriamatoa HERINIAINA Tia SOLOFOMANGA izay solombavambahoaka voafidy tato amin'ny Distrikan’i Mahajanga Voalohany no filoha voafidy ho mpitarika ny VOVONAN'NY FIHAVAOZAN'I MADAGASIKARA aminizany.

Tonga nanotrona izao fotoan-dehibe izao ireo solombavambahoaka sy Benin'ny tanàna maro avy amin'ny faritra hafa , ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny teto Mahajanga, ireo fikambanana maro samihafa sy ireo vahoaka ary ireo solontena avy amin'ny birao V.F.M Nasionaly namana.

🚨 .🏗️ Tsy maintsy hoesorina ireo mpivarotra amin'ny trottoir sy fanorenana tsy ara-dalàna eto Mahajanga ary  hentitra ny...
10/09/2026

🚨 .
🏗️ Tsy maintsy hoesorina ireo mpivarotra amin'ny trottoir sy fanorenana tsy ara-dalàna eto Mahajanga ary hentitra ny CUM manomboka eto.

Nidina ifotony androany alakamisy 10 Septambra 2026, Andriamatoa DOLSAIN Guy, Filohan’ny Delegasiona Manokana (PDS) Commune Urbaine de Mahajanga (CUM), niaraka tamin-dRamatoa AMINA Soalihi, Lefitra faharoa, sy ireo delegasiona tarihin'izy ireo, nijery sy nanara-maso ireo fanorenana manomboka eny Bois Sacré ka hatrany Tsaramandroso.

⚠️ Fampitandremana no natao androany, aorian’izao dia hampiharina amin’ny fomba hentitra ny fanesorana ireo fanorenana tsy ara-dalàna.

⚖️ Mihatra amin’ny rehetra ny lalàna, ary tsy misy ambonin’ny lalàna!

Commune Urbaine de Mahajanga

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝐀𝐧𝐤𝐚𝐩𝐨𝐛𝐞𝐧𝐲 (Baccalauréat d'enseignement général)Ministère de l'Education Nationa...
10/09/2026

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐦𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚 𝐀𝐧𝐤𝐚𝐩𝐨𝐛𝐞𝐧𝐲 (Baccalauréat d'enseignement général)

Ministère de l'Education Nationale de Madagascar

09/09/2026
|09.09.2026|𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐌𝐁𝐄 𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐁𝐀𝐊𝐀𝐁𝐀𝐊𝐀Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny h...
09/09/2026

|09.09.2026|

𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐌𝐁𝐄 𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐁𝐀𝐊𝐀𝐁𝐀𝐊𝐀

Mandray anjara amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny habakabaka izay atao ao Paris, Frantsa ny 9 hatramin’ny 10 septambra 2026 izao ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa izay tarihin’i 𝑫𝒓 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑨𝑴𝑷𝑨𝑵𝑫𝑹𝒀 𝑻𝒐𝒅𝒊𝒔𝒐𝒂 𝑴𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒚, amin’ny alalan’ny fametrahana ny fahaiza-manao teknika ho fototry ny fampandrosoana ny sehatry ny habakabaka eto Madagasikara.

Mifantoka amin’ny fampiofanana ireo fahaiza-manao ilaina, ny fampivelarana ireo asa vaovao, indrindra eo amin’ny «géomatique», ny fampiasana sary avy amin’ny zanabolana, ny fikojakojana tobim-pandraisana sy ny fifandraisan-davitra, ary koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ny fandraisan’anjaran’ny METFP amin’izany.

Ho an’i Madagasikara, ireo fahaiza-manao ireo dia afaka manohana ny fanaraha-maso ny faritra an-dranomasina, ny fambolena, ny fitantanana ny loza voajanahary sy ny fifandraisan-davitra, ka hanampy amin’ny fampiasana amin’ny fomba mahomby ny teknolojia ara-habakabaka ho tombontsoan’ny fampandrosoana.



© METFP, Septambra 2026
Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa

09/09/2026

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎 𝐁𝐎𝐄𝐍𝐘 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅À𝐈𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎🔹Miroso ny asa fanatsarana sy fanama...
09/09/2026

𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎 𝐁𝐎𝐄𝐍𝐘 : 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅À𝐈𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐇𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

🔹Miroso ny asa fanatsarana sy fanamafisana ny famatsiana rano fisotro madio ao amin’ny renivohitry ny 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐀𝐦𝐛𝐚𝐭𝐨 𝐁𝐨𝐞𝐧𝐲, tetikasa izay kendrena ho sitrahan’ny 𝐦𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐢𝐬𝐚 𝟏𝟒𝟎𝟎𝟎.

🔹Efa mahatratra 80% ny asa vita, saingy misy fahatarana raha oharina amin’ny fe-potoana napetraka.

🔹Goavana tokoa ny tetikasa satria fotodrafitrasa ahitana 𝐬𝐢𝐧𝐢𝐛𝐞𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐝𝐢𝐫𝐲 𝟐𝟓𝟎 𝐦³, 𝐭𝐨𝐛𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝐝é𝐜𝐚𝐧𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐭𝐫𝐞), 𝐛â𝐜𝐡𝐞 𝟏𝟎𝟎 𝐦³, 𝐛â𝐭𝐢𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝’𝐞𝐱𝐩𝐥𝐨𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧, 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 (𝐜𝐚𝐩𝐭𝐚𝐠𝐞) 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐧𝐢𝐫𝐚𝐧𝐨𝐧’𝐢 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚, 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐦𝐢𝐫𝐞𝐟𝐲 𝟏 𝟔𝟎𝟎 𝐦𝐞𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚, 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐤𝐢𝐨𝐬𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐚𝐫𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐛𝐚𝐳𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐢𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚, no kasaina atao.

🔹Manoloana ny fahataran’ny fahavitan’ny asa, dia nijery akaiky ny fizotry ny asa ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, narahan’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambato Boeny, ny Lehiben’ny Distrika ary ny solotenan’ny orinasa mpanatanteraka ny asa, ary nanome toromarika hentitra ny, mba hanafaingana ny fanatanterahana ireo asa mbola tsy vita. Tsy maintsy ho vitaina ao anatin’ny 𝐑𝐎𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐍𝐀 ny asa, mba hahafahan’ny mponina misitraka haingana ny tombontsoa entin’ity fotodrafitrasa ity.

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
09/09/2026

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

📅09 septambra 2026📍Faritra Boeny- Mahajanga𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐤𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐅𝐊𝐌 :  𝐇𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐥𝐞𝐚𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢...
09/09/2026

📅09 septambra 2026
📍Faritra Boeny- Mahajanga

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐤𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐅𝐊𝐌 : 𝐇𝐢𝐚𝐫𝐚-𝐡𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐥𝐞𝐚𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 (𝐃𝐑𝐑) 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐁𝐨𝐞𝐧𝐲

🤝Hifanome tanana amin’ny fanomanana ny fakan-kevitra eny ifotony izay tarihin’ny FFKM ny Fitaleavam- paritra misahana ny Fanavaozana (DRR) sy ny Sampandraharaha misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Faritra Boeny.

👥Izany no nivoitra nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana izay notanterahan’ny lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa tao amin’ny Fitaleavam- paritra misahana ny Fanavaozana.

➡ Voaresaka nandritra izany ny tantsoroka izay ho entina amin’ny fanatanterahana izany fakan-kevitra mba hahatrarana ny tanjona napetraka.

📌Tapaka fa hisy atrikasa izay iarahan’ny roa tonta atoato mba hisian’ny fandrindrana ny asa atao hiomanana amin'io fakan-kevitra io.


Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when L’édito de Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share