Mahasoa anao

Mahasoa anao Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mahasoa anao, Digital creator, Antananarivo.

17/07/2025
➡️ NY ZAVA-TSOA ENTIN'NY RANOTena ilaina tokoa ny rano na sotroina na anadiovana na hidiovana.Fa eto dia ny rano sotroin...
05/07/2025

➡️ NY ZAVA-TSOA ENTIN'NY RANO

Tena ilaina tokoa ny rano na sotroina na anadiovana na hidiovana.
Fa eto dia ny rano sotroina no tena horesahantsika.

1- Ny tena tsara dia ny rano mafana foana no tokony hosotroina satria ny rano mangatsiaka dia:

⛔️ Manakatona tampoka ireo "veines" efatra ao amin'ny fo ary miteraka "crise cardiaque".
⛔️ Miteraka olana eo amin'ny aty (foie) ihany koa ny rano mangatsiaka, mampiraikitra menaka ary ny ankamaroan'ny olona natao "transplantation" ny aty dia vokatry ny fisotroana rano mangatsiaka avokoa.
⛔️ Mamely ny "paroie interne" amin'ny vavony ny tsinay kely ary ny tsinay be ka mety hiteraka homamiadana rehefa ela.

2- Tena miteraka voka-dratsy tokoa araka izany ny rano mangatsiaka. Andeha ary hojerena maraka ny vokatra etin'ny rano mafana:

✔️ Na mahamay be ohatrany ahoana aza ny andro dia rano mafana manodidina ny 45°C foana no tokony hosotroina.
✔️ Rehefa mifoha maraina dia mila misotro rano mafana mahamay na matimaty 4 vera izay mety tsy mbola ho vita ny hisotro izany raha vao manomboka fa mila mizatra tsikelikely.

⚠️ Fanamarihana
Tsy mahazo mihinana na inona na inona 45mn aorian'ny fisotroana rano mafana.

3- Ny fitsaboana entin'ny rano mafana rehefa mahavatra misotro azy:

🔶Manasitrana diabeta
🔶Aretim-bavony
🔶Cancer
🔶Tsy fahazotoan-komana
🔶Tranon-jaza sy izay mety ho mifanakaiky aminy rehetra
🔶Olana eo amin'ny "menstruation" vehivavy
🔶Aretin'ny fo
🔶Aretin'andoha, koaka, cholesterol, asthme,...

Tena tsara araka izany ny misotro rano indrindra ny rano mafana ary tsy tokony adinoina fa tokony atao loalaharana mihintsy aza raha te ho salama lalandava.
Mirary soa!!!🙏

➡️ FIKA KELY HAMPITONIANA NY ALLERGIE NDRAY NO ETINA ANIO❓ Fa inona tokoa moa zany Allergie?▶️ Zavatra ohanina kanefa ts...
05/07/2025

➡️ FIKA KELY HAMPITONIANA NY ALLERGIE NDRAY NO ETINA ANIO

❓ Fa inona tokoa moa zany Allergie?
▶️ Zavatra ohanina kanefa tsy zakan'ny hoditra na ny vatana mihintsy ny Allergie zany hoe tsy zakan'ny " Système immunitaire".

❓ Inona no mahatonga ny Allergie?
▶️ Araka ny efa nolazaina teo dia vokatry ny zavatra nohanina izy io na koa nosotroina na entin'ny rivotra.

❓ Ahoana ny fomba fisehony?
▶️ Mangididihidy ny hoditra
▶️ Mety marary ny loha
▶️ Mievona foana
▶️ Tsentina ny orona
▶️ Maloiloy
▶️ Marary kibo

❓ Inona ny fika entina hampitoniana azy?
▶️ Ireto misy hevitra 4 atoro anao entina hampitoniana ny Allergie:
🍯 Mihinana tantely pure 1 sotrokely isanandro sady antibiotika natoraly koa ny tantely.
🍋 Misotro jus de citron isa-maraina (sotroina miaraka amin'ny rano mafana 🥛1 vera)
🌰 Alona anaty rano ny tongolo oignon voatetika dia atal rano fisotro
🍥 Siran-dranomasina 1 tsongo atao anaty rano 1 vera 🥛 dia sotroina

⚠️ Tandremo

Raha sendra ireto tranga ireto anefa ianao dia mamonje dokotera avy hatrany:
👉 Sempotra na tery be tampoka ny tratra
👉 Mivoaka tandimerina be tampoka
👉 Raha kendakenda tampoka
👉 Raha mivonto be tampoka ny tarehy sy ny faritry ny maso

Izay ndray no azo natolotra fa mirary soa!!!🙏

➡️ PAIKA KELY ATORO IREO MANANA OLANA AMIN'NY LAMOSINA INDRAY NO ATOLOTRAY ZAO🔴 Ny antony mahatonga ny aretin'ny lamosin...
30/06/2025

➡️ PAIKA KELY ATORO IREO MANANA OLANA AMIN'NY LAMOSINA INDRAY NO ATOLOTRAY ZAO

🔴 Ny antony mahatonga ny aretin'ny lamosina:
- Tsy dia misotro rano
- Ratsy ny fomba fatory
- Mety ho fiantombohan'ny aretin'ny voa

🔵 Ny tsara atao:
- Mila mijoro tsara fa tsy mitambokombokona rehefa mamindra, mipetraka, mijoro
- Raha toa ka sendra mipetraka mandritry ny fotoana ela dia mila mitsangana mandritry ny 30 segondra isaky ny adin'ny 2
- Mandro amin'ny rano mangatsiaka ka kobanina amin'ny rano mafana
- Tsy azo atao ny manotra lamosina marary
- Maka lamba nolemana tamin'ny rano mafana na lamba mahamay dia apetraka eo amin'ny lamosia marary

Betsaka tokoa ny manana olana amin'ny lamosina ankehitriny koa antenaiko fa mba nisy azo niraisina ny loahevitritsika anio.
Mirary soa!!!🙏

➡️ TOROHEVITRA HANAFAINGANA NY FITOMBON'NY NY BIBY FIOMPYNy ANANAMBO no akora fototra ilaintsika eto satria:🍊Avo 7heny n...
30/06/2025

➡️ TOROHEVITRA HANAFAINGANA NY FITOMBON'NY NY BIBY FIOMPY

Ny ANANAMBO no akora fototra ilaintsika eto satria:

🍊Avo 7heny ny tahan'ny vitamine C ao anatiny mihoatra ny voasary,
🥕Avo 4heny ny vitamine A ao mihoatra ny karaoty,
🍶Avo 4heny ny Kalsiôma mitaha amin'ny ronono,
🍌Avo 3heny ny Potasiôma mitaha amin'ny akondro,
🍯🍶Avo 2heny ny hery fiarovana raha oharina amin'ny yaourt sy ronono,
🌿Avo 3heny ny tahan'ny Fer misy ao aminy mihoatra noho ny an'ny epinara,
✔️Maherin'ny 30% ny tahan'ny Proteine.

▶️ Azo lazaina araka izany fa sakafo feno entina mampitombo lanja ny biby fiompy tokoa ity ananambo ity.

Toy izao ary ny fampiasana azy:
1- Diovina tsara dia omena ny biby fiompy avy hatrany.
2- Hamainina tsara dia afangaro amin'ny provandy ka 5% hatramin'ny 10% no fatra ampiasaina.

Azo atao tsara araka izany ny mamboly ananambo mba ho sakafo na hoan'ny biby fiompy na hoan'ny olombelona ihany koa.
Mirary soa e!!!🙏

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mahasoa anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share