21/10/2026
ADY AMIN’NY KOLIKOLY SY NY ZAVATRA TSY MANJARY ETO MADAGASIKARA
Tsy manome tsiny ny PRRM aho raha tezitra izy satria i Jesoa Kristy irery no nanaiky sy nahazaka natao sorona noho ny heloky ny hafa, na ny zanak’Andriamanitra aza mbola niteny hoe esory amiko ity kapoaka mangidy ity …
Mila taperina amin’izay ny tsy maty manota na ny tany aloha na ny ankehitriny, misy olona mahasahy hiady amin’ny kolikoly sy ny zavatra tsy manjary io (PRRM), dia anjaran’izay vonona hiova, ireo tsara sitrapo, ny Mpiasam-bahoaka leo kolikoly sy ny Vahoaka ny manampy sy miaro azy.
Raha tsy miara mijoro amin’ny olona sahy toa io isika rehetra tsy ankanavaka na Mpanohitra na mpomba na olona tsotra dia tsy hisy zavatra azo antenaina intsony eto Madagasikara.
Misy sasany any mbola te hanohy ny zavatra ratsy nisy teto Madagasikara, mbola te hanondrana, mbola te hanodina, mbola te hihinana, tsy maintsy haniraka compte fake eto izy ireo ROSO TY TSA MIPODY KOA.
©️Paolo Emilio Solonavalona