Info Culture Media

  • Home
  • Info Culture Media

Info Culture Media Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Info Culture Media, Media, .

31/12/2024

Fanantenana sy finoana hoan'ny taona 2025

Jery todika fohy ny 2024

Mafy ary tena nanahirana teo amin'ny lafiny rehetra iny 2024 iny. Azo fehezina amin'ny :1- délestage tsy mbola nahitan'ny fanjakana solution ; 2- niampy tsy fisian'ny rano; 3-fiakaran'ny vidim-piainana; 4-ny fitadiavam-bolan'isan-tokatrano dia zara raha misy; 5-ireo orinasa samy milaza ho maty antoka ary hita fa maro no mikatona ka zary ny secteur informel no mitombo be.

Miara-dalana amin'ireo n'y tsy fahampian'ny asa mendrika, ny fampianarana sy ny fitsaboana tena efa tsy zarizary.

Takaitra miha mitombo ary miha lalim-paka ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra ka mampanalavitra Ilay fiarahamonina malagasy ilay fiarahamonina tandalana.

Raha ny fanatenako ho an'ny taona 2025, raha ny zavatra misy ankehitriny sy ny toro ampelatanana dia mbola ho ratsy noho ity 2024 ity. Toa tsy misy azo antenaina.

Fa ny zavatra inoako (finoako) hoan'ny 2025, dia hisy farany izao fahalovana misy eto amin'ity Madagascar ity. Misy farany daholo na ny tsara eny fa na izao zavatra tena ratsy iainan' ny firenena malagasy izao. Misy farany ny fahatrana sy fijaliana, misy farany ny fandeferana amin'ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny, misy farany io fanararaotam-pahefana io ... Satria... misy farany io torimason'ny malagasy io. Mino aho fa hifoha isika malagasy ka handray an-tanana n'y fiainantsika ka tsy hanaiky ho adalain'ny hafa fotsiny.

Miarahaba antsika nahatratra ity Andro farany amin'ny taona 2024 ity ary efa miarahaba sy mirary soa sahady ho an'ny taona vaovao 2025.

R.Miary

Mpiara-belona mifanambaka sy mifanararotra sisa isika malagasyTsy mitoetra intsony ny fifampin-tsijovana fa samy manao i...
07/08/2024

Mpiara-belona mifanambaka sy mifanararotra sisa isika malagasy

Tsy mitoetra intsony ny fifampin-tsijovana fa samy manao izay ahavelona azy isika. Lasa mivelona amin’ny hafetsifetsena amin’ny lafiny rehetra isika fa tsy mijery lavitra intsony. Rehefa velona androany dia izay no lasa zava dehibe.
Hita eny amin’ny fiarahamonina ireo mitrosa ka tsy mamerina, ao ireo misoloky asa fotsiny, maka vola fa tsy manao ilay asa akory. Ireo rafitra natao ho arofaninana amin’ireny hafetsifetsena sy fisolokiana ireny koa toa lasa toerana tena itobiany ankehitriny. Tsy natao hoan’ny olona sahirana tokoa ny fitoriana fa tena handaniana vola be. Tsy misy mihetsika ireo lazaina fa tompon’andraikitra raha tsy misy vola. Vokatr’izany dia lasa vitavita ho azy eny ireny fanao ratsy ireny ka lasa fomba fanaon’ny besinimaro.
Lasa fiainana andavan’androntsika, eny tena lasa kolontsaintsika ilay mifametsifetsy, mifanambaka sy mifanararoatra. Tsy misy intsony ny fifampitokisana ka ireo tena mila fanampiana lasa miahaka fotsiny, ireo mana-katao lasa mionokonona izy samy irery na manararaotra ny hafa mihitsy aza.
Asan’ny fanjakana ny mametraka lamina eo amin’ny fiarahamonina iray, fa raha izy fanjakana no mitarika amin’ny fanaovana zavatra ratsy dia tena rotika ilay fiarahamonina.
Very fanahy ve ilay malagasy ? Izao ve sisa ilay firenena nolazaina fa manaja ny fihavanana ?

R.Miary

Miarahaba antsika Malagasy rehetra,Ny "Fahaleovantena" dia mitaky adidy isan'andro mba ho lovan'ny taranaka rahampitso.
25/06/2024

Miarahaba antsika Malagasy rehetra,
Ny "Fahaleovantena" dia mitaky adidy isan'andro mba ho lovan'ny taranaka rahampitso.

Manakaiky vahoaka???Aokoa tsy hifanambaka isika samy malagasy!!!Ny hevitry ny hoe "manakaiky vahoaka", raha fahefana no ...
17/05/2024

Manakaiky vahoaka???

Aokoa tsy hifanambaka isika samy malagasy!!!
Ny hevitry ny hoe "manakaiky vahoaka", raha fahefana no resahina.
*Tsy ilay olom-boatendry na olom-boafidy mandeha mizara koveta, mandeha mizara riz cantonais, mandeha manasa tatatra, mandeha mitety tsena, mijery baolina, mitety tokatran'olona
Fa
=> Ilay rafitra sy fahefana mahefa sy afaka atonina eo an-toerana rehefa misy taratasy karakaraina na raharaha atao, fa tsy hoe hiakatra aty Antananarivo na andrenivohitra; ary indrindra tsy ilana fahafatarana olona fa mazava ny dingana arahina (Fepotoana, ny sarany aloha raha misy)
Oh: Hividy tany ianao, dia tokony ho vita eny amin'ny tanana misy anao ny taratasy aradalana rehetra fa tsy ilaina hoe andeha hiakatra amin'ny tanan-dehibe iray na aty Antananarivo.

Nb: Ny atao hoe rafitra sy fahefana maha efa eny ifotony, dia rafitra afaka mampiodina araka ny tokony ho izy ny fiainana eny ifotony. a-Mahavita miahy ireo fototra: fahandriam-pahalemana, fitsabona, fampianarana; b-Mahavita mampivotra ny fihariana, mihevitra sy manajary ireo rafitra sy fitsipika hifampifehezana rehetra ilaina, mihevitra sy manajary ireo fotodrafitr'asa ilaina ; c-Mahavita mifampiresaka sy mifandresy lahatra amin'ny fahefana foibe ireo tena ilaina sy mety hoan'ny tanana feheziny fa tsy manao fotsiny hoe "...Merci Président..."

Mirary soa antsika rehetra

Tsara ny mifampizara mba tsy hisian'ny fifanambakana

R.Miary

Vaovoa ratsy ho an’ny fanatanjahatena malagasyMbola tsy nahazo « Homologation » ihany ny Stade BAREA Mahamasina na dia e...
14/05/2024

Vaovoa ratsy ho an’ny fanatanjahatena malagasy
Mbola tsy nahazo « Homologation » ihany ny Stade BAREA Mahamasina na dia efa nilaza aza ny fitondram-panjakana malagasy fa efa namboarina avokoa ireo zavatra nitondran’ny FIFA/CAF fanamarihana.
Fehiny : Tena TSY MANARA-PENITRA ny kianjan’ny BAREA Mahamasina.
Lesona :
1-Tsy hoe rehefa ny filohampirenena no miteny hoe « Manara-penitra » dia izy izay
2- Tsy ny endrika ivelany no zava dehibe fa mila mahavita ny zavatra andrasana aminy ny zavatra iray vao tena hoe izy. Jereo io kianja ao Comore io, nahazo ny Homologation nefa mora lavitra ny vola lany taminy.
3- Atsaharo ilay fampiasana ny teny hoe « Manara-penitra » rehefa tsy atao manara-penitra ilay izy fa lasa sarotra ny mazava ny hevitr’ilay teny amin’ny zaza sy ny ankizy
4- Araho maso tsara ny fampiasam-bolam-panjakana fa ilay lela vola nanaovana io kianja Barea io tena nahavitana Stade tena manara-penitra.
Atsaharo ilay « Werawera » fa simba ilay firenena
R.Miary

03 mai 20241-Malalaka ve ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara?2-Fantatry ny mpanao gazety malagasy ve ny tena ilana i...
03/05/2024

03 mai 2024
1-Malalaka ve ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara?
2-Fantatry ny mpanao gazety malagasy ve ny tena ilana izany fahalalahana izany?
3-Mangetaheta fahalalan'ny asany tokoa ve ny mpanao gazety malagasy.

Ampahany amin'ny fanotaniana mba tiako hisarihana ny sain'ny mpanao gazety malagasy ireo.
Raha isika mpanao gazety aza mantsy tsy mandinika sy misaina ny sehatra misy antsika ka tsy mahafantatra izay tena zavatra ilaintsika dia sarotra ho an'ny hafa n'y hifanolotanana amintsika; na ihany koa hitsabahany tanteraka Ilay asantsika ka viravirainy ka lasa ataony fitaovana hoan'ny tanjony manokana.

Rehefa mamaly ireo fanotaniana ireo isika mpanao gazety dia ahatsapa ny lanjan'ilay fahalalahana hiadivantsika isan'andro. Satria raha amin'ny ampahany ihany izy Io fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety Io dia amin'ny ampahany ihany koa ny fahafahan'ny olom-pirenena miteny sy misitraka vaovao.

Ry namako mpanao gazety, fantaro ny amehana ho fanatsarana ity asantsika ity, fantaro ireo maika afahantsika miaro ny marina/hitsiny eo amin'ny fiarahamonina misy antsika.

Tsy misy hanolotra maimaim-pona antsika izany fahalalahana izany fa ady mafy Io. Tsy ny hampifaly sokajin'olona no asantsika fa ny hitady mba tsy hisy hanararaotra ny hafa, tsy hisy ny hanararaotra fahefana fa hanjaka ny hitsiny sy ny rariny.

Miarahaba antsika rehetra mpanao gazety amin'ity 03 mai ity ary mirary soa antsika rehetra.

R.Miary

Miarahaba sahady ny "Mpiasa" malagasy rehetra,Tena mbola lavitra ny afo ny kitay, raha hiteny hoe misitraka asa mendrika...
30/04/2024

Miarahaba sahady ny "Mpiasa" malagasy rehetra,

Tena mbola lavitra ny afo ny kitay, raha hiteny hoe misitraka asa mendrika sy mahavelona isika malagasy. Na ny asa ataontsika manana asa, eny ny asa ataoko dia tena lavitra izany hoe asa maha-velona sy afahana mampiainana ny fianakaviako.
Atao akory fa na eo aza izany dia mbola marobe ireo anaty fahasarotana noho ny tena satria tena maro ny malagasy no tsy manana asa akory. Ao ireo miaina amin'ny asa an-tselika, mety hisy mety tsy hisy, ao ireo izay tena tsy mahita izay asian'ny tenany ka lasa manosika azy ireo any amin'ny asa mamoafady (halatra sy fivarotantena). Efa toa zary mahonena aza ny mahita ireo malagasy mandeha mitsoaka ity tanindrazana ity andeha any amin'ireo firenena vahiny, raha ahita ny tsara kokoa dia tsofina rano fa ao ireo izay mamatana afobe, toa miroboka anaty fanandevozana amin'ny endriny rehetra.
Zo ny asa, mbola ady sarotra no miandry antsika malagasy mba hananantsika tsirairay avy asa mahavelona. Mahavelona hoy aho satria raha ny tokony ho izy dia vao manana asa ny olona iray dia tokony ho velona sy afaka mamelona sy miahy ny ankohonany.

ANTSO: manana andraikitra feno amin'izany ny mpitondra fanjakana.

Mamerina ny fiarabana ny "Mpiasa Malagasy" rehetra ary mirary ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra.


R.Miary/ ICM Radio (Info Culture Media 2.0 - FM 104.8)

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Info Culture Media posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Address
  • Alerts
  • Claim ownership or report listing
  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share