25/09/2026
FANGALANA PORTefeuille TAO ANATIN’NY BUS
Nisy nangalatra ny portefeuille iray nisy vola sy antontan-taratasy manan-danja tao anaty bus, raha nandeha tamin’ny zotra iray teto Antananarivo ny tompony.
Araka ny fanazavany, nitaingina bus izy ary narary andoha ka resin-tory nandritra ny dia. Niharatsy ihany koa ny fitohanana, indrindra teo amin’ny Fokontany ka hatrany Ambodinisotry.
Rehefa tonga teo Ambodinisotry izy vao niarina ary nijery ny poketrany teo anoloany. Hita fa mbola nikatona tsara ilay poketra. Rehefa nosokafany anefa dia taitra izy satria tsy tao intsony ny portefeuille maitso.
Araka ny fanazavana, ireto avy no tao anatin’ilay portefeuille:
- 💵 Vola mitentina 557 900 Ariary ;
- 🪪 CIN ;
- 💳 Carte professionnelle ;
- 💳 Carte bancaire BRED ;
- ⛓️ Gourmette volafotsy tapaka ;
- 📄 Saritapaka sy antontan-javatra madinika vitsivitsy.
Ny nahagaga dia tsy nokitihina ireo finday roa Android sy ny finday “foza” izay tao anaty poketra. Midika izany fa ilay portefeuille ihany no toa nokendrena.
Mbola tsy fantatra hatreto ny fotoana marina sy ny olona naka ilay portefeuille.
Ny tranga dia mampahatsiahy indray ny mpandeha mba hitandrina tsara ny entany, indrindra rehefa reraka na resin-tory ao anaty fitateram-bahoaka, indrindra amin’ny fotoanan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Sary fanehoana