StoryMyst

StoryMyst Page mampitombo ny fahalalana ankapobeny. Fizarana tantara tena nisy
sy tantara misy misitery isankarazany

🎊🎊Bonne année à vous.Mirary soa sy fanambinana ho antsika rehetra ho anity taona vaovao ity 🎊🎊😘😘😘
02/01/2026

🎊🎊Bonne année à vous.Mirary soa sy fanambinana ho antsika rehetra ho anity taona vaovao ity 🎊🎊
😘😘😘

25/12/2025
Tao Borgo Virgilio, tanàna kely any Italia, nisy “vehivavy” antitra 85 taona tonga haka kara-panondro vaovao.Nampiahiahy...
28/11/2025

Tao Borgo Virgilio, tanàna kely any Italia, nisy “vehivavy” antitra 85 taona tonga haka kara-panondro vaovao.

Nampiahiahy an’ilay mpiasan’ny kaominina anefa izy 😳: makiazy tsy voajanahary, endrika hafahafa, ary be feo indraindray …

Nampandre avy hatrany ny manampahefana ny kaominina, ka nanokatra fanadihadiana. Tsy ela dia nipoitra ny marina nahavariana:
👉 Ilay “vehivavy” dia tsy vehivavy akory fa lehilahy 57!
👉 Efa taona maro ilay reniny no nodimandry, fa nafeniny izany mba hahafahany maka endrika ny reniny haka ny vola fisotroan-dronono💶⚠️😮.

Rehefa nosamborina ilay lehilahy dia niaky fa izy no tompon’antoka.Mitentina €159,000 ny totalin’ny vola efa azony tamin’ny hosoka.

Amin’izao fotoana izao dia mbola mitohy ny fanadihadiana mikasika ny antony nahafaty ny reniny.

Nareo ve mihevitra fa novonoiny ve ilay reniny, sa matin’ny fahanterana fotsiny izy? 🤔

📣 “Manaraha hatrany ny pejy raha te hahita tantara mahaliana hafa!” 😄📲✨

“Tarehy vaovao, fiainana vaovao”🕊️Ny taona 2014 ,teo amin’ny faha-18 taonany, i Katie Stubblefield, dia nikasa hamono te...
13/11/2025

“Tarehy vaovao, fiainana vaovao”

🕊️Ny taona 2014 ,teo amin’ny faha-18 taonany, i Katie Stubblefield, dia nikasa hamono tena ka nitifitra ny lohany 😔. Velona soa amantsara anefa izy 🙏, saingy simba tanteraka ny endriny.

💔Nandritra ny taona maro dia niaina tao anaty fanaintainana sy ny henatra izy 😢, tsy sahy nijery ny tenany teo amin’ny fitaratra intsony.

🧬Noho ny fandrosoan’ny siansa sy ny fahaizan’ireo mpitsabo manokana👩‍⚕️👨‍⚕️, dia nisy fanantenana indray mba hahafahana mamerina ny tarehiny,tsy inona izany fa ny fanaovana famindrana tarehy “greffe du visage” 🌈.

⏰ Notanterahiny ny 4 mai 2017, tao amin’ny “Cleveland clinic” izany ary naharitra 31 ora ny fandidiana.

Vita soa amantsara ny fandidiana azy🎉 ary mbola maro ireo dingana narahina tamin'ny fitsaboana mba hianarany indray miteny 🗣️, misakafo 🍽️, ary miaina toy ny teo aloha 💪.

Misaotra anareo rehetra! 😊
Raha nahaliana anao ity tantara ity, abonneo ny pejy 🔔 ary zarao amin’ny namana ❤️.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when StoryMyst posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category