02/09/2026
| 𝐅𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐀𝐋𝐎, 𝐅𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐕𝐈𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐌𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 🇲🇬
𝐌𝐢𝐫𝐨𝐬𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨𝐭𝐚𝐤𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐧-𝐤𝐢𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 ; 𝐡𝐞𝐫𝐢𝐧𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐥𝐚𝐬𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢 𝐂𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞̈𝐥 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀.
🔷 Hita taratra amin’ny fihetsiky ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, fa tsy ny fanitarana fahefana no laharam-pahamehana, fa ny tombontsoan’ny vahoaka, ny filaminana ary ny fanomanana ny hoavin’i Madagasikara.
🎯 Mazava ny tanjona : fifidianana madio, mangarahara, malalaka ary eken’ny rehetra. Herintaona mialoha ny fifidianana aza dia efa miroso amin’ny dinika ny fitondrana, amin’ny alalan’ny fandraisana ny hevitry ny antoko politika, fikambanana ary ireo hery velona rehetra eto amin’ny firenena.
🇲🇬 Ny hoavin’ny firenena no jerena, ny safidin’ny vahoaka no hajaina.