Rindra Arla

Rindra Arla Resaka FAMPANDROSOANA ranoiray : politika, fanabeazana, fampianarana, asa, tontolo ambanivohitra, fambolena/fiompiana, tanora, ...

🌳🌱 FAMBOLEN-KAZO ISAN-TOKANTRANO KARAKARAIN'NY RCR 🌱🌳Ny RCR dia manasa ny olona rehetra tsy an-kanavaka, isika mpanara-d...
12/01/2026

🌳🌱 FAMBOLEN-KAZO ISAN-TOKANTRANO KARAKARAIN'NY RCR 🌱🌳

Ny RCR dia manasa ny olona rehetra tsy an-kanavaka, isika mpanara-dia sy mpanohana ny antoko sy ny foto-keviny rehetra, ianareo vahoaka rehetra liana te hamboly hazo mahatsapa manana adidy amin'ny firenena, handray anjara amin’ny fambolen-kazo isan-tokantrano izay atao eny Ambohimalaza

👥 Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika na avy lavitra, na avy eto Antananarivo, na toeran-kafa (hisy fiara mpitatitra avy aty Antananarivo), na avy eny an-toerana amin'ny manodidina.

🎁 Hisy zana-kazo hozaraina isan-tokantrano amin'io fotoana io. Hisy ihany koa ny toerana manokana hiarahana mamboly ankoatra ny isan-tokantrano.

📌 Toerana : Terrain de foot Ambohimalaza

📅 Daty : Sabotsy 31 Janoary 2026
⏰ Ora : Manomboka amin’ny 09 ora maraina
📞 Contact : mandefasa hafatra miafina (mp)

🌱 “Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana🌳”

🧠 “Ny rafitra ratsy dia handresy olona tsara foana.” ⚙️💥🇲🇬 Ankilany, tsy hisy sahy hiteny isika fa adala daholo ny mpito...
28/12/2025

🧠 “Ny rafitra ratsy dia handresy olona tsara foana.” ⚙️💥

🇲🇬 Ankilany, tsy hisy sahy hiteny isika fa adala daholo ny mpitondra rehetra tato anatin'ny 65 taona nahazoantsika fahaleovan-tena izay matoa mbola mahantra sahala amin'izao i Madagasikara.

🗣️ Firifiry ireo mpitondra antsika rehetra hatreto no tsara resaka, nahay nandresy lahatra, nahay nambabo fo ary nahita ny tsy nety daholo fony mbola tsy teo amin'ny fitondràna saingy niova tanteraka rehefa nahazo seza, rehefa tonga eo amin'ilay fitondràna.

🔄 Dia samy miaiky isika fa mampiova olona tokoa ilay fitondràna. Firifiry no hitantsika lasa minia mikimpy fotsiny amin'izay manoloana ny tsy mety sy tsy rariny rehetra miseho. Firifiry no hitantsika fa niova tanteraka hatramin’ny fomba firesaka.

👥 Etsy andaniny ny vahoaka, tsy hisy sahy hiteny isika fa misy olona na dia iray aza ka misafidy malalaka ny hanao kolikoly sy hanao ny tsy mety eo anivon'ny fiarahamonina.

⚠️ Fa teren'ny zavamisy ka lasa manara-drenirano daholo fotsiny tsy misy tena tompon-tsafidy intsony na efa samy mahafantatra aza fa tsy mety, hadalàna, voararan'ny lalàna ary mahavoasazy ny manao kolikoly.

Efa izay ilay "système" hoy isika 🤷‍♂️

👉 Izany rehetra izany no manambara fa :

🔒 Rehefa mbola miaro ny tsy mety ny rafitra misy,
⚖️ Rehefa mbola ny manao ny marina indray no voa mafy noho ireo mpanao kolikoly sy mpanao hitsin-dalana,
💸 Rehefa mbola mora atao kokoa sy manamora fiainana ny manao kolikoly,
🌊 ary rehefa mbola manery ny olona hibolisatra vao tafavoaka ilay rafitra misy,

➡️ dia na olona tsara tahaka ny inona aza, na olona nahita fanabeazana lafatra tahaka ny inona aza dia ho potik'ilay rafitra tsy manjary foana.

📌 Ka noho izany :

❌ Tsy ampy ny mitady “olona tsara”.
❌ Tsy ampy ny miteny hoe “ndao hanova toe-tsaina”.

👉 Tokana ihany ny vahaolana : Andao hanova rafitra dia hanaraka ho azy ny fiovàna, handroso ho azy isika. 🚀

❓ Ianao koa ve efa resy lahatra ny amin'ny tsy maintsy hanovana rafitra raha tiantsika handroso tokoa i Madagasikara ? 🇲🇬✨

🔧

Manalabaràka antoko lehibe kosa izao 😂Fahendrena tsotra ny miteny hoe Sary nindramina tompoko rehefa tsy ianao mivantana...
28/12/2025

Manalabaràka antoko lehibe kosa izao 😂

Fahendrena tsotra ny miteny hoe Sary nindramina tompoko rehefa tsy ianao mivantana no nanamboatra ilay sary na hoe tsy nahazo alalana ianao raha tsy hivohy ilay hevitr'olona ihany. Raha hivohy kosa dia amporisihina tsy misy bedy.

Namaky ihany izy fa ny fanovandrafitra ihany no vahaolana saingy avy eo nalainy fotsiny le sary nampiasainy aminizay mahapetipety azy 😂

‎🫣 Na dia kely aza ny finoako, tena kely bitika mankany amin'ny tsy mino aza, dia tsy maninona hanantena kely ihany aho ...
27/12/2025

‎🫣 Na dia kely aza ny finoako, tena kely bitika mankany amin'ny tsy mino aza, dia tsy maninona hanantena kely ihany aho fa izy 3 dahy izany, amin'ny andraikitra vaovao misy azy avy, dia isan'ny hahavita hitondra izay tena fanavaozana sy fanovan-drafitra eto an-tanindrazana izay.

‎👌 Kely ny finoako satria rafitra ilay resaka eto (systeme) : ny singa rehetra (éléments) ao anatin'io rafitra io dia mifampiankina daholo. Ka na iezaka hanova ny rafitra ao amin'ilay sehatra misy azy ihany aza izy ireo dia tsy ho tafavoaka ihany satria mifampiankina amin'ny sehatra hafa izany.

‎🎯 Raisina ohatra ny Ministeran'ny fizahan-tany :

‎👉 te hanavao ny fomba famindran-toerana (affectation) ny mpiasa ao ny Minisitra fa te hampiroborobo ny rantsamangaikan'ny ministera any amin'ny faritra.

‎Malaina ny mpiasa avy eto andrenivohitra hafindra toerana satria any amin'ny faritra sasany : ny fitsaboana ohatra tsy zarizary, ny lalana ratsy ka manahirana ny fivezivezena, ratsy ny fandrim-pahalemana, ny fianaran'ny ankizy ambany kalitao sns.

‎➡️ Affectation no resaka eto dia efa voaresaka ny fanabeazana, ny asa vaventy, ny filaminam-bahoaka, ny fahasalamana sns.

‎👉 Te hampiakatra ny tolotra omena ny mpizaha tany ohatra ny ministera :

‎Samy efa mba nandeha trano fisakafoanana angamba isika dia mahita fa tena ny ankamaroan'ny mpiasa tsy mahafehy ny asany : tsy mahay mandray olona(ny fomba fiteniny, ny zavatra angatahinao tsy tadidiny,...), maloto, sns.

‎Ny ankabeazan'ny mpiasa amin'ireny trano fisakafoanana ireny dia olona avy amin'ny secteur primaire no betsaka fa tsy tena manana vocation iasa any fa noho ny hoe tsy mahavelona ny fambolena sy fiompiana dia makany.

‎Fizahan-tany hany no resaka eto dia voakitika ny ministeran'ny fanofanana arak'asa sy ny fampianarana teknika.

‎⚠️ Ny tiana havoitra dia hoe tsy mandeha io raha tsy miara-kitihina daholo ny sehatra rehetra izay singa izay mandrafitra ilay rafitra ngezabe dia ilay rafitra politika (système politique) ivondronan'ny rafitra(regime) politique, rafitra-ekonomika ary ny rafitra ara-tsosialy.

🎓 Kolikoly sy fanararaotana ara-nofo eny amin’ny Oniversite : andao ho resahina ny fototr’olana sy ny vahaolana⚠️ Tranga...
23/12/2025

🎓 Kolikoly sy fanararaotana ara-nofo eny amin’ny Oniversite : andao ho resahina ny fototr’olana sy ny vahaolana

⚠️ Tranga mampalahelo efa faheno hatramin'izay ny fisian'ny fanararaotana ataona mpampianatra sasany eny anivon'ny Oniversite eny.

🔍 Raha jerena ny antony dia satria manana fahefàna feno amin'ny fanomezana naoty amin'ny taranja iray ny mpampianatra iray ka misy amin’izy ireny no adala (tsy manana fahendrena) lasa manararaotra izany fahefàna hananany izany entiny hanerena sy hanararaotana mpianatra (indrindra ny zazavavy) ho takalon’ny naoty na fifindràna kilasy iray

😔 Ny mpianatra tratran’ny fanararaotana kosa etsy andaniny mangina tsy sahy miteny ny ankamaroany satria matahotra ho very taona na ho voaroaka ka ho simba mihitsy ny ho avy.

❌ Tsy misy rahateo ny toerana/sehatra azo itokisana hametrahana fitairanana fa izay sahy miteny voarahona sy hiharan’ny antsojay.
Ary izay notorohina ihany koa tsy nisy sazy hita maso mazava fa very anjavony.

🔁 Izany rehetra izany dia manome vahana ny fanararaotana hiverimberina hatrany isan-taona.

✅ Raha ny tokony ho izy dia :

✔️ Tsy tokony ho olona iray no mifehy/manome ny naoty ho an’ny mpianatra ary koa tokony atao an-takona (anonyme) ny fitsaràna sy fanomezan'ny mpitsara naoty, na koa misy fanamarinana indroa

⚠️ Hatreto anefa na ny isan’ny mpampianatra eny anivon’ny Oniversite eny aza tsy ampy be dia be ary zara fa maharay ny tambin-karamany ara-potoana

✔️ Tokony misy toerana/Sehatra hitarainana azo antoka, atao tsy fantatra anarana (anonyme), tsy eo ambany fahefan’ny Oniversite fa hiandraiketana rafitra hafa ivelany

⚠️ Hatreto anefa na ny teti-bola hampiodinana ny Oniversite sy ny fampianarana eny fa na dia ny hividianana fitaovana entina hampianarana aza dia zara fa misy

✔️ Tokony ho henjana sy hita maso ary azo arahina tsara ny sazy ho an’izay tratra rehefa voaporofo

⚠️Fa miverina ihany isika amin’ilay hoe tsy ampy ny isan’ny mpampianatra ka mahatonga ny eo am-perinasa sarotra esorina, ka manamafy hatrany an’ilay “cercle vicieux”

👉 Raha tsorina dia ilay rafitra misy sy mipetraka ihany no miaro sy mamporisika ary mamela malalaka ny fanararaotana sahala amin’izany ka manome vahana ny adala hanao ny ataony hatrany.

👉 Raha toa nefa ka atao sarotra tsy mora dikaina sy mampidi-doza ny fanararaotana dia azo antoka fa hihena ho azy izany na amin’ny sehatra inona na inona.

➡️ Izany rehetra izany no ahitàna taratra fa maty ny rafitra anatin’io seha-pampianarana ambony io.

⚠️ Ny fiarahamonina rehetra na aiza na aiza nefa dia tsy hilaozan’ny adala fa ny rafitra sy fitsipika ary fepetra apetraka no mila atao mafy afahana mifehy ny rehetra tsy hanao hadalàna hanohitohina ilay fiarahamonina.

Araka izany, ny fanovàn-drafitra (changement radicale du système) ihany no vahaolana afahantsika tena mandroso.

📸 Sary google namboarina

Samy manaiky isika rehetra fa ny toe-tsaina no isan’ny olana goavana indrindra tsy mampandroso antsika Malagasy.Lazaina ...
20/12/2025

Samy manaiky isika rehetra fa ny toe-tsaina no isan’ny olana goavana indrindra tsy mampandroso antsika Malagasy.

Lazaina matetika koa fa miainga amin’ny tsirairay ny fiovana.

Tena marina be daholo izany, SAINGY :

👉 Ahoana moa no hanantenàna olona tsy nahazo na zara raha nahazo fanabeazana sy fampianarana hanova tampoka ny toe-tsainy ?

👉 Ahoana no hanovàna toe-tsaina sy hialàna amin'ny fomba fanao tsy nety nahazatra izany raha mamely mafy isan’andro ny fahantrana sy ny fahasahiranana ?

Ary na ho an’ireo olona atao hoe nianatra sy nahazo fanabeazana tsara indray aza :

👉 Firy amin’izy ireo no mbola tsy niaina na tsy vavolombelona nahita trangana kolikoly, na teny anivon’ny fiarahamonina izany, na tany anatin’ny birao isan-tsokajiny rehetra tany indrindra fa ny biraom-panjakàna ?

💭 Mora ny miteny hoe “mba ovay ny toe-tsaina”, fa tena sarotra ny manatanteraka izany raha :
👉 tsy misy rafitra mifehy,
👉 tsy misy fitsipika mazava,
👉 tsy misy fepetra manakana ny olona tsy hibolisatra,
👉 ary tsy misy fanabeazana sy fampianarana matanjaka apetraka eo amin'ny fiarahamonina.

Indrindra rehefa niaina rafi-panabeazana sy fampianarana malemy sy efa potika tanteraka tahaka ny zava-misy hatreto ny ankamaroan’ny Malagasy.

👉 Izany indrindra no antony hilazàna hatrany fa Ny fanovan-drafitra dia tsy safidy, fa lalana tsy maintsy hizorana raha tena te handroso sy hiala amin’ny krizy miverimberina tokoa isika.

💍 Mahagaga fa rehefa hanao mariazy any am-piangonana ny mpivady,dia misy fiofanana 6 volana hatramin’ny herintaona vao h...
18/12/2025

💍 Mahagaga fa rehefa hanao mariazy any am-piangonana ny mpivady,

dia misy fiofanana 6 volana hatramin’ny herintaona vao hamasinina.

Kanefa :

👉 Olona 2 no hitambatra,

👉 Tokantrano 1 no hatsangana,

👉 Olona 5 eo ho eo no ho voakasik’izany mivantana.

❓ Fa rehefa hitondra firenena kosa ?

Tokantrano an-jatony, an’arivony, an-tapitrisany no entina, kanefa :

👉 Tsy misy fiofanana,

👉 Tsy misy fiomanana,

👉 Fa avy dia tonga eo fotsiny ny ankamaroany noho ny tombontsoa manokana sy ny hafanam-po fotsiny.

Dia ho gaga ve isika raha mbola hijaly foana ny vahoaka 65 taona nahazoana fahaleovan-tena ?

Dia ho gaga ve isika raha miverimberina foana ny krizy isaky ny 7–10 taona ?

Ry vahoaka Malagasy, andao aminizay hifoha amin'ny torimasontsika !

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rindra Arla posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share