01/02/2026
Ito indray ary🥰
Akora natoraly manalava volo
ZAVATRA ILAINA :
-Romarin eny @ pivarotra karazana legume mifatotra reny de efa misy (1000 ar le mifatotra)
-Tongolo be singany efatra (le @ le 500 ar reny ny tokony)
- Savony nosy
FOMBA FIKARAKARANA AZY :
- voasana ny tongolo be,de tetehina atao boribory,de arotsaka ao anaty rano ze maha-ampy ny volonao ,avela hangotraka elaela vao harotsaka ndray ny romarin de avela hangotraka elaela ao ilay tongolo sy ilay romarin
- vita zay de esorina de atao @ koveta kely na seau le izy refa avy nampangotrahana (marihina fa tsy tonga de arina lay romarin sy le tongolo refa lay izy esorina eo ambony afo iny fa avela ao anaty rano fôna mandritra ny fotoana hanasanao loha sy hanakobananao an'lay loha)
- andrasana eo @ 20mn eo ilay rano avy nampangotrahana zay vao afaka hanasana ilay loha
- sasana @ savony nosy ilay volo avy eo de iny rano misy an'le romarin sy le tongolo iny iany avy eo no hanakobanana azy,de vita ny chocolat😄😘
ATAO ISAK'ERINANDRO
MARIHINA FA RAH TE AHITA RESULTAT HAINGANA DE MILA ATSAHATRA MIHITSY ALOHA NY FANAOVANA VOLO @ FER😁
afaka asina romarin kely kou ny huil coco pur de iny no atao @ volo,na randranina @ iny kou ny volo mba ahamora ny fitsirian'ny volo sy mampatevina be ny volo
Mirarisoa ho anareo rehetra ary❤️