Gazety Faseboky ity

Gazety Faseboky ity Tongasoa eto amin’ny Gazety Faseboky ity — pejy natokana hizara vaovao marina sy voamarina, avy eto an-toerana ka hatrany ivelany.

Ny tanjonay dia ny hanome vaovao haingana, mazava ary azo antoka. Aza adino ny mizara amin'ny namana,mba anaraka ny Pejy.

02/09/2026
VAOVAO FARANY MOMBA NY FAMONOANA AN’I HAINGOTIANA SY I STEPHANIE. Olona maromaro no atao fanadihadiana amin’izao momba i...
26/08/2026

VAOVAO FARANY MOMBA NY FAMONOANA AN’I HAINGOTIANA SY I STEPHANIE.

Olona maromaro no atao fanadihadiana amin’izao momba ity raharaha ity. Olona 4 kosa no tena ahiana ho tompon’antoka amin’ny raharaha. Ahitana naman’izy roa vavy sy naman’ny naman’izy ireo ihany.

Tazonina eny amin’ny Brigade criminelle Anosy ny telo amin’izy ireo ary eny Ankadilalana ny iray.
Mbola misy ny karohin’ny mpitandro filaminana.

Tv Plus Infos
Sary indrana

🎉 TRATRY NY TSINGERINTAONA NAHATERAHANA, ANDRIAMATOA FILOHA! 🇲🇬Amin’izao andro manokana izao dia mirary anareo fahasalam...
23/08/2026

🎉 TRATRY NY TSINGERINTAONA NAHATERAHANA, ANDRIAMATOA FILOHA! 🇲🇬

Amin’izao andro manokana izao dia mirary anareo fahasalamana, faharetana, fahendrena ary hery hahafahana manohy amim-pahombiazana ny andraikitra lehibe nankinina aminareo.

Enga anie ity taona vaovao eo amin’ny fiainanareo ity hitondra fahombiazana, fiadanana ary fanantenana vaovao ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra.

🎂 Tratry ny tsingerintaona nahaterahana, Andriamatoa Filoha RANDRIANIRINA Michael.

🙏 Ho ela velona, ho ela fanapahana, ary hahavita be hatrany ho an’ny Tanindrazana. 🇲🇬

🔴 Nody an-tanindrazany ihany ny filohan'i Cameroun, Paul Biya, 93 taona, raha nijanona tany ivelany foana nandritran'ny ...
21/08/2026

🔴 Nody an-tanindrazany ihany ny filohan'i Cameroun, Paul Biya, 93 taona, raha nijanona tany ivelany foana nandritran'ny 74 andro.

🔴 Isan'ireo nanakihina ny fahabangana eo amin'ny rafi-pitondrana tany an-toerana ny eo anivon'ny fanoherana any Cameroun, nandritran'ny tsy nahateo ity filoha ity.

🔴 Nisy namoaka tato amin'ny tambazotran-tserasera mialohan'ny fotoana ny naotin'ireo mpanala fanadinana bakalorea tao To...
20/08/2026

🔴 Nisy namoaka tato amin'ny tambazotran-tserasera mialohan'ny fotoana ny naotin'ireo mpanala fanadinana bakalorea tao Toliara.

🔴 Efa mandray ny andraikitra amin'ny fanadihadiana an'izay namoaka izany ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Oniversite.

𝗔𝗺𝗯𝗮𝗹𝗮𝗸𝗮𝘇𝗮𝗵𝗮 - 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗔𝗻𝘁𝘀𝗮𝗹𝗼𝘃𝗮 :🔥𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼. 🔹Nitrangan’ny hain-trano tao Ambala...
20/08/2026

𝗔𝗺𝗯𝗮𝗹𝗮𝗸𝗮𝘇𝗮𝗵𝗮 - 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗔𝗻𝘁𝘀𝗮𝗹𝗼𝘃𝗮 :

🔥𝗢𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝗻-𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼.

🔹Nitrangan’ny hain-trano tao Ambalakazaha, Kaominina Masoarivo, Distrikan’Antsalova, Faritra Melaky, androany, ka trano iray no kilan'afo raim-pianakaviana sy zaza iray no may (naratra).

🔹Ankoatra zany, fananana sy tahirin-tsakafo maro ihany koa no may sy potika tao anatin’ity loza ity, anisan’izany ny vary manodidina ny 20 gony. Mbola tsy fantatra hatreto ny niandohan’ny afo sy ny tena antony nahatonga ity loza ity.

©️Sebastini You'Rayan
___________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

𝗩𝗮𝗹𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗕𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝗿𝗲𝗮 - 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 :🔥𝗡𝗶𝘀𝘆 𝗻𝗮𝗺𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮-𝗽𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻' 𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗼𝘁𝘆, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵...
20/08/2026

𝗩𝗮𝗹𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗕𝗮𝗸𝗮𝗹𝗼𝗿𝗲𝗮 - 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮 :

🔥𝗡𝗶𝘀𝘆 𝗻𝗮𝗺𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮-𝗽𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻' 𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗼𝘁𝘆, 𝗺𝗮𝗻𝗱𝗲𝗵𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗵𝗮𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮.

🔹Nisy namoaka mialoha ireo lisitra mirakitra ny voka-panadianana Bakalorea ao Toliara omaly Alarobia, raha toa ka androany no tokony hamoahana ny valim-panadinana. Hita tao anatin'izany ny "moyenne" sy ny fanamariahana tsy fahafahan'ireo mpiadina rehetra, ka isan'ny nampisavorovoro ny besinimaro tany an-toerana.

🔹Efa ao anatiny fanaovana fanadihadihana mahakasika azy ity ireo tomponandraikitra eo anivon'ny Oniversite ary hisy ny fandraisana andraikitra amin'izay olona tomponantoka tamin'izany.
__________________

Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.

🔴 Efa tonga any Ambovombe ireo fitaovana hanamboarana ny tetikasa anadiovana ny ranomasina ho lasa rano fisotro ary efa ...
20/08/2026

🔴 Efa tonga any Ambovombe ireo fitaovana hanamboarana ny tetikasa anadiovana ny ranomasina ho lasa rano fisotro ary efa manomboka ny asa fanajariana ny tany.

🔴 Ny Orinasa Aureate Resources no hanao ity tetikasa ity, izay hoapetraka any Tsirangoty, manodidina ny 7 km miala an’Ambovombe.

☑Fandraisana andraikitra sy fanaraha-masoAo anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny Koperativa KOFIATRAM, dia midina...
20/08/2026

☑Fandraisana andraikitra sy fanaraha-maso

Ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny Koperativa KOFIATRAM, dia midina ifotony hatrany ireo tompon’andraikitra, manao fanaraha-maso ireo taxi-be E miodina amin’ny zotra.

🚌 Tanjona ny hahazoana antoka fa manaja ny zotra sy ny fitsipika mifehy ny fitaterana ireo mpitatitra, ary indrindra ny hisorohana ny tranga miodina andalana na mandao mpandeha tsy amin’ny antony ara-drariny.

❌ Tsy ekena ny gaboraraka sy ny tsy fanajana ny mpandeha!

🙏 Miantso ny mpitatitra rehetra mba hanaja ny fitsipika, ny mpandeha ary ny andraikitra napetraka aminy.

Commune Rurale Ambohimangakely Ofisialy

🔴 Nankatoavina nandritran'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mahakasika ny famarotana ny saha Palmier ao...
20/08/2026

🔴 Nankatoavina nandritran'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mahakasika ny famarotana ny saha Palmier ao Ivondro an'ny Orinasa SOMAPALM (Société Malgache pour le palmier à Huile) amin'ny Orinasa "Savonnerie Tropicale".

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gazety Faseboky ity posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share