16/04/2026
Tao amin ny CCI Ivato, nandritra ny fanokafana, no nambaran ny tanjona lehibe amin ity Fikaonandoham pirenen ny Tanora ho an ny Fanavaozana ity: hanome sehatra mitovy ho an ny tanora rehetra. Tanora avy amin ny fiaviana samihafa no tafiditra, manomboka amin ny mpianatra ka hatramin ny tanora tantsaha. Tianareo ve ny hahita fampandrosoana mirindra ho an ny rehetra, fa tsy ho an ny vitsy ihany?