15/08/2026
KAOMININA AMBODIRIANA : FIKAMBANANA RAY NIARA-NIENTANA TAMIN’NY FANAMBOARANA TETEZANA
Androany, Sabotsy 15 Aogositra 2026, tonga tao amin’ny Kaominina Ambodiriana, Fokontany Ambodiriana, ny Fikambanana Ray dia tarihin'ny Solombavambahoaka Narson RAFIDIMANANA, niara-nientana tamin’ny vahoaka tamin’ny fanamboarana ny tetezana. Anisan’ny nampijaly ny mponina nandritra ny taona maro ity tetezana ity, nefa ifamezivezen’ny fiara, sarety ary mpandeha an-tongotra maro.
Nanohana ny fanamboarana izany, ho setrin’ny fangatahan’ny mponina, ny Solombavambahoaka tamin’ny alalan’ny fanomezana simenitra sy vy. Ny vahoaka kosa nandray anjara tamin’ny fanangonana fasika sy vato izay akora misy any an-toerana ary nanao ny asa.
“Tsy misy miasa irery, fa ny fiaraha-mientana no antoky ny fahombiazana,” hoy ny Assistant parlementaireny Andriamirija RAKOTOARIMANANA, izay nisaotra ny vahoaka tamin’ny fandraisana andraikitra sy ny fiaraha-miasa.
Nambaran’i Rakotoarisoa Herinirina, KM Fokontany Ambodiriana, fa mitondra fifaliana ho an’ny mponina ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, satria mampitohy Fokontany maro. Nisedra olana noho ny rano nanimba fambolena sy fefiloha ny mponina teo aloha, ka antenaina fa hihatsara ny fikorianan’ny rano sy ny fivezivezena manomboka izao.