
29/09/2025
⭕Mba tsy handairan'ny ny tsaho sy vaovao diso: ireto ny didy folo fanamarinana ny tranga sy vaovao
📌Hamarino ny vaovao
Amin’izao vanim-potoana izao, miparitaka haingana ihany koa ny tsaho sy vaovao tsy voamarina. Anjarantsika tsirairay ny manamarina ny vaovao rehetra alohan’ny hizarana azy.
Ireto avy ny didy folo amin’ny fanamarinam-baovao :
1. Fantaro izay mizara vaovao.
2. Aza mahatoky avy hatrany ny vaovao amin’ny tambajotra.
3. Ampitahao amin’ny loharano hafa sy mahaleo tena.
4. Zahao ny loharano niavian’ilay vaovao.
5. Jereo ny daty namoahana azy.
6. Aza raisina ho porofo fotsiny ny sary sy horonan-tsary.
7. Aza avela hotaritaka amin’ny fihetseham-po.
8. Aza mionona amin’ny loharano tokana.
9. Aza mino avy hatrany ny vaovao be mpizara.
10. Aza maika mizara raha tsy voamarina tsara.