09/04/2026
đAnisanâireo kandida aminâny fifidianana ny solontenanâny mpanao gazety ho mpikambana ao aminâny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) i Rakotonirina GĂ©rard.
đŽMpanao gazety efa manana traikefa aman-taonany maro taminâny asa fanaovan-gazety
Filohanâny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha (2014-2021)
đManana traikefa aminâny resaka fifidianana satria ansainâireo âfacilitateurâ taminâireo atrikasa ao anatinâny programe BRIDGE (Building Resources in Democracy, Governance and Elections)
đŽVina:
âAminâny alalanâny traikefa ananako sy ny fifandraisako aminâny tontolonâny asa fanaovan-gazety, ny fikambananâny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombonâantoka isan-karazany, dia heveriko ho fotoana iray ahafahako mandray anjara aminâny fanatsarana ny asanâny CENI ny fidirako ho mpikambana ao aminy, indrindra aminâny fanamafisana ny fahombiazanâny asany sy ny famerenana ny fitokisanâny olom-pirenena mpifidyâ, hoy i Rakotinirina GĂ©rard.
đđ»Ho fanatanterahana izany dia ireto ny soso-kevitra entiko:
đŻFanamafisana ny fahaleovantenanâny CENI sy ny tsy fitanilany, tsy misy fitsabahanâny any ivelany aminâny fanapahan-kevitra raisiny, mba hamerenana ny fitokisanâny olom-pirenena sy ireo mpiara-miombonâantoka rehetra (antoko politika, fikambanana sivily, sns).
Fanatsarana ny mangarahara aminâny fizotranâny fifidianana, mba hahafahanâny olom-pirenena manaraka sy mahatakatra tsara ny dingana rehetra. Tokony ho malalaka sy tsy misy sakana ny fahazoana vaovao.
đŻFampiroboroboana ny fandraisanâanjaranâny olom-pirenena, indrindra ny tanora, ny vehivavy ary ireo vondrona marefo, aminâny alalanâny fanentanana sy fampahafantarana mandritra ny dingana rehetra aminâny fifidianana, aminâny alalanâny fitaovam-pifandraisana rehetra.
đŻFanamafisana ny fahaizanâny CENI hiatrehana ireo fanamby ankehitriny sy ho avy (fitaovana, kojakoja, teknolojia vaovao). Anisanâizany ny fanatsarana ny lafiny ara-teknolojia (toy ny ivon-toeram-pikarakarana angon-drakitra eny anivonâny distrika â CID), ny fanaraha-maso ny fanoratana biometrika ataonâny Ministeranâny Atitany, ary ny fanomezana fitaovana sahaza ho anâireo rafitra eny ifotony (CEP, CER, CED, CEC, ary ireo mpiasanâny fifidianana).
đŽâMirotsaka aminâity fifidianana ity aho noho ny fahatsapako ny traikefa hananako sy ny finiavana hanatsarana hatrany ny fanjakana tsara tantanana ary ny fifidianana ho ekenâny rehetra. Ny traikefa efa hananana, ny fifanomezan-tanana sy fifampatokisana efa nitoetra ela .Manentana antsika mpanao gazety mpifidy hisafidy ny tenako aminâio fifidianana io
â, hoy i hatrany izy.....Vakio ny tohiny ao amin'ny www.journalmadagascar.com
https://www.journalmadagascar.com/fifidianana-ny-solontenanny-mpanao-gazety-ho-mpikambana-ceni-kandida-i-rakotonirina-gerard/
Anisanâireo kandida aminâny fifidianana ny solontenanâny mpanao gazety ho mpikambana ao aminâny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI) i Rakotonirina GĂ©rard. Mpanao gazety efa manana traikefa aman-taonany maro taminâny asa fanaovan-gazety. Filohanâny Holafitry ny Mpanao Ga...