Gazety Basy Vava Ofisialy

Gazety Basy Vava Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Gazety Basy Vava Ofisialy, Newspaper, Antsakaviro, Antsakaviro.

Fanatanjahantena Fifa WC 2026Curaçao dia tafakatra amin’ny Coupe du Monde 2026• Tamin’ny volana Novambra 2025, Curaçao d...
20/11/2025

Fanatanjahantena Fifa WC 2026

Curaçao dia tafakatra amin’ny Coupe du Monde 2026
• Tamin’ny volana Novambra 2025, Curaçao dia nanao 0–0 tamin’i Jamaica, ka nahafahana azy nahazo ny toerana voalohany tao amin’ny vondrona niadiana hiditra amin’ny Coupe du Monde.
• Io no andiany voalohany amin’ny tantarany ahafahan’i Curaçao manatrika ny FIFA World Cup.
• Miaraka amin’ny mponina manodidina ny 156 000, Curaçao no firenena kely indrindra (amin’ny isan’ny mponina) tafakatra amin’ny Coupe du Monde.
• Ny mpanazatra tamin’izany fotoana izany dia i Dick Advocaat.

Fanazavana IA nasiampanitsiana

Araho hatrany ny Pejy

‼️Halatra omby tao Antanetikely Atsimondrano👉Tovolahy iray voasambotra, tafaverina ilay omby Nitrangana halatra omby ira...
20/11/2025

‼️Halatra omby tao Antanetikely Atsimondrano
👉Tovolahy iray voasambotra, tafaverina ilay omby

Nitrangana halatra omby iray tao Ampefiloha Antanetikely ny alakamisy 19 novambra teo. Nampandre ny zandary avy hatrany ny tompony ka
nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona izy ireo nihazo an’Ampitatafika.
Teny an-dalana no nisy olona tsara sitrapo nilaza fa nisy lehilahy manao akanjo manga mandroaka omby ao Ambohimangidy.

Nanenjika tany amin’io toerana io avy hatrany ny Zandary avy ao amin’ny tobim- paritra Fenoarivo niaraka tamin’ny tompon’omby. Voasambotra ilay lehilahy, izay monina amin’ilay toerana nahaverezan’ ilay omby ihany. Niaiky ny tenany fa izy no nangalatra sy namoaka ilay omby. Natorony ihany koa ny toerana nametrahany ilay omby.

Naverina soa aman-tsara amin’ny tompony ny omby rehefa voamarina ny taratasiny.

Ny tobim- paritra Fenoarivo no mbola misahana ny famotorana.


20/11/2025

☑️Tontosa androany 20 novambra 2025 tetsy amin'ny minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny CATI (centre d'appui à la technologie et à l'innovation).
Izany no natao dia mba ho porofo amin'ny fandraisana anjaran'ny rafi-panjakana ambony amin'ny fanohanana ny fahitana vao sy ny fampitomboan'ny fifaninanana ho an'ny orinasa madinika sy salatsalany ( PME ).

✅Notanterahina teo ambany fitahian'ny Ministry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina ny lanonana.

Araho hatrany ny Pejy

20/11/2025

Talatamaty
Miato ny nohon'ny fisiana tranga fihetsehana teny amin'ity sekoly ity omaly
Ankizy 20 no tratran'ity tranga ity ka tsy nitony raha tsy tonga ny nanao sy
Mbola hitohy izany fanadiovana izany ka aorian'izay vao hianatra ireo mpianatra

Fanazavana:Rakotondrabe patrick Chef CISCO Ambohidratrimo

Araho hatrany ny Pejy

📌 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗲𝗹𝗹𝗮 𝗧𝗲𝗺𝗽𝗹𝗲, 𝘃𝗼𝗮𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗵𝗼 𝗧𝗮𝗹𝗲 𝗺𝗶𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗿𝘁𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘇𝗮𝗵...
20/11/2025

📌 𝗠𝗶𝗰𝗵𝗲𝗹𝗹𝗮 𝗧𝗲𝗺𝗽𝗹𝗲, 𝘃𝗼𝗮𝘁𝗲𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗵𝗼 𝗧𝗮𝗹𝗲 𝗺𝗶𝘀𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗔𝗿𝘁𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮𝗹𝘆 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗼𝗺𝗮𝗹𝘆, 𝟭𝟵 𝗡𝗼𝘃𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱.

▶️ Manana ny marim-pahaizana doctorante en sciences économique, ary mpampivelona. efa 10 taona no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fikarohana momba ny fampiroboroboana ny toekarena. Ny mémoire voalohany nosoratany, mitondra ny lohateny hoe « Conception et promotion d’un document stratégique pour la valorisation de secteurs clés à forte potentialité économique pour Madagascar », dia nifantoka betsaka tamin’ny asan-tanana sy ny marika VITA MALAGASY.

▶️ Nandray anjara mavitrika tamin’ireo fikambana-behivavy sy tanora maro teto amin’ny Firenena izy, ka nahatonga azy ho anisan’ireo tanora mahavita tena eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana

Sary anio
20/11/2025

Sary anio

20/11/2025

❗AMBOHIBAO ANTEROKA

✅ Tontosa ihany ny lanonana ho fametrahana ny vato fototry ny liseam-panjakana.

➡ Hisaraka mazava tsara ny faritry ny EPP sy ny lisea hoy ireo tomponandraikitra.

🔥Tetsy ankilany dia tsy niala fa nandoro kodiarana teo am-bavahady ireo mpanao fihetsiketsehana.

Araho hatrany ny Pejy

‼️Antetezambaro Toamasina👉Nisy nandoro ny orinasa EMEXAL mpanondrana litchis.Nirehitra  ny orinasa EMEXAL izay mpanondra...
20/11/2025

‼️Antetezambaro Toamasina
👉Nisy nandoro ny orinasa EMEXAL mpanondrana litchis.

Nirehitra ny orinasa EMEXAL izay mpanondrana litchis ao Analamalotra, ao amin’ny kaominina Antetezambaro Toamasina androany maraina. Fandorana niniana natao izy io, raha ny vaovao voaray avy any an- toerana.

Manodidina ny 1 miliara Ariary ny tombam- bidin’ny fahasimbana tamin’io satria dia voalaza fa may daholo ireo entana maro samihafa tao, izay saika hikirakirana letchis.

Misokatra ny fanadihadiana mikasika ity haitrano niniana natao ity ka ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Toamasina no miandraikitra izany.

20/11/2025

Nidoboka am- ponja vonjimaika ireo olona 5 voakasik’ilay fakàna an- keriny karàna tao Antsirabe

20/11/2025

09:10 Ambohibao
Mafana ny fifandonana eo amin'ny mpitokona sy ny avy ao amin'ny Kaominina

🚔 𝗖𝗼𝗿𝗽𝘀 𝗨𝗿𝗯𝗮𝗶𝗻 𝗧𝗮𝗻𝗮-𝗩𝗶𝗹𝗹𝗲 : 𝗝𝗶𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆 𝟮𝟬𝟬 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮Corps Urbain Tana-Ville, tarihin’ny Commissa...
20/11/2025

🚔 𝗖𝗼𝗿𝗽𝘀 𝗨𝗿𝗯𝗮𝗶𝗻 𝗧𝗮𝗻𝗮-𝗩𝗶𝗹𝗹𝗲 : 𝗝𝗶𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆 𝟮𝟬𝟬 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮

Corps Urbain Tana-Ville, tarihin’ny Commissaire de Police 𝗦𝗢𝗥𝗢𝗗𝗔𝗡𝗬 𝗙𝗿𝗶𝘁𝘇 𝗛𝗲𝗿𝗺𝗮𝗻𝗻, Commandant du Corps Urbain (CCU), dia 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝟮𝟬𝟬 ireo jiolahy voasambotra tao anatin’ny herintaona.
Tamin’ity herinandro ity ihany dia 𝟭𝟬 ireo mpanendaka sy mpanao asa ratsy tratra. 🔗🚨

Midika izany fa 𝗺𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗶𝗮𝘁𝗼 tsy mitsitsy, ary vonona hiaro ny filaminana eto an-drenivohitra hatrany ny Polisim-pirenena. 💪👮‍♂️

📞 Afaka miantso 𝗺𝗶𝗮𝗻𝘁𝘀𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻𝘆 Polisim-pirenena ny vahoaka raha misy tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.

20/11/2025

𝐅𝐢𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐛𝐚𝐨 : 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐢𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐨 𝐯𝐨𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚

Mpanao gazety avy amin’ny 𝑹𝒂𝒅𝒊𝒐 𝑭𝒂𝒉𝒂𝒛𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 ny namana 𝑬𝒗𝒂𝒓𝒊𝒔𝒕𝒆, izay voadaroka nandritra ny hetsiky ny mponina teny Ambohibao io maraina io.

Address

Antsakaviro
Antsakaviro
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gazety Basy Vava Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Gazety Basy Vava Ofisialy:

Share

Category