07/05/2025
TSY HOE FAHAIZANA FA FINOANA SY FAHATOKISAN-TENA... WALT DISNEY đ„â
Teraka: 5 Desambra 1901, tany Chicago, Etazonia.
Maty: 15 Desambra 1966.
Tia sary sy angano i Walt. Ary taminâny faha-16 taonany dia lasa mpanao gazety an-tsary sy afisy ho anâny tafika amerikana. Nifindra tany Kansas City izy taty aoriana, ka nanomboka niasa amin'ny studio fanaovana dokam-barotra sy sarimiaina.
Niroso tamin'ny famoronana sary mihetsika (animation) izy, saingy narabirabinâny olona hoe tsy manana inspiration tsara. Nandroaka azy ny gazety niasany fa hoe:
> "Tsy manana aingam-panahy, tsy manana hevitra mihitsy."
---
Laugh-O-Gram: Ny Studio voalohany natsangany saingy naha bankirompitra azy
Taminâny taona 1922, nanangana io studio kely tao Kansas City io izy: Laugh-O-Gram Studio. Nandefa sary mihetsika kely mifototra aminâny angano izy, saingy tsy nahavita nampidi-bola, ka naha bankirompitra azy taminâny 1923.
Taminâio no fotoana nahatonga azy nandray fiaran-dalamby ho any Hollywood miaraka aminâny rahalahiny Roy O. Disney â izay tsisy afa tsy nofinofy sy ilay projet no nohentiny nankany
---
Mickey Mouse: Niatomboka tao anaty fahaverezana ny fahombiazana
Taminâny 1928, very taminâny fomba tsy ara-dalĂ na ny zonâi Oswald the Lucky Rabbit â sary mihetsika noforoniny niaraka taminâny Universal. Izay Nangalarinâny mpiara-miasa taminy sy ireo ankamaroanâny mpanao sary.
Tao anaty fiaran-dalamby no nanoratanâi Walt anâi Mickey Mouse â ho famerenana aminâny laoniny ny fahaverezana.
Ny tantara voalohany nisehoanâi Mickey dia tao aminâny Steamboat Willie (18 Novambra 1928), izay nahasarika avy hatrany satria nisy feo niaraka taminâny sary mihetsika â zava-baovao taminâizany.
---
Disneyland: Hevitra noheverina ho adala (1955)
Taminâny tapaky ny taona 1950, rehefa nahomby taminâny sarimihetsika sy sary mihetsika, nanana nofy lehibe indray i Walt:
> Hanangana toerana velona ho anâny ankizy sy olon-dehibe, misy ny angano, fanatanjahantena, sakafo, mozika â izao rehetra izao miaraka aminâny nofinofy.
Na dia notenenina ho adala aza izy (nilaza ny mpampiasa vola sasany hoe "ho fatiantoka"), nampiasa ny vola azony tamin'ny sarimihetsika sy niangavy mpiara-miombonâantoka, anisanâizany ny ABC Television, mba hanampy vola hanorenana ilay nofiny.
Ka nisokatra ofisialy tamin'ny 17 Jolay 1955 ny Disneyland tao Anaheim, California.
Taminâio andro voalohany io dia nangina tanteraka ny toerana, tapaka ny fitaovana sasany, ary nikorontana ny fidirana. Maro no nihevitra fa tsy haharitra ela ilay toerana.
Fa inona no nitranga?
Nandritra ny taona voalohany dia olona mihoatra ny 3 tapitrisa no nitsidika. Nivadika ho zavatra miavaka sy malaza eran-tany ilay Disneyland â ary nanjary marika manokana aminâny fahasambarana ary ny famoronana.
---
Lesona avy aminâny fiainanâi Walt Disney:
1. Aza matahotra ny ho very
> Very fananana, very mpiara-miasa, norarana â fa mbola tsy nitsahatra nanorina nofinofy i Walt.
2. Mifohaza miaraka amin'ny tanjona
> Tsy ânitady asaâ fotsiny izy, fa nanangana tontolo manontolo ho anâny hafa izay mino ny nofinofiny koa.
3. Tsy mampaninona raha misy mievitra anao ho adala
> Ny zavatra lehibe indrindra aminâny famoronana dia matetika ilay heverina ho tsy mety aminâny voalohany.
4. Velomy ny nofinao aminâny asa atao
> Tsy nofinofy tao an-tsaina fotsiny, fa lasa toerana tsidihanâny olona anâarivony isanâandro.
---
> âIf you can dream it, you can do it.â
â Walt Disney
> âNy fanombohana rehetra dia sarotra. Fa ny fahatokisana no miova ho majika.â
â
> Aza matahotra hanomboka amin'ny zero. Indraindray, ny aotra mihitsy no hananganana ny projet lehibe indrindra.
â ânyFonao
> | Lesona ho anâny mpamorona rehetra
| |