RADIO M.B.S Antsohihy

RADIO M.B.S Antsohihy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from RADIO M.B.S Antsohihy, Radio Station, Haute-Ville, Antsohihy.

🔴ANTSOHIHY: NOMARIHINA ANDROANY NY FAHA 28 TAONA NIORENAN'NY SEKOLY FANILO ANTSOHIHY.    ✨Feno 28 taona androany ny Lycé...
29/04/2022

🔴ANTSOHIHY: NOMARIHINA ANDROANY NY FAHA 28 TAONA NIORENAN'NY SEKOLY FANILO ANTSOHIHY.

✨Feno 28 taona androany ny Lycée Privée FANILO Antsohihy. Nomarihina tamin'ny hetsika maro izany androany. Nambaran'ny Docteur Armel izay lefitry ny talen'ity sekoly ity, fa hihatsara ny fitantanana ary hisy fivoarana ny fanabeazana izay ampanaharana ny toetr'andro.
Notsindriany teto fa ho sekoly fitaratra aty amin'ny faritra Sofia no tanjona, eo amin'ny lafiny rehetra na voka-panadinana, na endriky ny fanabeazana.... sns.

✨Nampiarahana teto ihiany koa ny famoahana andiany voalohany amin'ny andiany mitondra anarana hoe: MAMIRATRA, izay nanao fiofana "Informatique spécialisé". Miisa 07 mianadahy izy ireo nitolorana Certificat androany. Nilaza ny tomponandraikitra fa hiampy ny sampampiofanana, tsy tokony hiandry asam-panjakana ireo Ankizy fa mahavelona koa ny fahaizana manokana.

Natrehan'ny Sekretera jeneralin'ny faritra Sofia, lefitry ny Preffer, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ato Sofia, Tale misahana ny Technique izay natao tao amin'ny Tranom-pokonolo Antsohihy.


📸Sary fanehoana📸

🔴SAMBAVA:MPIVADY NIOTY VANILLE TSY MATOY, NIDOBOKA AMPONJA VONJIMAIKA😳     ✨Natolotra ny fitsarana ambaratonga voaloany ...
29/04/2022

🔴SAMBAVA:MPIVADY NIOTY VANILLE TSY MATOY, NIDOBOKA AMPONJA VONJIMAIKA😳

✨Natolotra ny fitsarana ambaratonga voaloany tany Antalaha ny 27 Aprily 2022 ireto mpivady izay nahatratrarana lavanila tsy matoy milanja 56kg izay nihotazana mialohan ny fotoana izay tokony hisokafan'ny tsena rahateo.

✨Loharanom-baovao avy tamin'ny tsara sitrapo voarain'ny polisim-pirenena no nahafahana nanao fitsiriana ny 26 Aprily 2022 ka tratra teo am-panapazana ireto vokatra ireto izy mivady (46taona ny lahy ary 39 taona ny renim-pianakaviana) izay monina ao Ambariombiambana Kaominina ambonivohitra Sambava .

✨Dia samy niaiky ny heloka vitany izy mivady ka samy nidiboka am-ponja vonjy maika miandry ny fotoam-pitsarana.

Src: Marino Rajaonina

🔴ANY IVELANY.      ✳Raha nanao valan-dresaka ny filoha Rosiana🇷🇺 Vladimir Poutine volana vitsy lasa teo, fa tsy maintsy ...
29/04/2022

🔴ANY IVELANY.

✳Raha nanao valan-dresaka ny filoha Rosiana🇷🇺 Vladimir Poutine volana vitsy lasa teo, fa tsy maintsy vola roubles ihany no azo ampiasaina ao an-toerana. Ka efa nanokatra kaonty @ vola rosiana🇷🇺 ny firenena italiana🇮🇹. Nilaza izy ireo fa tsy misangy i rosiana🇷🇺 taorian'ny fanambarana fa tsy maintsy @ vola roubles no fandoavana ny vidin'ny Gaz. Marihina fa notapahan'ny orinasam-panjakana rosiana🇷🇺 Gazprom ny Gaz mankao Bulgarie🇧🇬 sy Pologne🇮🇩 ka sahirana @ "chauffage" sy ny fandrahoana sakafo ny vahoaka, sady vanim-potoana ririnina rahateo.

Src:Ariary News

🔴MADAGASCAR: NIVERINA MPANAZATRA BAREA INDRAY I DUPUIS👏     ⚡Nanao fanambarana ofisialy androany ny federasiona Malagasi...
29/04/2022

🔴MADAGASCAR: NIVERINA MPANAZATRA BAREA INDRAY I DUPUIS👏


⚡Nanao fanambarana ofisialy androany ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra; ka voatendry ho mpanazatra ny Barea ny Madagasikara I Nicolas Dupuis amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2023.
Voatendry ho tale teknika nasionaly kosa i Rado Rasoanaivo.

🔴TRANGA ETO MAGASCAR.         Nidoboka am-ponja vonjimaika ny Dokotera iray nanao fihetsika saika hanao fanararaotana ar...
29/04/2022

🔴TRANGA ETO MAGASCAR.

Nidoboka am-ponja vonjimaika ny Dokotera iray nanao fihetsika saika hanao fanararaotana ara-nofo tamina vehivavy notsaboiny ho takalon'ny fitsaboana omena azy. Narary ilay vehivavy ary nandeha nanantona azy ary teo no saika hanararaotany, nitory ity farany nahafahana nanao ny fisamborana sy fanadihadiana.

Src: Polisim-pirenena

⚫BANGA IRAY IREO MPANDIHY ATO SOFIA 😢    ◾ Nodimandry ny haligny Robia 00h 30 kiaka kamisy niany faha 28 avril topokolah...
28/04/2022

⚫BANGA IRAY IREO MPANDIHY ATO SOFIA 😢

◾ Nodimandry ny haligny Robia 00h 30 kiaka kamisy niany faha 28 avril topokolahy RABEMANANTENA Kenny Guy William raha nivahiny teto antany 26 taona. Ny asany dia mpandihy(danseur) ary nandalo tamin'ny Tarika maro toy : RALEDEY,Viavy YDAH,NICO, ary tao amin'ny tarika DIN ROTSAKA niasany farany zao nindaozim-pahafatesana izao.

◾Ny razagna dia iaretantory Ambalakida amboniny bureau JIRAMA eto Antsohihy. Avy agny Tavenigny (Antsakabary) no fiaviany.
Misona arak'izany ny tontolon'ny zava-Kanto ato Sofia.

Ny ekipan'ny Radio M.B.S Antsohihy dia mirary fiononana hoan'ny fianakaviana.

🛑TOAMASINA: VOASAMBOTRY NY POLICE IREO OLONA MPISOLOKY ,MAKA VOLA AMIN'NY ANARANA MINISTERA. 😳     ⚡Mitety orinasa ao To...
28/04/2022

🛑TOAMASINA: VOASAMBOTRY NY POLICE IREO OLONA MPISOLOKY ,MAKA VOLA AMIN'NY ANARANA MINISTERA. 😳

⚡Mitety orinasa ao Toamasina izy roa vavy ireto ary maka vola, milaza fa misy hetsika sosialy atao eo anivon'ny INTRA (Institut National de Travail) izay rafitra iray eo anivon'ny Ministeran'ny Asa sy Fampananan'asa ary Lalana sosialy.

⚡Vola mitetina 60.000ar hatramin'ny 300.000ar no alain'izy ireo amin'ireo orinasa amin'ny alalana famarotana tapakila. Mitohy ny fandihadiana.

Src: Mamy Gotso Officiel

🔴FORT-DAUPHIN: HENJANA NY RAHARAHA.    ✳Mpiasa 700 ao amin'ny Orinasa QMM Fort-Dauphin no tsy afaka namonjy ny toeram-po...
28/04/2022

🔴FORT-DAUPHIN: HENJANA NY RAHARAHA.

✳Mpiasa 700 ao amin'ny Orinasa QMM Fort-Dauphin no tsy afaka namonjy ny toeram-ponenany nandritry ny 2 andro izay, noho ny sakana ataon'ireo mponina any an-toerana. Nilaza moa ireto farany fa simba ny fiveloman'izy ireo noho ny rano maloto arian'ity orinasa ity ao ANDRAKARAKA sy LANIRANO.

✳ An-kilany kosa dia nilaza ny orinasa fa efa misy fanadihadiana sy voamarina fa tsy mahakasika mponina ilay rano very.

🔴MADAGASCAR: ANDRO TSY FIASANA FA ANDRAISAN-KARAMA!        Ho fankalazana ny  Aïd el-Fitr  2022 dia natao andro tsy hias...
28/04/2022

🔴MADAGASCAR: ANDRO TSY FIASANA FA ANDRAISAN-KARAMA!



Ho fankalazana ny Aïd el-Fitr 2022 dia natao andro tsy hiasana nefa andraisan-karama ny Alatsinainy 02 May 2022 eto Madagascar 🇲🇬

✳FANDAHARANA   Sur la Radio MBS, Alarobia 27 Avril à 19h 15"Vahiny:  🎤Azo atao miresaka aminy:032 04 013 08033 06 906 36...
27/04/2022

✳FANDAHARANA Sur la Radio MBS, Alarobia 27 Avril à 19h 15"

Vahiny: 🎤

Azo atao miresaka aminy:
032 04 013 08
033 06 906 36
034 70 211 02

🎧 Bonne écoute jiaby 🎧

🔴📃FILAZANA AVY AMIN'NY JIRAMA ANTSOHIHY📃     Ny Orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JI.RA.MA) eto Antsohihy dia mampandre ny ...
27/04/2022

🔴📃FILAZANA AVY AMIN'NY JIRAMA ANTSOHIHY📃

Ny Orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JI.RA.MA) eto Antsohihy dia mampandre ny mpanjifa hajaina fa nohon'ny fanamboarana atao eo amin'ny tambazotra dia ho tapaka ny Jiro amin'ny faritra Haute Ville iray manontolo.

Ny fahatapahana dia Alakamisy 28 Aprily 2022, miantomboka amin'ny 06 ora maraina hatramin'ny 09 ora maraina.

Ny Jiro dia mety hiverina alohan'ny fotoana voatondro, ka aoka isika rehetra hihevitra izany hoy toy ny tqy tapaka ary mialatsigny amin'ny fanelingelenana aterak'izany.



Hoy Le Chef Groupement.

🔴Révu de presse  27 Avril 2022 📄
27/04/2022

🔴Révu de presse 27 Avril 2022 📄

🔴UEFA CHAMPIONS LEAGUE🏆VOKA-DALAO ALINAManchester City 4 vs Real Madrid 3Marihina fa mbola misy ny lalao miverina izay h...
27/04/2022

🔴UEFA CHAMPIONS LEAGUE🏆

VOKA-DALAO ALINA

Manchester City 4 vs Real Madrid 3

Marihina fa mbola misy ny lalao miverina izay hatao any Madrid. Nahazo tombony tanteraka ny klioba Real Madrid satria nahatafiditra baolina 3 tao anjaridainan'ny klioba Manchester City.

Teny na anarana fampiasa nefa tsy hainao alavaina...... Reo zao ohatra.....
26/04/2022

Teny na anarana fampiasa nefa tsy hainao alavaina......
Reo zao ohatra.....

🔴Révu de presse  25 Avril 2022 📄
25/04/2022

🔴Révu de presse 25 Avril 2022 📄

25/04/2022

💠25 Avril:
-Journée mondiale du Paludisme.
-Journée mondiale pour la sauvegarde du lien parental.

FIADANANA VE NY MANAM-BOLA SA ASALOHA LAVA  ???????
22/04/2022

FIADANANA VE NY MANAM-BOLA SA ASALOHA LAVA ???????

🔴Révu de presse  21 Avril 2022 📄
21/04/2022

🔴Révu de presse 21 Avril 2022 📄

Address

Haute-Ville
Antsohihy
407

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO M.B.S Antsohihy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category