Antsohihy Nihinay

Antsohihy Nihinay PRESS SOFIA : 0379102966

🛑Fifamoivoizana: Hikatona vonjimaika ny RN4 ao Berivotra🔻Hikatona vonjimaika ny fifamoivoizana amin’ny RN4, eo amin’ny B...
25/08/2026

🛑Fifamoivoizana: Hikatona vonjimaika ny RN4 ao Berivotra

🔻Hikatona vonjimaika ny fifamoivoizana amin’ny RN4, eo amin’ny Berivotra, Distrikan’i Marovoay, noho ny fametrahana tetezana metaly « Bailey ».

👉Manomboka ny Alahady 30 Aogositra 2026 amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny Alatsinainy 31 Aogositra amin’ny 7 ora hariva izany fahatapahan-dalana izany.

🔻Tsy hisy lalana hafa azo aleha mandritra ny asa. Miantso ireo mpampiasa lalana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy mba hanaraka ny toromarika eny an-toerana.

🟢Vita sonia ny fifanekem-piaraha-miasa hametrahana ny Sampan’ny Imprimerie Nationale eto Sofia 🤝🏽👉 Notanterahina teto An...
25/08/2026

🟢Vita sonia ny fifanekem-piaraha-miasa hametrahana ny Sampan’ny Imprimerie Nationale eto Sofia 🤝🏽

👉 Notanterahina teto Antsohihy, Renivohitry ny Faritra Sofia, androany 24 Aogositra, ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Faritra Sofia sy ny Imprimerie Nationale, mikasika ny fametrahana ny Point Focal-n’ny Imprimerie Nationale eto anivon’ny Faritra Sofia.

🤝🏽 Nanao sonia izany fifanekena izany, ny Lehiben’ny Faritra Sofia, DJAOSERA Irénée, sy ny Talen’ny Imprimerie Nationale, NINA Ernestine César, notronin' ireo tompon'andraikim-panjakana notarihin'ny Prefen’Antsohihy, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ary ireo Ben’ny Tanàna sy TC manerana ny Faritra Sofia.

🫱🏼Finiavana sy fahavononan’ny Lehiben’ny Faritra Sofia hametraka fanavaozana sy ny ezaky ny Faritra Sofia madiodio no tamin'ny alalan'ny fanomezana ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana ny Point Focal-n’ny Imprimerie Nationale no nahafahana nametraka ity tolotra ity eto an-toerana. Tanjona amin’izany ny hanakaiky ny tolotra ho an’ireo Kaominina sy hanamora ny fahazoana ireo taratasy sy antontan-taratasy ofisialy ilaina amin’ny fampandrosoana eny ifotony.

✅ Efa eo am-panomanana ny fampandehanana tanteraka izany ny tompon’andraikitra, ka ao anatin’ny roa herinandro eo ho eo dia afaka jifaina ao amin'ny Point Focal-n'ny Imprimerie Nationale ao amin'ny Service Régional du Budget ( SRB ) eto Antsohihy, ireo valeur fiduciaire ilain’ny Kaominina, ka hampihena ny fahasahiranana sy ny fandaniana ateraky ny fandehanana lavitra.
Hisy rahateo ny fanangonan-kevitra miaraka amin’ireo Ben’ny Tanàna, rahampitso mba hahafantarana sy handraisana an-tanana mivantana ny filàn’ireo Kaominina ary hahafahana manatsara hatrany ny tolotra omena azy ireo.

“Fanjakana mamaha olana, Vahoaka mandray andraikitra.

24 Aogositra _2026

24/08/2026

🛑FFM – Fanilon’ny Fanavaozana an’i Madagasikara

👉Voatsangana androany ny Cordeaux Régional FFM eto amin’ny Faritra Sofia,Andriamatoa

🔻 ho fanamafisana ny ezaka ho amin’ny fanavaozana an’i Madagasikara


🌙Fifidianana ny Komitin’ny Dina🛑Notanterahina androany tao amin’ny Fokontany Ambalabe Ouest II ny fifidianana ireo mpika...
23/08/2026

🌙Fifidianana ny Komitin’ny Dina

🛑Notanterahina androany tao amin’ny Fokontany Ambalabe Ouest II ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Dina.

🛑 Voafidy tamin’izany ireo mpikambana hisahana ny fampiharana sy fanajana ny Dina, ary handray anjara amin’ny fitandroana ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny firaisankina eo anivon’ny fokontany.

😭Efa tonga aty Antanindrazana  Amboroho Ouest Commune Ampandriakilandy ny vatamangatsiakan’ny tompokolahy MANAMBINA.🕊️ R...
11/08/2026

😭Efa tonga aty Antanindrazana Amboroho Ouest Commune Ampandriakilandy ny vatamangatsiakan’ny tompokolahy MANAMBINA.

🕊️ Rahampitso, Alarobia 12 Aogositra 2026, no hanatanterahana ny fandevenana.

🕊️

🕊️ FIARETANA-TORY SY FAMANGIANA🕊️Efa tonga eto amin’ny Maison des Élus ny nofo mangatsiakan’ny Ex-Chef de Région Manambi...
10/08/2026

🕊️ FIARETANA-TORY SY FAMANGIANA

🕊️Efa tonga eto amin’ny Maison des Élus ny nofo mangatsiakan’ny Ex-Chef de Région Manambina.

🕊️Mbola mitohy anio hariva ny fiareta-tory,ao amin’ny Maison des Élus na ao amin’ny Biraon’ny Faritra Sofia.

Mbola misokatra ihany koa ny famangiana ho an’ireo rehetra maniry hanolotra ny haja farany.

😥 Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaizan’ny nodimandry.
🕊️ Mandria am-piadanana.

@

10/08/2026

Vocal tô, ndrô reninao sorany ts'itanao 😂🔥............. anareo manohy anazy 💥

Festival SĂ´marĂ´ho Nosy-Be

08/08/2026

Address

Antsohihy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antsohihy Nihinay posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category