Radio SOAFY 103fm

Radio SOAFY 103fm Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Radio SOAFY 103fm, Radio Station, Rn6, Antsohihy.

πŸ“‘ ANTSOHIHY: SPRINTER IRAY NITRONGISIN'NY CAMION EO AMIN'NY FIDINANA CROISEMENT BEFANDRIAGNA MARAINA TEO😱   ✨ Tapaka his...
05/04/2024

πŸ“‘ ANTSOHIHY: SPRINTER IRAY NITRONGISIN'NY CAMION EO AMIN'NY FIDINANA CROISEMENT BEFANDRIAGNA MARAINA TEO😱

✨ Tapaka hisatra eo amin'ny fidinana Croisement BEFANDRIANA ity Camion ity, ilay Sprinter mijanona eo amin'ny Zandary manao fisavana no nitrongisina😳

Tsy misy aloha AINA nafoy fa potika vodin'ilay Sprinter

Radio Soafy SOFIA

πŸ“  LALANA MAMPITOHY ANTSOHIHY - BEALANANA  ✨ Amin'izao asara izao efa 4x4 ihiany na Camion matanjaka no hafaka mandeha a...
25/01/2024

πŸ“ LALANA MAMPITOHY ANTSOHIHY - BEALANANA

✨ Amin'izao asara izao efa 4x4 ihiany na Camion matanjaka no hafaka mandeha amin'ny lalana mampitohy Antsohihy sy Bealanana 😳

Radio Soafy SOFIA

06/10/2023

βœ… ANTSOHIHY
Mitady Tragno 3 Chambres, misy jiro s'y Rano ary do**he & WC
- (032 35 992 21) na M.P

πŸ“‘ 𝗝𝗒𝗨π—₯π—‘π—˜π—˜ π——π—˜π—¦ π— π—˜π——π—”π—œπ—Ÿπ—Ÿπ—˜π—¦: NITOLORANA IZANY IREO ATLETA NANANDATRA LAZAN'NY MADAGASCAR.      ✨Nomen'ny Filoham-pirenena An...
07/05/2023

πŸ“‘ 𝗝𝗒𝗨π—₯π—‘π—˜π—˜ π——π—˜π—¦ π— π—˜π——π—”π—œπ—Ÿπ—Ÿπ—˜π—¦: NITOLORANA IZANY IREO ATLETA NANANDATRA LAZAN'NY MADAGASCAR.

✨Nomen'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sehatra manokana ny fanatanjahan-tena androany 7 may 2023 tamin'ny alalan'ny "journΓ©e des mΓ©daillΓ©s" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Notolorana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana ireo atleta namiratra, nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ireo fifaninana teo amin'ny kaontinanta Afrikanina sy iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2019. Anisan’izany ny taranja tsipy kanetibe, ny karate, ny tennis, ny rugby vehivavy, ny athlΓ©tisme, ny taekwondo, ny lutte sy ny judo.

✨Ny fandresena izay azonareo hoy ny Filoha dia fandresena ho an'i Madagasikara ary mamelona sy mampiredareda ny afon'ny hambompom-pirenena ao anatin’ny Malagasy tsirairay. Mitohy hatrany hoy izy ny fanohanana ny fanatanjahan-tena Malagasy ary mariky izany ny nananganana ireo kianja miisa 30 manerana ny Nosy sy ireo gymnase miisa 18 izay efa vita sy an-dalam-pahavitana ankehitriny.

✨Mikasika ny lalaon'ny Nosy andiany faha 11 dia nambaran’ny Filoham-pirenena androany ihany koa fa ny foto-kevitra hijoroana amin'izany dia ny hoe "Fandresena ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fahasamihafana" (la victoire dans l'unitΓ© et la diversitΓ©). "Asehontsika manerana ny oseana indiana ny firaisan-kina, ny firaisampo, ny firaisan-tsaina. Raha vao ny fanevam-pirenena, raha vao ny voninahi-pirenena no resahana dia tokony fo mitempo iray ny malagasy rehetra." hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Radio Soafy SOFIA

πŸ“‘ ANTSOHIHY: MIRONGATRA NY VAKY TRAGNO SY FANGARONAM-PAOSY ENY BAZARY.    ✨ Ankaiky ny fetin'ny pasika , tranga mateti-m...
05/04/2023

πŸ“‘ ANTSOHIHY: MIRONGATRA NY VAKY TRAGNO SY FANGARONAM-PAOSY ENY BAZARY.

✨ Ankaiky ny fetin'ny pasika , tranga mateti-miverina rehefa toy izao ny hala-boty sy fandravana eny amin'ny toerana voria vahoaka.
Omaly alina dia nisy namaky ny toeram-piasan' i Rico , izay fantatry ny maro amin'ny fanamboarana TΓ©lΓ©phone sy Ordinateurs; eo ambanin'ny Pompe Rafia.
Tamin' ity herinandro ity no fantatra fa olona tsy latsaky ny 03 no lasibatry ny karo-paosy teny Bazary, ka lasa vola sy finday.

πŸ”Ί Efa manao asany ny mpitandro filaminana , izay manao patrouille mitety TanΓ na ka mangataka ny hanatombona ny isan'izy ireo ny vahoaka.

✨Ankaiky tokoa ny fety ee
Samia mitandrina ny tsirairay fa mizaha izay harapany ireo mpanao ratsy.

Radio Soafy SOFIA

πŸ“‘  MANOHANA HATRANY NY FANJAKANA HANAVOTANA NY FAHANTRANA NY MINISITERAN'NY MPONINA , TENY NAMBARA TAMIN'NY FANKALAZANA ...
30/03/2023

πŸ“‘ MANOHANA HATRANY NY FANJAKANA HANAVOTANA NY FAHANTRANA NY MINISITERAN'NY MPONINA , TENY NAMBARA TAMIN'NY FANKALAZANA 29 MARS.

πŸ”ƒTolom-panafahana, firaisan-kina ho an'ny fitiavan-Tanindrazana.

✨Mijoro ary mandray ny ilo miampita ny mpitondra ankehitriny ka miasa miaraka hanatrarana ny veliranon'ny Filoham-pirenena. Ny Ministeran'ny Mponina izay tarihan-dRamatoa Soafilira Princia sy ny Tale Kebinetra Andriamatoa Yan Wilfried Ramananirina dia milofo sy miasa mafy ho amin'izany ary mijoro ara-politika manohana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny heriny rehetra entina manafaka ny Malagasy anatin'ny fahantrana.

Radio Soafy SOFIA

πŸ“‘ π—™π—œπ—§π—¦π—œπ——π—œπ—›π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 𝗧π—₯π—”π—‘π—’π— π—•π—”π—žπ—’π—žπ—¬ 𝗑𝗬 𝗭𝗔𝗑𝗗𝗔π—₯π—œπ— π—”π—₯π—œπ—”π— -π—£π—œπ—₯π—˜π—‘π—˜π—‘π—” 𝗧𝗔𝗒 𝗠𝗒π—₯π—”π— π—”π—‘π—šπ—”    ✨Nandritra ny fanamarihana ny tolom-panafahana ...
29/03/2023

πŸ“‘ π—™π—œπ—§π—¦π—œπ——π—œπ—›π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 𝗧π—₯π—”π—‘π—’π— π—•π—”π—žπ—’π—žπ—¬ 𝗑𝗬 𝗭𝗔𝗑𝗗𝗔π—₯π—œπ— π—”π—₯π—œπ—”π— -π—£π—œπ—₯π—˜π—‘π—˜π—‘π—” 𝗧𝗔𝗒 𝗠𝗒π—₯π—”π— π—”π—‘π—šπ—”

✨Nandritra ny fanamarihana ny tolom-panafahana tamin'ny 29 martsa 1947 tao Moramanga dia nitsidika ny tranombakoky ny Zandarimariam-pirenena ao an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

✨Niorina tamin'ny taona 1963 ary notokanana ny 3 martsa 1967 ity tranombakoka ity ary mirakitra ireo vakoka sy ireo pejin'ny tantaran'ny firenena Malagasy sy ny Tafika amin'ny ankapobeny hatramin’ny vanim-potoanan’ny faha mpanjaka.
Naorina teo amin’ity toerana ity moa ity tranombakoka ity noho i Moramanga anisan'ny ivon'ny tolom-panafahana tamin'ny 1947 ary tao Moramanga ihany koa no nisy ny sekoly fampiofanana zandary voalohany teto Madagasikara.

Radio Soafy SOFIA

πŸ“‘ ANTSOHIHY: IRAY TSY MIVAKY NY MPANAKANTO , VITA TAMIN'NY ASABOTSY TEO FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA VAOVAO (( F.M....
20/03/2023

πŸ“‘ ANTSOHIHY: IRAY TSY MIVAKY NY MPANAKANTO , VITA TAMIN'NY ASABOTSY TEO FIFAMPIARAHABANA TRATRIN'NY TAONA VAOVAO (( F.M.M.S ))

✨ Mampiray ny zava-kanto , omby iray mideka no nalavon'ireo Fikambanana Mpanakanto Miray ato Sofia ( F.M.M.S) eto Antsohihy, nofonkena mitam-pihavanana tamin'ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao.

"" Tanjona ny hampiray mpiantsehatra amin'ny zava-kanto rehetra, ary miantso ny mpanakanto mbola tsy mikambana mba hiditra fikambanana "" hoy ny Filoha Mpanakanto RALEDEY.

"" Hiezahina hatao isan-taona ny fety toy izao , ary hiezaka hifanampy na eo amin'ny tsara na amin'ny ratsy ny mpanakato hoy lefitry ny filohan'ny fikambanana Mpanakanto Viavy Ydah Ydah Rose .

✨Tonga teto nanome voninahitry ny fety D.D.R faritra Sofia , nifarimbonan' ireo mpitendry sy mpihira ary mpanakanto sy ny vadiaman-janak' izy ireo, tao amin'ny Bar Nancy Ambalakida.

πŸ”ˆSamy faly ny rehetra ka hira nifandimbiasana sy dihy no namaranana ny lanonana.

Radio Soafy SOFIA.

πŸ“‘ ANTSOHIHY: TAGNAMARO 2023 , FANDOKOANA BIRAO FOKONTANY AMBALAKIDA.    ✨Ny fanadiovana ny manodidina sy ny fanavaozana ...
18/03/2023

πŸ“‘ ANTSOHIHY: TAGNAMARO 2023 , FANDOKOANA BIRAO FOKONTANY AMBALAKIDA.

✨Ny fanadiovana ny manodidina sy ny fanavaozana ny biraon ny Fokontany Ambalakida tamin alalan ny fandokoana azy no nentin ireo Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin ny fanjakana teto Antsohihy nanatanterahana ny TAGNAMARO izay notarihin ny Fitaleavam paritry ny Serasera Sofia

πŸ‘Velom pisaorana manoloana izao hetsika fanavaozana ny biraon ny fokontany izao ny lehiben ny Fokontany Ambalakida Atoa RAZAFIMANTSOA Nally.

Src: Antsohihy New
Radio Soafy SOFIA

πŸ“‘ ANTSOHIHY: NOFARANANA OMALY 17 MARS NY TAOM-PITSARANA 2022 ARY NOSOKAFANA KOSA NY TAOM-PITSARANA 2023.     ✨Lanonam-pi...
18/03/2023

πŸ“‘ ANTSOHIHY: NOFARANANA OMALY 17 MARS NY TAOM-PITSARANA 2022 ARY NOSOKAFANA KOSA NY TAOM-PITSARANA 2023.

✨Lanonam-pitsarana manetriketrika no notanterahina omaly Zoma 17 Mars 2023 tao amin'ny Tribunal du Première Instance T.P.I eto Antsohihy izay namaranana ny taom-pitsarana 2022 sy nanokafana ny taom-pitsarana 2023.
Nandritra io fotoana io no nanaovana tatitra ireo asa vita nandritran'ny taona 2022 sy namaritana ampahibe-maso ny ezaka ho tratrarina amin'ity taom-pitsarana 2023 ity.

✨Fantatra omaly fa mitana voalohany ny T.P.I Antsohihy amin'ny fahatratrarana ny tanjona napetraky ny ministeran'ny Fitsarana, raha 70% n'ireo voafonja no tokony ho voatsara dia nahavita 74% mihoatra ny tanjona ny teto amin'ny T.P.I Antsohihy.

πŸ‘Voalohany arak'izany ny eto Antsohihy raha mitaha amin'ny faritra Betsiboka sy Sofia ato amin'ny fari-piadidiam-pitsarana faritan'ny Mahajanga.

✨ Tanjona amin'ity taom-pitsarana 2023 ity ny fanatsarana ny tontolon'ny fitsarana eto amin'ny T.P.I Antsohihy:
1- Fanafoanana ireo mpijirika milaza ho mahavita raharaha ao amin'ny fitsarana ( Rabatteur ).
2- NumΓ©risations n'ny tontolon'ny Fitsarana , fametrahana Wiffi sy CamΓ©ra de surveillance.
3- Fanaovana varavarana misokatra na Porte ouverte ho fampahafantarana ny asa sy olan'ny fitsarana ho fantam-bahoaka.

Radio Soafy SOFIA.

Address

Rn6
Antsohihy
407

Telephone

+261349734953

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio SOAFY 103fm posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category