Journal de Mamazily

Journal de Mamazily Takelaka fitantarana fiainana ity. Fiainan'i Mamazily, 40 ans et plus si affinité.

16/10/2025

💔Mivaraontsana aho maheno ny zanako vavy mitantara fa misy namany nandefa "n**e" tamin'ny sipany dia naparitak'ilay zazalahy rehefa nisaraka. Isan'ny teboka iray tena nananarako ny zanako io resaka n**e n**e io. Hoe aza mandefa an'izany na ho an'iza na ho an'iza. Ilay zanako lahy koa nampianariko hoe aza mangataka an'izany amin'ny zanak'olona fa tsy fanajana azy izany.
🫵Fa matetika dia victimes ny vavy kely e. Mora ny miteny hoe ny vehivavy no tokony mitandrina. Na resaka n**e io, na resaka firaisana ara-nofo, na viol, na fampirafesana dia ny vehivavy foana no omena tsiny sy latsaina.
👀Samy olon-dehibe isika no eto. Tamin'izay relations efa niainantsika, ny vehivavy ve no miteny hoe alefao amiko ny sarinao miboridana? Ny vehivavy ve no misisika sy mandresy lahatra hoe ndao isika hanao moa stp si tu m'aimes tu m'offres ta virginité ? Ny vehivavy ve no misisika mikitika vody sy nono rehefa tsy misy mahita? Eny e, mikitika vody sy bobota angamba?
➡️Tsy miteny aho hoe anjely ny vehivavy fa hitako tsy mety raha ny vehivavy irery no hanarina mafy (sy latsaina raha misy tsy mety). Tezao koa re ny lehilahy e. Tezao ho olom-banona sy responsable ny zanaka lahy.
🙂Izay fa ohatrany lasa lavitra be ny resaka.
📌Ho tahian'Andriamanitra anie ny zanatsika. Ho arovany amin'ny ratsy rehetra 🙏

16/10/2025

Coucou les amis. Lasa masiaka be ny olona raha vao misy mizara ahiahy mahakasika an'izao rafitra vaovao izao. Niala tamin'ny tahotra gagazo ve dia miditra amin'ny tahotra tambabe ? Tsy normal ve ny ahiahy rehefa mahita zavatra maha sanganehana? Ndao hifampihaino fa samy te hampandroso an'i Madagasikara anie e.

15/10/2025

Zà wa zany miala aty an-trano tena mba hitako hoe ça va ilay voloko. Jerena impolo kely...ça va. Dia lasa mivoaka. Eny an-dalana eny sendra mijery fitaratra amin'ny fiaran'olona dia gaga hoe izao kay izy ao moa? Dia fatorana. Fa tena sady tapaka ny tsinaiko no menatra be aho tonga aty an-trano mahita vidéo an'i Nally Abdallah dia ny tao an-tsaiko voalohany hoe ohatran'io mihitsy ilay voloko teny an-dalana😅😅😅Tsompo oh

15/10/2025

Coucou les amis,
Ho tahian'Andriamanitra anie Madagasikara sy ny Malagasy, mba ho fiovàna tsara tokoa no tohin'izao rehetra izao.
Soàva ny tontolo andronao.

13/10/2025

Resin'ny torimaso teo dia eto am-pamenoana rano vao maheno vaovao e. Manao télétravail zany zao izy🤭Ity vao tena mbola tsy nisy tanatin'ny 60 taona😁

13/10/2025

Ny 16 taona aza moa vita ihany e. Andrasana ny fanambaràny...saingy tsy haiko andrasana aiza tsara moa zany ilay izy?

13/10/2025

Coucou les amis,
Miroroa be ny saina manoloana ny raharaham-pirenena. Misafotofoto be mihitsy. Hiala kely ny Facebook angamba fa tsy mety amin'ny fahasalaman'ny saina ilay flots d'informations tsy fantatra hoe inona no marina, inona no diso. Nefa tsy hanaraka vaovao ve moa izany? Tena ilaina ilay vaovao anefa. Tsy haiko intsony e.
Mirary ny fitahiana sy ny fahasoavan'ny Tompo ho amintsika rehetra.
Samia lavitry ny loza.
Soàva ny herinandro.

12/10/2025

23:30 Je termine de nettoyer la cuisine parce qu'à la fin du weekend, elle est toujours dans un état indescriptible. En cadeau, l'eau coule directement du robinet, une véritable bénédiction.
Il est temps de me coucher alors je vais récupérer mon pyjama et mon téléphone parce qu'un petit tour aux toilettes s'impose avant l'ultime do**he qui me rafraichira et m'aidera à trouver facilement le sommeil. Le pyjama sur le barika, devant la porte de la do**he et en passant, je me demande pourquoi l'eau de la grosse cuvette pour les ch****es est trouble. Mais bon, c'est pour les ch****es. Ce n'est pas bien grave. Et puis...en une fraction de seconde, dans un geste que je ne saurais expliquer, je lâche mon téléphone qui, comme la poupée de la petite fille du À toi de parler, fait gloup gloup dans l'eau🤦‍♀️🤦‍♀️🤦‍♀️
Il y a trop de koveta feno rano dans cet endroit. Faute n'ny jirama daholo izao. D'ailleurs, aiza no alaina ny facture hoantsika ety Itaosy? Satria moa zany tsy misy agence tsony ety aloha hatreto.
23:56 toujours pas à la do**he du coup 🤷‍♀️ Mais le téléphone va bien ❤️ Efa nisahotaka tao an-dohako hoe afaka atao anaty vary ve tony sns. Fa nakifikifiko teo dia ça va hatreto.
Tsy haiko mihitsy hoe maninona no ilaozako mitantara an'izany aminareo fa tsy lasa manao do**he dia matory. Tsy mbola hirotoroto angaha rahampitso🤭🤭
Soàva ny alina.

11/10/2025

🇲🇬

Coucou les amis. Rehefa tsy mety mijanona ny tanako raha tsy milamina toy izao ny elo dia tsapako hoe somary "hafahafa" ...
11/10/2025

Coucou les amis. Rehefa tsy mety mijanona ny tanako raha tsy milamina toy izao ny elo dia tsapako hoe somary "hafahafa" aho. Nahamenatra ahy izany taona vitsy lasa. Tena hoe tsy ho publier-ko eto mihitsy izany. Mais le reconnaître, l'assumer et juste l'accepter aide à se rendre compte que ce n'est rien, en fait. It's really not a big deal 🤷‍♀️ Si toi aussi tu es différent, ce n'est rien de grave. Tu ajoutes juste un peu de peps à l'univers 😉

10/10/2025

Misy bandy roa avy nanao vendredi zoli eto ambany eto dia miady zareo. Somary mifamalimaly zany e. Lasa aho rehefa tsy handeha ialahy ozizy ilay voalohany sady lasa izy. Afaka kelikely namaly ilay faharoa hoe "hoano lety ny tay a". Oadray ozizy ilay voalohany sady niverina izy. "Fa nga mbola henon'ialahy izany", ozizy indray ilay faharoa😅Azafady lesy a. Ndriiii. Mifankatiava rehefa mbola afaka mifankatia e. Tsy haiko fa nampitsiky ahy io. Rehefa misy mampitsiky izao dia mitsiky. Kony an?
Soàva ny faran'ny herinandro na izany aza e

10/10/2025

Izay mba afakafaka amin'ny teny anglisy aloha mandehàna daholo manao doléance ao amin'ny United Nations Human Rights fa toa misy maheno ihany ilay tag eraky ny publications rehetra ireny.

Address

Arivonimamo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Journal de Mamazily posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share