05/11/2025
BEFANDRIANA-AVARATRA: FANADIOVANA NY TOERAM-PAMOKARANDRANO JIRAMA
Efa antaonany maro no nampikaikaiky ny vahoakan'ny Befandriana-Avaratra amin'ny fahalotoany rano fisotro vokari'ny Orinasa JIRAMA.
Nisy ny fivoriana niarahany ireo OMC élargi ny fijerena vahaolana amin'ny izany .Tapaka fa hiroso amin'ny vahaolana vonjimaika dia ny fanadiovana ny toeram-pamokarandrano.
Hita sy tsapa fa tsentsina fako ny captage.
Nanambara moa ny Chef de production d'eaux Atoa MORENO fa isany olana lehibe amin'ny olany rano fisotro vokariny Orinasa JIRAMA eto Befandriana-Avaratra dia noho fahanterany fitaovam-pamokarandrano izay niorina tamin'ny taona 1968 Ary mbola tsary nisy fanamboarana hatramin'izao , eo ihany koa ny tsy fahampiany ireo akora ampiasaina amin'ny rano fisotro.
Nitarika izany moa ny lefitry ny district RABEHAJA Richelson Pazou.
Miandrandra ny fitondram-panjakana mahefa ny mponina aty an-toerana ny mba hisiany vahaolana maharitra amin'ny ity olany rano fisotro vokariny Orinasa JIRAMA ity .