Saory Christian - Député Belo/Tsiribihina

Saory Christian - Député Belo/Tsiribihina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Saory Christian - Député Belo/Tsiribihina, Digital creator, Belo sur Tsiribihina.

🚨AOKA HAZAVA Izaho dia mbola mamerina etoana fa mbola misy note navoakan’ny OMC élargie, izay niarahanay nanao sonia. Ga...
25/10/2025

🚨AOKA HAZAVA

Izaho dia mbola mamerina etoana fa mbola misy note navoakan’ny OMC élargie, izay niarahanay nanao sonia. Gaga aho fa misy milaza zavatra tsy marina, nefa tsy azo atao mihitsy ny manimba ala, ary tsy tompon’andraikitra amin’izany ny TENAKO.

Miangavy antsika rehetra aho mba hiara-hiasa amin’ny fiarovana ny ala, satria io no lovan’ny taranaka ho avy.
🚫 Aza mandray masomboly amin’ny toerana tsy azo anaovana izany, sao ho sahirana amin’ny manaraka.
👉 Andao isika hijery lavitra sy hiaro ny hoavin’ny taranatsika.

TSY HITRAHATRA HITABATABA AHO RAHA MBOLA MITOHY IZAO FAMOTEHANA NY TANANAN'NY BELO/TSIRIBIHINA IZAO.

🚨ANTSO‼️Eto aho dia miantso amin’ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fiarovana ny ala arovana mba handray andraikitr...
23/10/2025

🚨ANTSO‼️

Eto aho dia miantso amin’ireo tompon’andraikitra rehetra amin’ny fiarovana ny ala arovana mba handray andraikitra hentitra sy maika. Efa miverimberina matetika ny anaran’olona ambony mampaniraka hamboly amin’ireo faritra tsy azo anaovana izany, ka fantatray tsara ireo tompon’antoka amin’izao asa ratsy izao.

Izahay dia efa nanao sorona ny ainay tamin’ny fiarovana sy fandroahana ireo mpamaky ala, indrindra tany Masorivo kitian'izy ireo amin'izao. Tsy ekenay velively ny fikasana hanimba ny ala sisa tavela eto Belo/Tsiribihina, toerana efa milamina nefa tady korontaninareo indray.

Raha mbola mitohy izao fanimbana sy fandravana izao, dia ho ampitainay any amin’ireo tompon’andraikitra ambony kokoa izany, mba hisian’ny fepetra hentitra sy sazy amin’ireo olona manitsakitsaka lalàna.

Miantso ny vahoaka izahay mba tsy hanaiky tsindry sy fandrebirebena, fa hijoro amin’ny fiarovana ny ala izay lova sarobidy ho an’ny taranaka.

Tsy miray tsikombakomba amin’ireo mpanao ratsy aho, fa mitaraina sy mitaky fahamarinana amin’ny maha solombavambahoaka ahy.

Sary indrana

Akory iaby eeMisy vaovao Mahakasika ny fambolena ala ao Masoarivo voaraiko vao teo,milaza moa Mr le Maire fa Misy AP ko ...
22/10/2025

Akory iaby ee
Misy vaovao Mahakasika ny fambolena ala ao Masoarivo voaraiko vao teo,milaza moa Mr le Maire fa Misy AP ko ao Mahasoa ,izay marihiko etoana fa tsy naniraka azy aho ,dia Tonga teny ihany koa hono ny tompon'andraikitra avy ao Belo sur Tsiribihina nampamboly andreo aminy faritra moka ka ny 10/100 tsy may dia ireo hono no hiamby ny ala,eto aho dia manasa tanana fa tsy misy idirako io Ary ho an'izay manao an'izay dia tsy hiara hiasa amiko intsony satria mahatsapa aho fa mamono tanindrazana izany ka Mampandre antsika rehetra fa izany ny Zava misy ao aminy District ny Belo sur Tsiribihina izao aminy ora itenenako izao.Ary manao antso avo aminy fanjakana mahefa fa Nisy Arrête régionale niarahana nanapaka nanafoana azy io dia miangavy ny fanjakana mahefa MBA hijery ny ala any aminay aminy izao itenenako izao .

Akory iaby eee !!Tena gaga aho, fa tsy maninona na mitsikera ianareo , fombanjavatra izany. Izaho aloha tsy mbola naka t...
21/10/2025

Akory iaby eee !!

Tena gaga aho, fa tsy maninona na mitsikera ianareo , fombanjavatra izany. Izaho aloha tsy mbola naka tanin’olona, ary tsy mbola nanao fahadisoana tamin’ny vahoaka.

Ny CIAD 2025 tsy nivoaka hono satria lazaina fa mpanohitra aho, nefa misy ihany koa mino fa efa vita daholo. Misy olona maro very tombontsoa amin’io resaka ala ao Belo sur Tsiribihina io satria tsy afaka mividy intsony.

Izaho kosa afa-po amin’ny nataoko satria tsy vola no notadiaviko, fa ny hanasoa an’i Belo izay efa saika ho potika. Raha maty mantsy io Tsiribihy io, dia fantatrareo tsara hoe firy ny olona mivelona amin’io renirano io sy hoatrinona ny vola mihodina ao isan’andro.

Efa vita ny appel d’offre momba ny lalana ao Antampotanana, Belo sur Tsiribihina, fa nisy nisakana indray satria hono dia hahazo 5 mandats aho raha vita io. Toy izany koa ny appel d’offre momba ny rano, efa vonona fa mbola mitovy ihany ny sakana.

Ary misy aza niteny hoe : “Naninona no tsy nikabary ny solombavambahoaka ao Belo sur Tsiribihina ?”
Ny valiny dia hoe mpanohitra hono…

👉 Ny zava-dehibe dia ny marina sy ny asa tsara ho an’ny vahoaka. Tsy vola no tanjona, fa ny fandrosoan’i Belo sy ny fiarovana an’i Tsiribihy. 💪🇲🇬

20/10/2025
📣 FISAORANA SY FANKASITRAHANA 🇲🇬Arahabaina ianao Atoa Filoham-pirenena sy ny fianakavianao, ary koa ianareo efatra mirah...
17/10/2025

📣 FISAORANA SY FANKASITRAHANA 🇲🇬

Arahabaina ianao Atoa Filoham-pirenena sy ny fianakavianao, ary koa ianareo efatra mirahalahy miara-miasa akaiky aminy.

Enganie hanana hery, fahendrena ary faharetana ianareo amin’ny adidy masina iantsorohanareo ho fanovana sy ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

🇲🇬 Ho an’ny Tanindrazana, ho an’ny Malagasy. 💪

🇲🇬 NANDRESY NY TOLONA 💪Matoa aho nanaiky ampahibemaso hiaraka amin’ny vahoaka, dia satria tiako ho tsapan’ny distrika en...
14/10/2025

🇲🇬 NANDRESY NY TOLONA 💪

Matoa aho nanaiky ampahibemaso hiaraka amin’ny vahoaka, dia satria tiako ho tsapan’ny distrika entiko amin’ny maha solombavambahoakany ahy fa mihaino azy aho.

Mitaky fiovana mahery vaika isika ary te hiala amin’ireo tsindry maro samihafa izay nanery antsika hatry ny ela.

🤝 Mino aho fa hisy Madagasikara vaovao manomboka eto!

🇲🇬 FANAMBARANA OFISIALY 🇲🇬Amin’ny maha Solombavambahoaka ny Repoblikan’i Madagasikara ahy dia manambara aho fa tsy hiala...
13/10/2025

🇲🇬 FANAMBARANA OFISIALY 🇲🇬

Amin’ny maha Solombavambahoaka ny Repoblikan’i Madagasikara ahy dia manambara aho fa tsy hiala amin’ny fanapahan-kevitry ny maro an’isa isika.
👉 Raha tapaka fa ho rava ny Antenimierampirenana, dia manaiky aho.

Efa niaina izany isika tamin’ny 2002, 2009, 2018, ary izao 2025 izao.
Vonona aho hiatrika indray ny fifidianana, miaraka amin’ny fahatokisana sy fanajana ny safidin’ny vahoaka.

Ho ela velona Madagasikara! 🇲🇬

Veloma W***y Tohina ny fo Ary vahotra ny lela ,fa nandao anay sahady ianao zanako ,Ary mandria Ampiadanana Ary mankahery...
01/10/2025

Veloma W***y
Tohina ny fo Ary vahotra ny lela ,fa nandao anay sahady ianao zanako ,Ary mandria Ampiadanana Ary mankahery antsika fianakaviana sy ny SEMIPI nitaiza azy🇲🇬😭💔

Nandao antsika ny olo-manga Honorable Jean Jacques Rabenirina. Taitra ny tena raha naheno tampoka ny zava-misy, olona sa...
26/09/2025

Nandao antsika ny olo-manga Honorable Jean Jacques Rabenirina.

Taitra ny tena raha naheno tampoka ny zava-misy, olona sahy ary nahay nametraka ny toerana misy azy izy ary fitaratra ihany koa. Eto ny tenako aminy maha solombavambahoaka ny Belo/ Tsiribihina ahy dia, mankahery ny fianakaviany sy ny vahoakan’i Betioky Atsimo amin’izao fahoriana izao.

Mandria am-piadanana honorable🕊️

Address

Belo Sur Tsiribihina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Saory Christian - Député Belo/Tsiribihina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share