𝓡𝓪𝓭𝓲𝓸 𝓣𝓮́𝓵𝓮́𝓿𝓲𝓼𝓲𝓸𝓷 𝓢𝓲𝓽𝓮𝓷𝔂

  • Home
  • Madagascar
  • Betania
  • 𝓡𝓪𝓭𝓲𝓸 𝓣𝓮́𝓵𝓮́𝓿𝓲𝓼𝓲𝓸𝓷 𝓢𝓲𝓽𝓮𝓷𝔂

𝓡𝓪𝓭𝓲𝓸 𝓣𝓮́𝓵𝓮́𝓿𝓲𝓼𝓲𝓸𝓷 𝓢𝓲𝓽𝓮𝓷𝔂 TONGASOA ! Radio Télévision Siteny 97.8 Fm
Immeuble Siteny ANDABOLY 3e Etage Porte 1

19/09/2025

Fa tsy tsioky koa toa fa fanimba beauté🤣🤣🤣
Serasera Mivantana
97.8Fm
Radio Siteny

Tsy vary io fa bozaka maiky 😂SERASERA MIVANTANA 97.8 FmRadio Siteny
16/09/2025

Tsy vary io fa bozaka maiky 😂

SERASERA MIVANTANA
97.8 Fm
Radio Siteny

Siteny Randrianasoloniako : Tsy hijanona amin’ny teny fotsiny anefa ny fiaraha-miory, fa manolotra fanampiana mitentina ...
16/09/2025

Siteny Randrianasoloniako :

Tsy hijanona amin’ny teny fotsiny anefa ny fiaraha-miory, fa manolotra fanampiana mitentina 30 000 000 fmg izahay, izay homena ho fanampiana mivantana an’ireo fianakaviana very trano sy fananana noho ity voina ity.

Antso avo
• Manentana ny mpiray tanindrazana rehetra hanohana sy hanampy amin’ny endrika rehetra azo atao.
• Mangataka amin’ny fitondrana mba handray andraikitra haingana amin’ny fanampiana sy fanarenana ireo fianakaviana tra-boina.
• Mitaky fepetra hentitra koa izahay amin’ny fiarovana ny mponina amin’ny loza mitranga.

15/09/2025

Fanambarana ny "Cellule de crise " manoloana ny toe-draharaha any Benetsy

14/09/2025

Nanao fanambarana ny fikambanana Mazoto manoloana ny fitifirana ny naman'izy ireo tao Benetsy.

FANOHERANA BASE TOLIARA M𝗮𝘁𝘆 𝘃𝗼𝗮𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 i Benesisy mpikambana iray ao amin'ny Mazoto.Raha ny ...
14/09/2025

FANOHERANA BASE TOLIARA

M𝗮𝘁𝘆 𝘃𝗼𝗮𝘁𝗶𝗳𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 i Benesisy mpikambana iray ao amin'ny Mazoto.

Raha ny vaovao voaray dia nisy ny fifandonana teo amin'ireo fokolona manohitra ny tetikasa Base Toliara sy ny mpitandrony filaminana miaraka amin’ny ireo Voromahery omaly tolakandro tao ampasimagniliky ao Benetsy.vokany voatifitra teo amin’ny lohany i Benesisy ankoatsy ireo olona hafa maratra.

Tsy hanaiky mora izahay fa haterinay ao antranony ben'ny tanana io razana io ary angatahana ny ben'ny tanana hitondra fanazavana ny atony itifirana ny mpiray tanidrazana aminy raha ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Sary nomena

05/09/2025

❗RAHARAHA COMMUNE TSIRANDRAGNE ❗

🔴Olona roa no maty, 6 naratra ary trano manodidina ny 200 no may vokatry ny fanafihana nataon’ny tarika Lahivelo tao amin’ny kaominina Tsirandragne distrika Bekily ny talata 2 Septambra lasa teo.

🔴Nanafika ny mponina tao amin’ ny kaominina Tsirandragne mantsy ireo olona avy amin'ny tarik’i Lahivelo ka nandrava ny entana tamin’ny trano rehetra tao an-toerana.

🔴Raikitra nefa ny fifandonana ka nifanenjehan’ny vatan-dehilahy ireo nanafika izay nitohy hatrany amin'ny toerana fonenan’ireo nanafika ireo.

✅Efa tonga eny an-toerana androany Alakamisy moa ny ny Komandin’ny Kaompanian’ny zandarimarian’Ambovombe sy ny Talen’ny Polisy ao Ambovombe hijery ny raharaha misy.
❗Andrasana noho izany ny tohin'ny raharaha.

05/09/2025

FEDERASIONA MALAGASY SURF

Tsy afaka nanatrika ny fifaninana maneran-tany tamin’ny taranja Surf natao tany Angola ny 15 sy 17 Aogositra lasa teo ireo atleta malagasy tokony nandray anjara tao anatin’io fifaninana io.

Olana avy amin’ny Ministeran’ny Fanatanjahantena no nahatonga azy ireo tsy afaka nanatrika ny fifaninana hoy ny filohan’ny Federasiona Malagasin’ny Surf nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahany.

Efa feno avokoa nefa ny antotan-taratasin’ireo atleta saingy tsy lasa izy ireo noho ny ara-bola tamin’ny saran-dalana ho an’ny fiaramanidina hoy hatrany ny filohan’ny federasion’ny SURF.

🔴KAOMININA TANAMBAO TSIRANDRANY🔴 ‼️Raikitra ny fifampitifirana eo amin'ny samy vahoaka amin'izao fotoana izao ao Tanamba...
30/08/2025

🔴KAOMININA TANAMBAO TSIRANDRANY🔴

‼️Raikitra ny fifampitifirana eo amin'ny samy vahoaka amin'izao fotoana izao ao Tanambao Tsirandrany distrikan’i Bekily.

‼️Maty nisy nitifitra omaly alina ny lehibe mpitarika (Antoko IRMAR) ny tsy fankasitrahana ny fahalanian’ny ben'ny tanana Jean Daniel Dit Manjosoa (Antoko AVI ) ka mahatonga ny korontana any raha ny vaovao azo.

‼️Tao amin'io kaominina io moa no nahafantesan'ny ben'ny tanana amperin'asa volana vitsy, izay zanaky Jean Daniel ihany ary vao 5 andro lasa no avy nandevina ny zandriny ihany koa izy izay ben'ny tanana ny kaominina Ambatosola distrika Bekily ihany .

29/08/2025

SERASERA MIVANTANA
97.8 FM
RADIO SITENY

Tournoi du capricorne 2025Judoka miisa 456 avy amina ligy 7 eto Madagasikara no handray anjara amin'ny 29ème  tournoi du...
27/08/2025

Tournoi du capricorne 2025

Judoka miisa 456 avy amina ligy 7 eto Madagasikara no handray anjara amin'ny 29ème tournoi du capricorne izay Hotanterahina ao amin'ny Kianja Mitafo Toliara ny 28 -29 Aogositra izao.

Nisy ny fangatahana tsodrano tamin’ireo manam-pahefana eto Toliara izay notarihan’i Maitre Ashik Houssen Mamodaly notronin’ireo judoka ny maraina teo.

26/08/2025

hafaliana ré zao eee😍😍😍Toliara tsy miroro koahy ee

Address

Immeuble Siteny ANDABOLY
Betania
601

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 𝓡𝓪𝓭𝓲𝓸 𝓣𝓮́𝓵𝓮́𝓿𝓲𝓼𝓲𝓸𝓷 𝓢𝓲𝓽𝓮𝓷𝔂 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category