
23/08/2025
๐ฅ Zazavavy kely novonoina tao Soanierana Ivongo ๐ฅ
โ
Zazavavy kely menavava, antsoina hoe Mรฉlance, no hita tao anaty W-C efa tsy nisy aina intsony, omaly zoma 22 Aogositra 2025, tokony taminโny 12 ora atoandro tao aminโny fokontany Andatsadrano, distrikanโi Soanierana Ivongo.
โ
Araka ny loharanom-baovao, tokony taminโny 10 ora maraina no nilaza ny reniny, Kalozafy Leaticia (21 taona), fa nankany aminโny W-C izy ary navelany teo ambony fandriana ilay zaza. Rehefa tafaverina anefa izy dia tsy hita ilay zaza, ka nanomboka ny fitadiavana niaraka taminโny mpitandro filaminana sy ny lehibenโny fokontany. Farany, hita tao anaty W-C ilay zaza.
โ ๏ธ Niaiky ilay reniny fa izy ihany no namono ilay zanany rehefa tonga tany aminโny biraonโny mpitandro filaminana. Hatolotra ny fitsarana ao Fenoarivo Atsinanana ny raharaha.
ยฎ๏ธ Brudo Raseta