23/09/2026
𝗩𝗔𝗩𝗔𝗧𝗘𝗡𝗜𝗡𝗔
𝗙𝗘𝗦𝗧𝗜𝗩𝗔𝗟 𝗝𝗘𝗥𝗜𝗝𝗘𝗥𝗬, 𝗥𝗔𝗜𝗞𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗗𝗜𝗔𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔- 𝟮𝟮
Androany Alarobia 23 Septambra 2026 dia tonga nitsidika sy nampahafantatra ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Maître TODY Arnaud teto amin'ny birao fiasany ny komity mpikarakara ny Festival Jerijery,
ho fanamafisana misimisy kokoa ny fisiany ity hetsika ity amin'ny faha- 28,29,30 Oktobra sy ny 01, 02 Novambra 2026 izao.
▶️ Hiavaka ity andiany faha- 22 ity amin'ny ara-kolontsaina, na ny ara-javakanto sy ny ara-panatanjahantena, izay harahina foara fampahafantarana misimisy kokoa an'i Vavatenina sy ny Faritra Analanjirofo.
▶️ Araky ny filozofia ny mpamoro azy ity dia fotoana ahafahan'ny zanak'ampelezan'i distrikan' i Vavatenina mamangy sy hitodika an- tanindrazana ity hetsika ity.
▶️ Vonona hiara-hientana amin’ny fanomanana ity hetsika lehibe ity, mba hahatonga ny " Festival Jerijery 22 ème Edition" ho fotoana iray hanandratana ny kolontsaina, sy ny fizahantany ary ny maha-izy an’i Vavatenina.
Région Analanjirofo Arnaud Tody