04/08/2026
TETIKASA PMLP-T – SERANAN'I TOAMASINA: ANTOKY NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA
Ny fampandrosoana ara-toekarena dia miorina amin'ny fampiasam-bola stratejika sy fotodrafitrasa manohana ny firoboroboan'ny Firenena.
Ny Tetikasa Sehatra Logistika sy Seranana Marolafy ao Tsarakofafa (PMLP-T), tantanan'ny SPAT, dia hanamafy ny fahafahan'ny Seranan-tsambon'i Toamasina, hampiroborobo ny toekarena ary hanitatra ny fahafaha-mamorona asa ho fampandrosoana maharitra an'i Madagasikara.
Amin'ny maha-mpiara-miombon'antoka amin'ny SPAT azy, ny Oniversite Analanjirofo dia manohana sy mankasitraka ireo tetikasa stratejika toy itony, izay mampifandray ny fotodrafitrasa, ny fanabeazana ambony, ny fikarohana ary ny fanofanana loharanon'olombelona ho tombontsoan'ny Firenena.
Ny Oniversite Analanjirofo: Manofana ny fahaiza-manaon'ny Tanora ankehitriny, miara-manorina ny fampandrosoana rahampitso.
Université d'Analanjirofo Officiel
Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique
SPAT