25/05/2025
📻 “Androany 25 Mey, isika rehetra mankalaza ny Fetin’ny Reny!
Amin’izao fotoana manokana izao, dia manolotra fiarahabana feno fitiavana sy fankasitrahana ho an’ny reny rehetra izahay eto amin’ny Onjam-peo: Radio Soanala
🌷 Ho anareo reny tia sy mitsinjo, reny miezaka tsy an-kijanona, reny mijoro ho andry sy arofanina ho an’ny taranaka – misaotra sy mankatelina izahay.
💬 Reny ô, ianao ilay mitrotro manam-paharetana, mamindra fo, manabe am-pitiavana.
Ianao no mpanjakavavin’ny fianakaviana, vato nasondrotry ny tany!
🙏 Ho ela velona anie ianareo reny, ho feno fahasalamana sy hafaliana.
Ary ho an’ny reny tsy eo intsony: misaotra amin’ny lova navelanareo. Tsy ho adino mandrakizay.”
✨ “Reny no fanilo, reny no angorodao, reny no herim-piainana.