Fianarantsoa Info-Line

Fianarantsoa Info-Line Vaovao eto Fianarantsoa

04/07/2025
"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i ...
14/05/2025

"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i Madagasikara, nefa tsy manana izay ‘reflexe’ izay isika. Mety hoe tsy fanahy iniana nefa mandratra ny hafa
 ka mila tandremana ⚠.
Raha ny resaka fifaninana ahazahoana 200 millions ariary ho an'ny fokontany madio indrindra izao, dia hevitra tena tsara 👍✹. Fa tsy aleo ve :
- Na atao mahenika ireo renivohim-parintany rehetra đŸ™ïžđŸ§č,
- Na asiana fifaninanana isaky ny renivohim-parintany 🏆,
- Na atao mahenika an’i Madagasikara mihitsy fa asiana sokajy

Mankasitraka 🙏 dia Mirary Soa antsika rehetra ! 🌟💚
Rija âœïžđŸ˜Š

08/05/2025

⏰ 18h 08 | La fumĂ©e est blanche
 le 267e Pape est Ă©lu

📌 Le cardinal Farrell a annoncĂ© ce matin avec tristesse la mort du Pape François :  «Avec une immense gratitude pour son...
21/04/2025

📌 Le cardinal Farrell a annoncĂ© ce matin avec tristesse la mort du Pape François : «Avec une immense gratitude pour son exemple de vĂ©ritable disciple du Seigneur JĂ©sus, nous confions l'Ăąme du Pape François Ă  l'amour infiniment misĂ©ricordieux du Dieu trinitaire».

→

https://www.vaticannews.va/fr.html?fbclid=IwZXh0bgNhZW0CMTEAAR6mydWrFvSvLxccyZBb0tOpEGYBXLB-jHo5JqwP06_Oek-W7Vm3e4m6fV5J4A_aem_Ue4RmjhGcXLHOiLIdHpd8Q

Visitez Vatican News pour lire les derniùres infos sur le Pape François, le Saint-Siùge et l'Église dans le monde.

Tantaran'ny tanĂ nan'i Fianarantsoa ( tohiny)   Antananambony Antananambony ankehitriny na Ivonea fahiny no niantombohan'...
19/04/2025

Tantaran'ny tanĂ nan'i Fianarantsoa ( tohiny)
Antananambony
Antananambony ankehitriny na Ivonea fahiny no niantombohan'ny tanĂ nan'i Fianarantsoa. Toerana feno fasana teny taloha dia izay vao nesorina ireo faty teo hanorenana ny tanĂ na. Dingan-tantara telo no efa nandalovan'Antananambony. Ny voalohany dia hatramin'ny taona 1830 niorenan'ny tanĂ na ka hatramin'ny 1867 nahatongavan'ny misionera, dia avy eo hatramin'ny nahatongavan'ny solontenan'ny Fitondranafrantsay tamin'ny taona 1886 ary avy eo ny aty aoriana.
Raha ny voasoratr'ireo mpanoratra tantara zokiny toa an-dry Joseph Ralambo, Rainijoelina , Rainihifina ary Ranaivozanany dia tamin'ny 12 Adizaoza na 1 jona 1830 no nanorenana ny tanĂ na. Rafaralahindrainialy izay komandy avy any Antananarivo no nisafidy ny toerana sy nanome ny anarana. Ataontsika hoe Fianarantsoa ity tanana ity hoy izy satria toerana hianarana ny soa.
Amboavoa no natao anaran'ny eo amin'ny tampony izay antsoina hoe Anatirova na Rova ankehitriny. Teo no nasiana ny lapa nipetrahan'ny goverinora na solombavan'ny mpanjaka.Trano lehibe vita tamin'ny hazo ary voahodidina fefy hazo no teo ambony indrindra. Dia manaraka azy ny tranon'ny manamboninahitra. Izy rehetra ireo dia nihodidinina manda rarivato. Nisy tafondro teo amin'ny vavahady fidirana aty avaratra izay natao hoe Ambatosiahina satria eo no misioka mamory ny miaramila aty ambany.
Efa noravain'ny miaramila kĂŽlĂŽnialy io lapa io fa sekoly fanabezana fototra na Epp Rova no eo ankehitriny. Voalaza moa fa ny karaman'Atoa Lombardo lefitry ny ben'ny tanĂ na voalohany Randria Michel no nomeny hanamboarana azy io. Amin'izao fotoana izao dia voamboatra tsara ny lalan-kely manodidina ny Rova ka tsara itsangatsanganana hitazanana na manodidina. Koa satria toerana nisy Andriana teo Amboavoa dia nambolena hazo amontana izay mbola hita eo. Ny lavaka fitehirizam-bary no tsy eo intsony. ( hitohy)

©Henri Rasamoelina

Nous sommes interpellés par les atteintes aux droits humains fondamentaux
11/04/2025

Nous sommes interpellés par les atteintes aux droits humains fondamentaux

Ambalavao Tsihenimparihy - Ankizy vavy 2 nilentika an-drano, hita tsy misy aina avokoa.Samy mpianatra ao amin'ny EPP Ava...
10/04/2025

Ambalavao Tsihenimparihy - Ankizy vavy 2 nilentika an-drano, hita tsy misy aina avokoa.

Samy mpianatra ao amin'ny EPP Avaramanda izy 2 ireto, nikasa hilalao rano amin'ny dobo eo ambanin'ny Sekoly rehefa rava nianatra, dobo efa natao kariera taloha ka tena lalina dia lalina.

Hanavotra ny namany ny iray dia niara-nilentika nanomboka tamin'ny 4:30 tolakandro.

Tamin'ny 6ora hariva no hita ny iray izay mipetraka ao Vatofotsy, tokony ho 10 taona eo, raha tamin'ny 7:15 hariva kosa no nahitana ny iray mipetraka ao Ambalasoa.

Mankahery indrindra ny fianakavian'izy ireo!

Printsy RATOVONONY (Louis): Andriandahy Tompomenakely Betsileo (Isandra). Taranaka mivantana fahafito avy amin-dRALAMBOV...
09/04/2025

Printsy RATOVONONY (Louis): Andriandahy Tompomenakely Betsileo (Isandra). Taranaka mivantana fahafito avy amin-dRALAMBOVITAONY izay voalazan'ny Tantara fa nanorina ny Fanjakana Betsileon'Isandra tany amin'ny voalohandohan'ny taonjato faha 18 tany ho any (Cf.Monographie des Betsileo). Samy Zafikelin-dRajaokarivony I daholo na Ingahy Ratovonony, na i Rajaokarivony II sy Ramavo izay Mpanjaka roa farany nitondra ny Fanjakan'isandra nikambana tamin'ny Fanjakana Merina.

Rehefa tonga ny Frantsay dia notinendrin'izy ireo ho lefitr'Ingahy Rafanoharana (Governora merina tao Fianarantsoa) ny Printsy Ratovonony, ary rehefa nampiakarina tany Antananarivo indray Rafanoharana dia izy no notendrena ho "Governora mifehy ny Betsileo". Andraikitra izay notazoniny hatramin'ny taona 1908.
Io andraikitra nomena azy io no nahatonga ny mpanoratra vazaha hampitaha azy foana tamin'Ingahy Rasanjy (Gouverneur principal de l'Imerina)". Misy aza moa gazety sasany izay nanome anara-petaka azy mihitsy hoe "Rasanjy Betsileo". Nanakarem-be ingahy Printsy Ratovonony, tsy noho ny maha Governora azy ihany fa amin'ny maha Tompomenakely azy ihany koa, ary tena nametrahan'ny Fanjakana Frantsay fitokisana tokoa tamin'ny andraikitra izay notanany.


©Antipanahy Ramahery

Tamin’ny alahady tolakandro teo ity tranga ity tao Ivoay, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina.Omby miisa 7 no ma...
26/03/2025

Tamin’ny alahady tolakandro teo ity tranga ity tao Ivoay, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina.Omby miisa 7 no maty nilatsaham-potaka (varatra).

Niaraka nialoka teo ambany lavarangana ireo omby ireo satria nisy oram-be tany an-toerana.

Nandritra io ora-mikija io no nilatsaham-baratra ny omby ka maty tsy tra-drano avy. Tsy nisy zavatra hafa simba na ain’olona nafoy tamin’io fotoana io fa ny omby no lasibatra.

HOY PASTEUR CLARIOT FJKM :" Ry mpitondra sy mpitandro filaminana; lahy tokana ny aina fa ny vola fihary. Aoka tsy ho sim...
25/03/2025

HOY PASTEUR CLARIOT FJKM :

" Ry mpitondra sy mpitandro filaminana; lahy tokana ny aina fa ny vola fihary. Aoka tsy ho simbaina noho ny vola ny fihavanana sy fifankatiavana.

Tsy vahaolana ny herisetra, tsy misy tsara mihoatra ny fifampiresahana ihany, ary diniho ny tantaran'ity Nosintsika ity fa efa akaiky ny 29 Martsa. Olona miaro ny taniny ve dia hampiasanareo hery❓❓❓ Aoka samy handinin-tena fa vanim-potoanan'ny karemy isika izao hoan'ny kristianina ary ramadany hoan'ny silamo. "

Address

RN7
Fianarantsoa
500

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fianarantsoa Info-Line posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share