
22/07/2025
Tantaran'ny Fiangonana Katolika Ambatolahimavo (1881–202
Niorina tamin’ny taona 1881 ny Fiangonana Katolika EKAR Ambatolahimavo, Napetraka eo ambany fiarovan'i MD FRANSOA XAVIER, misionera. Tao anatin’ny fiezahan’ny Misionera Katolika hanaparitaka ny finoana kristianina teto amin’ny faritra afovoan’i Madagasikara indrindra aty amin'ny Diosezy Fianarantsoa. Tamin’izany fotoana izany dia tonga teto an-toerana ireo misioneran pretra taty Fianarantsoa, araka ny fandalovan'ny Pretra Marc Finaz, izay nifarimbonan’ny vahoaka sy ny mpitondra fivavahana teto an-toerana nanangana ny fiangonana voalohany, tamin'ny endrika trano hazo sy tafo bozaka. Ary koa tolotanana sy tolotra tany no nomen'ny tsara sitrapo tamin'izany.
Ny fiangonana dia lasa ivon’ny fiainam-pinoana sy fanabeazana, satria miaraka amin'ny fanorenana azy no nanombohana ihany koa nyfampianarana arampinoana KATOLIKA, fampianarana an-tsekoly, ary ny fanofanana ny tanora hanompo amin’ny asa fanompoana masina. Tao koa ireo katesista voalohany, nafana fo tokoa.
Nandritra ity vanim-potoana ity dia nihamafy hatrany ny finoana katolika teto Ambatolahimavo. Nohavaozina tsikelikely ny trano fiangonana, ka tamin'ny taona 1937 dia nanomboka natsangana amin'ny trano biriky ny fiangonana vaovao lehibe kokoa ka 12m ny sakany,28 m ny lavany.
Nahazo Pretra ZEZOITA Vahiny sy Malagasy ihany koa ny fiangonana, taratry ny fandrosoan'ny fiangonana teto an-toerana.
Nanjary foibe fivavahana sy fankalazana fety masina i Ambatolahimavo, indrindra mandritra ny fankalazana lehibe toy ny Paka, Noely, ary ny Fetin’ny Fiangonana, Zoma voalohany.
Maro ireo fiangonana niara-niorina niaraka taminy sy taoriany no nanao renivohitra Fiadidiana sy Distrika tapany Atsimo tato anaty Distrika misionera Alakamisy Ambohimaha. Ohatra: ny EKAR Andranolava, Talata Iboaka, Vohimasina, Sahambavy, sns...
Fiainana ara-pinoana sy asa sosialy (1960–2000)
Taorian’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, dia niha-nivelatra ny andraikitra nentin’ny Fiangonana Katolika Ambatolahimavo teo amin’ny sehatra sosialy. Niorina ny sekoly katolika, ary nanampy tamin’ny fananganana fotodrafitrasa hanasoavana ny fiarahamonina toy ny trano fanofanana sy fandraisana tanora distrika sy fikambanana Masina.
Nandritra izany fotoana izany dia niroborobo ny fikambanan’ny laika: Fikambanan’ny ZMM na MDMK, Fon-dehilahy Katolika, Fikambanan’ny Tanora Katolika,FTMTK sy ny hafa, izay nitondra fanavaozana sy hery ho an’ny asa fanompoana sy fiainam-piangonana.
Vanim-potoana maoderina (2000–2025)
Niroso tamin’ny fanavaozana ny Fiangonana, nanavao ny endrika anatiny sy ivelan’ny fiangonana tamin’ny alalan’ny fanohanana avy amin’ny Kristianina ka nahatsangana Tilikambo sy lakolosy.
Tafiditra ho diosezy rahateo i Fianarantsoa,
Ary voafaritra tao anaty Distrika Katolika Alakamisy Ambohimaha ary natao ho renivohitry ny fiadidiana ahitana fiangonana maro fa ny sisa tena tavela dia: EKAR Antandrokosy, Mahamanina,Vohimasina rehefa nahazo Fiadidiana Andranolava, Talata Iboaka sy EKAR Ranoroahina.
Nandeha ny fotoana ka ny taona 2006 no nifarana ny misionera ZEZOITA ka napetraka teo anatrehan'ny Pretra Diosezianina nitarika ny distrika.
Teo ihany koa ny Fisian'ny Fikambanana SALESIENS DE DON BOSCO Salezianina, nitaiza ny tanora sy nanampy ny Eglizy.
Very ny lakolosy ny Alakamisy 16 avrily 2016 ka mbola tsy hita hatramin'izao.
👉11 Janoary 2017 no nafindra ho Distrika SEVAINA ny fiadidiana ka Mompera Rabenandrasana Victor no Pretra notolorana ny lakle nataon'ny Mompera Jacques Andriambololona.
👉Nitombo ny kristianina ka tsy antonona intsony ny trano fiangonana ka voatery nanankevitra hanitatra aloha, nefa noho ny fahasoavana dia nanangana trano fiangonana vaovao mirefy 46 m ny lavany, 15m ny sakany, 8m ny haavony. Nohadiana ny fototra ny 17 avrily 2018 ka notsofin'i Mgr RABEMAHAFALY Fulgence rano izany.
Noho ny fandalovan'ny rivo-doza sy ny antony hafa dia nirodana ny foto-drafitr'asa ny alakamisy 12 Desambra 2018 na dia efa nitafo aza izany.
Tsy nihemotra ny kristianina fa nanohy ny asa ka tafatsangana indray izany, ary teo hatrany ny salezianina Don Bosco nanampy.
👉Vita ny asa ary notokanana ny Alahady 9 jolay 2023, lamesa notarihin'ny Pere vicaire général diosezy Fianarantsoa.
Amin’izao fotoana izao, ary dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanatanterahana ny litorjia sy ny asa fitoriana eny amin’ny faritra manodidina.
Manana Pretra avy eo amin'ny Distrika sy katekista voaofana tsara ny fiangonana, ary mbola manohy manabe tanora sy mitory ny Evanjely amin’ny fo sy fanahy feno fitiavana kristianina.
Fehiny
Feno145 taona ankehitriny ny Fiangonana Katolika Ambatolahimavo. Manamarika tantara lava feno finoana, fitiavana, asa fanompoana, ary firaisankina amin’ny vahoaka kristianina rehetra. Mitohy hatrany ny fikasana hanitatra ny fanompoam-pivavahana, hanabe sy hanome fanantenana ho an’ny taranaka ho avy. Ka anisan'izany ny Fananganana foto-drafitr'asa toy ny tranon'ny Pretra sy ny tilikambo ary ny la grotte Masina Maria, ao koa ny fitaovana fanamafisam-peo.