REFA 94.6 FM

REFA 94.6 FM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from REFA 94.6 FM, Radio Station, Église Rhema Sel de La Terre Ambonifaidrano, Fianarantsoa.

02/09/2025
26/08/2025

NY FAHAFANTARANA TSARA no ahafahanao misitraka reo tombotsoa rehetra amin'ny maha Mpino anao.
Vakiteny :Efes1:15-19:

I)RE SADY HITAN'NY OLONA REHETRA NY FINOANA.

Efes1:15:Izaho rehefa nandre ny FINOANAREO an'i Jesosy Tompo, izay HITAN'NY olona masina rehetra.
> Raha mbola tsy re na hitan'ny hafa ny maha mpino anao dia tsy azo antoka izany!
> Ary raha mbola ianao irery no mitantara izany dia mbola tsy maripototra akory izany..
( NY HAFA DIA HO VAVOLOMBEN'NY FINOANAO MARINA)

1) Ny olona tany Efesosy dia tena nandray ny Filazantsara marina; Ary Jesosy Tompo ny ninoan'izy reo.

2) Ary teo amin'ity Epistily zay nosoratan'i Paoly hoan'i Efesianina ity no tena nilazany :
>NY HARENA aram-panahy zay ananan'ny mpino.
Akotran'ny fiainana mandrakizay ;Dia ny fahefefana;Izay natao tao amin'ny tamin'ny nananganana Azy tamin'ny maty dia hoan'ny mpino.
Efes1:19:
Ny fihoran'ny halehiben'ny heriny hoantsika mino.

AVERIKO TSARA:
Ny fihoan'ny halehiben'ny heriny hoantsika mino..

Hoy Jesosy ao amin'ny Mat28: Efa nomena Ahy ny FEHEFANA REHETRA..
Natao tao aminy tamin'ny nananganana Azy tamin'ny maty zany; Nefa hoantsika; Omena antsika handehanantsika eto amin'izao tontolo izao.

II) REHEFA FANTATR'I PAOLY FA NINO IZY IREO DIA:

Nisy vavaka zay noraisin'i Paoly andraikitra ho azy ireo
1) And17 : Tsy mitsahatra mivavaka aho mba homen'Andeiamanitr'i Jesosy Kristy anareo ny Fanahin'ny fehendrena sy ny fanambarana amin'ny FAHALALANA AZY TSARA.

>Ny Fanahy Masina ihany no afahan'Andriamanitra mampita amintsika ny FANAMBARANA MARINA MOMBA AZY.
>Azy tsy afaka hahatakatra ireo fahalalana hafa isika raha tsy Izy aloha no Fantatsika tsara.
Ary rehefa avy nanao io tonom-bavaka (1) izy vao nanao ity vavaka manaraka ity.

2) And18:Tsy mitsahatra mivavaka aho mba hampahiratina ny mason'ny sainareo mba Ho FANTATRAREO:

(1)Ny fanantenana avy amin'ny fiantsoany
(2)Ny haren'ny voninahitry ny lovany ( Isika no lovany ,zay manankarena tokoa)
(3) And19: Ilay Fihoarana zay natao tao aminy dia hoantsika mino
( Tsy nitsahatra nivavaka i Paoly mba hahiratra amin'ireo ny mason'ny sain'ny mpino tany Efesosy !

III)NY FAHAFATARANA TSARA NO TENA ISITRAHANA NY MPINO IREO ZAVATRA NOMENA AZY.

>Tsy avy amin'ny fampianarana fotsiny akory zany Fahalalana momba an'Andriamanitra izany
> Na ny fahafantarana reo fanantenana sy harentsika lovany ireo.

FA ILAINA NY VAVAKA FA NY VAVAKA NO ANOMEZANY NY FAHAFATARANA TSARA!
Tahiny anie ianao!
Amen !

19/08/2025

OTA IRAY MITERAKA FAHOTANA MARO.

Tamin'ity androany ity dia efa niomana hanao message eto ho tohin'Ilay Fampianarana efa nanomezako lohateny teto aho:
(( TSY VOATERY HANGATAKA FITAHINA VAO HITAHY ANAO ANDRIAMANITRA))
No nahatsapa indray ity bitsika ny Fanahy Masina ity aho hoe: Ity aloha no ZARAO.

I) OTA IRAY MITERAKA OTA MARO DIA NY FI LONANA.

FIALONANA:
1) Ny olana(1) dia ny tsy fahatsapana fa fialonana anie zao ataoko izao:
> Tena vitsy no andrenesana olona milaza fa tratry ny fialonana aho.
Olona ety ivelany fona no mahatsikaritra izany.

2)Zaho dia mieritreritra fona fa Fialona no ota(1) tao amin'i Satana:
Satria tsy mety aminy ny eo ambany fitondran'Andriamanitra fa ny hihoatra an'Andriamanitra eo amin'ny Fitatanana zao rehetra izao
Isa14:13-14 : Any an-danitra no hikarako ambonin'ny kitan'Andriamanitra no hanadratako ny seza fiandrianako...

RAHA ARAKA IO DIA:
Noho ny fialonana no nampivadika ILAY Anjely efa noforonina hidera hanome voninahitra an'Andriamiana.

IO FIALONANA IO NO VOLENY anatin'ny olona na dia efa mpino aza!
> Hotrany toa rariny izany ny zavatra lazainao sy ataonao; Nefa raha tena FAKAFAKAINA DIA MIFONO FIALONANA!

II) HIJERY OHATRA ARA-BAIBOLY ISIKA.

1)Kaina sy Kaleba:
Samy nanao fanatitra hoan'i Jehovah izy roa lahy!
> Tsy olona no aton'ny fankasitrahana fa ny fanatitra izay atao!
> Nakasitrahn'Andriamanitra ny an'i Abela noho ny an'i Kaina!
TSY NANOTANY NY ANTONY TANY AMIN'ANDRIAMANITRA I KAINA....
Fa Tonga dia namono an'i Abela
a) Raha nanotany Izy dia valibraingona
no nmeny; Fa navezan-danja ny fialonana ka niafara tamin'ny famonona ilay olona nialonana!

b) Tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; Afaka ny hakasitrana na Kaina aza; Nefa dia Nameno azy ny Fialonana.

2) Josefa sy ireo rahalahiny:
Gen37:11:Ilay nofy zay nampietanetana an'i Josefa zay nambarany tamin'ireo rahalahiny no nahatonga azy reo NIALONA.
a) Mitandrema fa mety hahazo anao koa zany FIALONANA izany na dia namanao akaiky aza,.

Satria ny nofy tena manambara zavatra goavana be ; Nefa reo Mpiaray tampo tsy manana izany dia niteraka fialonana.

3) Ny fialonana anefa dia vao maika nampiady Sady mampisy olana maro teo amin'ireo rahalahiny.

3) Teo amin'ny Mosesy koa dia nahita ireo fialon'ireo zay mba nofidiny manokana hiaraka misa aminy
Jereo Nomery16;
Fa nisy lohona zay mba nofidiny hiaraka miasa aminy, Nanana Fahasoavana reo, Nefa dia nialona an'i Mosesy ka nanaratsy azy , Sady tsy mba manaraka ny teniny
Sal106:16:Dia nialona an'i Mosesy tany an-toby Izy; Sady nialona an'i Arona
And17: Nisokatra ny tany ka nitenina azy.

4)Aza mialona na iza na iza!
Mandiniha tena; Sady mivavaka tsara sao mba fialonana no manetsika anao amin’ny fiaraha misa manao zavatra iray
TENA TSY HO TAFITA MIHINTSY IANAO RAHA IZANY
5)Na amin'io Fitoriana Fialazantsara io dia mbola lazaina fa
Fialonana no itorian'ny asany ny filazansantsara(Filp1:15)
III)MITERAKA OTA MARO NY FIALONANA:

1) Fialonana dia miteraka tsikera sy fitsarana ilay olona ialonana.
Reto no voambolana ampisain'ireo mialona:
( Mirehareha izy ; Miseho ho; Maro reo tsy fahamarinana ataony!)
Raha vao mandre reo resaka reo ianao dia manao fanadihadiana fa aza avy hatrany dia mino).
METY MARINA ; NEFA METY HO FIALONANA.
2) Raha vao manana fialonana ny olona iray dia :

TSY HANANA FITIAVANA ZAY OLONA IALONANY NY OLONA IRAY:

Na hatao Inona; Na hatao ahona dia hanana ny lazainy hatrany ilay olona zay FOAFATOTRY NY FIALONANA,
Ota goavana ateraky ny Fialonana dia TSY FITIAVANA.

IV) TSY NY HANDEHA HITANISA REO OTA MARO VOKATRY NY FIALONANA NO ATAOKO FA:

Hilaza secret aminao :
Satana dia VOAFATOTRY NY FIALONANA ; ARY TSY NIBEBAKA TAMIN'IZANY IZY:
> Io no zarainy amin'ireo olona Alainy fanahy rehetra !
JEREO :
Hoy izy tamin'i Eva: Faratr'Andriamanitra fa hitovy aminy ianareo raha mihinana io Hazo io!
Antony andrarany anareo dia tsy tiany hitovy aminy!!

1) HATRETO DIA:
Rebireben'i Satana fampitahana amin'ny namantsika fona isika mba hambolena fialonana :
Ianao tahak'izao aza manaiky ; Izy lasa toy izao aza manaiky
Lazao fa izao no mahatonga an'izao!!
Lasa ilay Fialonana no mibaiko ny Saina ; Ny teny ; Fihetsika...

NON!!
Fantatro izay tompoiko!
Ary maniry ny soa hataony amin'ny olona rehetra aho!

📻 FANDAHARANA :“MIANATRA AMIN’NY TOMPO ISAN’ANDRO” Fotoana hanamafisana ny finoana sy hananganana fiainana ara-panahy mi...
19/08/2025

📻 FANDAHARANA :

“MIANATRA AMIN’NY TOMPO ISAN’ANDRO”
Fotoana hanamafisana ny finoana sy hananganana fiainana ara-panahy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra.

🗓️ Isan’andro
LUNDI – MARDI – MERCREDI – JEUDI – VENDREDI
🕙 Amin’ny 10:00 maraina

🎙️ Mpanolotra : Pasteur Sitraka Andry Razafimampionona

📡 Arahinao mivantana Ao amin’ny Radio Évangélique Feon'ny Ampakarina
(REFA 94.6 FM)

🙌 Manasa anao hihaino ary aoka ho velona amin’ny Tenin’ny Tompo ny fonao.
👉 Zarao amin’ny namanao mba hahafahan’izy ireo koa mandray ny hafatra manan-danja!

Manasa anao hatrany hanaraka sy hizara ny pejy ho fiombonantsika hanaparitaka ny filazantsaran'i Kristy Jesosy Tompotsika 🤝 👍 🔥

📻FANDAHARANA:"HAFATRA AN-KIRA IFAMPAHEREZANA"⏰ 17:00 HARIVA🎙️ Mpanolotra: Ireo ekipan'ny Radio évangélique Feon'ny Ampak...
19/08/2025

📻FANDAHARANA:

"HAFATRA AN-KIRA IFAMPAHEREZANA"

⏰ 17:00 HARIVA
🎙️ Mpanolotra: Ireo ekipan'ny Radio évangélique Feon'ny Ampakarina 94.6 FM
🎉 Isaky ny ALAROBIA & SABOTSY

👉 Fotoana ahafahanao mandahatra HIRA ARAM-PILAZANTSARA @ alalan'ny:
📍MP (Page Facebook) : REFA 94.6 FM
📍SMS (Téléphone) : 034 86 414 59

Tolory hira ny ankohonanao, ny mpiara-mivavaka, ireo namana ho FAMPAHEREZANA azy ireo 🔥

📡 Arahinao mivantana ao amin’ny Onjam-peo: Radio Évangélique Feon'ny Ampakarina (REFA 94.6 FM)

☺️ manasa anao sy ny ankohonanao handray anjara mivantana fandaharana ity!

Manasa anao hatrany ihany koa ary hanaraka sy hizara ny pejy ho fiombonantsika hanaparitaka ny filazantsaran'i Kristy Jesosy Tompotsika 🤝 👍🔥

📻✨FANDAHARANA: " TSAROVY NY MPANAO ANAO "📻 Arahinao isan'andro⏰ 12:00 atoandro – ora Madagasikara🎙️Pasteur Andry ShalomT...
18/08/2025

📻✨FANDAHARANA:

" TSAROVY NY MPANAO ANAO "

📻 Arahinao isan'andro
⏰ 12:00 atoandro – ora Madagasikara

🎙️Pasteur Andry Shalom

Tsy ho diso fanantenana ianao raha mihaino, fa hahazo hery sy fanavaozana ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.

📡 Arahinao mivantana ao amin’ny Onjam-peo: Radio Évangélique Feon'ny Ampakarina (REFA 94.6 FM)

Aza adino fa ny teny velona no manome fiainana!

☺️ manasa anao sy ny ankohonanao hanaraka ity fandaharana ity!

Manasa anao hatrany ihany koa ary hanaraka sy hizara ny pejy ho fiombonantsika hanaparitaka ny filazantsaran'i Kristy Jesosy Tompotsika 🤝 👍🔥

14/08/2025

Mba ahazoanao ny votoantin'ny fampianarana dia manaraka ny LIVE mandritra reo fivoriana ireo hianao
Amen!

👉Fandaharana:" TENIN’ ANDRIAMANITRA VELONA SY MAHERY "📅 Lun – Mar – Mer – Jeu – Ven – Sam⏰ 06:00 maraina & 18:00 hariva🎙...
11/08/2025

👉Fandaharana:

" TENIN’ ANDRIAMANITRA VELONA SY MAHERY "

📅 Lun – Mar – Mer – Jeu – Ven – Sam
⏰ 06:00 maraina & 18:00 hariva

🎙 Pasteur RAZAFIMAMPIONONA Mivady

🚨 Aza Hadino Fa Tonga ny fotoana handraisana hafatra mivantana avy amin’Andriamanitra

🎯 Manasa anao hanaraka izany ao @ REFA 94.6 FM

💖 Aoka ny Tenin' Andriamanitra hanavao ny fonao sy hanova ny fiainanao!
🙌🔥📖💎🎶

Manasa anao hatrany hanaraka sy hizara ny pejy ho fiombonantsika hanaparitaka ny filazantsaran'i Kristy Jesosy Tompotsika 🤝

11/08/2025

Address

Église Rhema Sel De La Terre Ambonifaidrano
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when REFA 94.6 FM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category