05/11/2025
𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊'𝐀𝐒𝐀 𝐓𝐀𝐋𝐀𝐊𝐘 𝐁𝐄 𝐋𝐨𝐭 𝐈
➡️𝐓𝐎𝐋𝐀𝐆𝐍𝐀𝐑𝐎 04 0𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 2025
🌿 Nampahafantarina sy novelabelarina tamin'ireo tompon'andraikitra: Faritra Anôsy, ireo solombavam-bahoaka sy ny Ben'ny Tanana ary ireo mpiara-miobon'antoka ny momba ny Tetik'asa TALAKY BE Lot 1 famatsiambolan'ny vondrona Eropeanina amin'ny alalan'ny AFD.
⏰ 6 taona ny faharetan'ny tetikasa izay miompana amin'ny fampifandraisana ny fambolena sy ny tontolo iainana ka Kominina 25 amin'ny Distrika 2: Amboasary Atsimo sy Tôlagnaro no hisitraka izany.
➡️ Ny Solombavam-bahoaka Atoa Nourdine CHABANI no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany izay notronin'ny Solombavam-bahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Amboasary Atsimo.
🤝 Nanome voninahitra ity fotoana ity:
- Ny Sekretera jeneraly eo anivon'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana Atoa RAMINDO Gaëtan, Ny Sekretera jeneralin'ny Faritra Anôsy Atoa RABENANDRIAMANITRA Louis Sabbatin, ny lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanana Kominina Ambonivohitry Tôlagnaro atoa FITAHIANTSOA Arvilson.
-----