Radio Teny Fiainana Fort-Dauphin Fm 97.2MHz

Radio Teny Fiainana Fort-Dauphin Fm 97.2MHz "Asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra" Isaia 40:9
RADIO TENY FIAINANA SYNODAM-PARITANY FARADOFAY
RTF 97.2 Mhz

Ny Radio Teny Fiainana SPFa Fm 97.2MgHz
dia niorina tamin'ny 03 Mars 2023 teto Bazaribe amin'ny Foiben-toerana Loterana Malagasy Synodam-paritany Faradofay.

08/07/2025
08/07/2025

FAMPITANDREMANA NOHO NY ALONDRANO | 08 Jolay 2025

⚠️ 🌊 Hahazo vahana ny Tsioka Atsimo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hitoetra any amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy arak’izany ny alondrano vaventy.

▶️LOZA AHIANA : Tombanana ho 3 hatramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja ary hahatratra 4m indraindray ny eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro.

▶️FE-POTOANA :

✓ Manomboka anio Talata 08 Jolay 2025 ny eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro;

✓ Hiitatra any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanana izany ny Alarobia 09 Jolay 2025.

▶️FIANTRAIKANY :

✓ Fahasarotan'ny fifamoivoizana
✓ faharendrehana an-dranomasina;
✓ Fikorontanan’ny asa fihariana an-davanandro;

▶️FARITRA VOAKASIKA :

📕📕 Fampitandremana miloko mena: manomboka eo Morombe hatrany Taolagnaro.

📒📒 Fampitandremana miloko mavo: manomboka eo Morombe hatrany Maintirano sy Taolagnaro hatrany Manakara.

❌❌Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. ❌❌

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

08/07/2025
08/07/2025

✨🌺Eny, sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny✨🍀

Salamo 1️⃣4️⃣4️⃣➖1️⃣5️⃣🅱️

07/07/2025
07/07/2025

(((((Malakia 03:18)))))
"Ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy."
>>>

Inona moa izany ny mahasamihafa ny jentilisa mpanompo sampy sy ny mivavaka Alahady nefa mangalatra akoho Alatsinainy? Raha mba kristiana ihany ianao nefa tsy mitondra tena feno tahaka ny mpianatry ny Tompo dia aoreno tsara aloha ny finoana sao very maina fotsiny ny hidirana any am-piangonana. Fa raha tena lasa lavitra aza ny finoanao dia tokony tsy voafehin'ny fiangonana intsony ny fivavahana fa afaka mitety izao tontolo izao ianao noho ny Anaran'i Kristy. Araka ny baikony hoe:

"Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany." [Asan`ny Apostoly 01:08]

Ny olona manompo an'Andriamanitra dia tsy ilay be dokam-barotra fa hivavaka ho an'ny manodidina azy. Satria mila vola be hirotsaka ao amin'ny kaontiny any amin'ny banky izy. Tsia, ny olona manompo an'Andriamanitra dia ilay manome anao maimaim-poana satria izy mba efa nandray maimaim-poana. Manaiky handany vola, hery, fotoana ho an'ny asa nanirahana azy izy. Ary ho tahiana kosa ny asa fivelomany rehefa avy eo. Izany no mahatonga ny olona mandroso ara-panahy hambinina. Araka ny tenin'i Kristy hoe:

"Omeo, dia mba homena ianareo. Fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa." [Lioka 06:38]

Rehefa mamatra ho an'Andriamanitra ianao dia fadio ny manatevina ny kitapom-bolan'ireny pasitera hafahafa ireny. Omeo hanaovana asan'Andriamanitra ny fanatitrao. Omeo ho an'ny mahantra ny rakitra. Tandremo fa misy antony manokana matoa ny olona iray mazoto manome ho an'ny olona iray. Aza manome ho filàna sitraka na tambiny. Diso mihitsy ny filazana fa rehefa manome ho an'ny mpitondra fivavahana ianao dia hivavaka tsara ho anao izy. Endrika kolikoly izany. Fa ny asan'Andriamanitra nanirahany azy ireny dia tsy hitady vola akory fa hitory ny filazantsara.

"Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany" [Ohabolana 03:27]




07/07/2025

✨🌺Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony✨🌺

Filipiana 1:24

◻️La chorale « Akon’ny lanitra » en 1973 (ici à Fort-Dauphin)▪️Nalaza tokoa tamin’izany fotoana izany▫️Elle était très p...
07/07/2025

◻️La chorale « Akon’ny lanitra » en 1973 (ici à Fort-Dauphin)
▪️Nalaza tokoa tamin’izany fotoana izany
▫️Elle était très populaire à cette époque là
Mirary soa hatrany 🙏

📷Elca

03/07/2025

'Mitsangana mihazava fa tonga ny fahazavanao.
Isaia 60-1a
isaorana an'ANDRIAMANITRA Lehibe fa voafidy ho tale RTF ny RAD PASTORA RATSITSISON TOVONDRAINY MAXIMIEN
Nandritra ny Komity Synodamparitany Faradofay faha 30 izay no tontosaina teny Manambaro ny 30-06 Juillet 2025

02/07/2025

LAOKA MANDRITRY NY HERINANDRO MAROMARO
Herinandro Voalohany
* Lundi : Hen’omby sy anatsonga

* Mardi : Tsaramaso atao saosy

* Mercredi : ovy sy patsa be
* Jeudi : Karaoty sy sosisy
* Vendredi : anana sy menaka
* Samedi : Hen’omby sy légumes
* Dimanche : Ravitoto sy hena kisoa
Herinandro Faharoa
– Lundi : Ravim-bomanga sy patsa be
– Mardi : Totokena sy haricot vert
– Mercredi : Lentille sy sosisy
– Jeudi : Anandrano sy totokena
– Vendredi : Hen’omby sy anamamy sy angivy
– Samedi : Akoho sy légumes
– Dimanche : Hena-kisoa sy tsaramaso lena
Herinandro Fahatelo lundi: lasopy légume sy hen’omby
mardi: anana sy totom-boanjo mercredi: voanjobory sy henakisoa. jeudi: trondrogasy saosy sy ron’anamamy vendredi: laisoa sy hen’omby samedi: haricot vert sy totokena dimanche: langue sy petit pois
Herinandro Fahaefatra
* Lundi :ovy sy hen’omby miaraka @ patsa mena

* Mardi :voatavo sy hen’omby
* Mercredi :ati-kena endasina rony ravim-bomanga
* Jeudi:courgette sy toto-kena
* Vendredi :ravitoto sy hena kisoa
* Samedi :pirina endasina sy ro matsatso
* Dimanche:crabe sauce
Herinandro Fahadimy
– lundi :hen’omby sy ovy ary anamalaho

– Mardi :henakisoa sy haricot vert
– Mercredi :trondro endasina dia asiana rony anana kely
– jeudi :legume atao rony tsy asiana hena:ovy-carotte-tsaramaso kely -poireau-voatavo
– vendredi :hen’omby sy anandrano asiana tsaramaso sy sosisy
Herinandro Fahaenina lundi : hen’omby sy anatsonga ro
mardi : catless sy ro mercredi : nofon’akoho pané sy frites jeudi : courgette sy totokena vendredi : hen’omby sy ananambo ro samedi : atidohan-kena saosy dimanche : tongo-kisoa sy tsaramaso lena
Herinandro Fahafito
* lundi:anandrano sy hen’omby

* Mardi:lamori atao sosy @ ovy
* Mercredi:vavonin-kena atao rony @ sakamalao(matsiro io an)
* Jeudi:Tsiasisa atao sosy @ jumbo
* vendredi:lelan’omby atao sosy
* samedi:atody atao sosy miaraka @ haricot vert
* Dimanche: Poulet frit
Herinandro Fahavalo
– Lundi: trondro tilapia frite sy ron’angivy

– Mardi: catless totokena sy ovy, ron’anamamy
– Mercredi: steack filet frite sy ranovola
– Jeudi: henakisoa sy haricot vert na petit pois
– Vendredi : akoho gasy sauce
– Samedi: kitoza henakisoa, lasary voatabia, ranovola
– Dimanche : trondro gasy sauce sy crabe sauce, ron’anamalaho…..
Herinandro Fahasivy lundi : ron’anamamy sy angivy ary henomby / hariva: pirina
mardi : ron’anatsonga sy tratrakena atao ketsaketsa/ hariva: atody mercredi : rompatsa sy ravimbomanga ary ovy / hariva: kitoza jeudi : rona legumes mifangaro / hariva:sardine @ boite vendredi : ro matsatso sy sira / hariva: vary sosoa sy sosisy samedi : ronakoho sy sakamalaho / hariva: masikita sy mangahazo dimanche : varanga sy roanamalaho / hariva: ovy frity

Address

Bazaribe Tolagnaro
Fort-Dauphin

Telephone

+261385638343

Website

http://vuma.mg/rtf/

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Teny Fiainana Fort-Dauphin Fm 97.2MHz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category