Miroso Together

Miroso Together « MIROSO TOGETHER » dia tsy fiaraha-monina fotsiny : hetsika mankany amin'ny fandrosoana 🚀 sy ny fahombiazana iombonana.

Andao hihaino, hanohana, ary handeha miaraka mankany amin'ny hoavy tsara kokoa . Satria miaraka, zava-dehibe ny zavatra rehetra! 🎉

🔥🇲🇬 ZARAINA HO ANTSIKA – TSY FOTOANA HANGINANA INTSONY! 🇲🇬🔥Na dia hahalala ny atao hoe   fotsiny aza ianao…dia efa dinga...
28/02/2026

🔥🇲🇬 ZARAINA HO ANTSIKA – TSY FOTOANA HANGINANA INTSONY! 🇲🇬🔥

Na dia hahalala ny atao hoe fotsiny aza ianao…
dia efa dingana iray miala amin’ny fatoriana izany.

Fa raha te ho olompirenena mahavita miatrika marina ianao,
dia mila fahalalana.
Mila fahasahiana. Mila fanapahan-kevitra. 💥

Tsy misy fiovana raha tsy misy olona miova saina.

Tsy misy fanavaozana raha tsy misy vahoaka mahay mijoro.

🎯 Ireto ny fandaharana ho anareo :

📍 – 28 février
📍 – 2 mars
📍 – 4 mars
📍 – 6 mars
📍 – 7 mars
📍 – 10 mars
📍 – 13 mars

🆓 Fanofanana maimaipoana daholo.
Tsy misy sarany. Tsy misy fialan-tsiny.

❓ Raha tsy mianatra ianao, iza no hanova an’i Madagasikara?

❓ Raha tsy ianao no miova, iza no andrasanao?

Tonga izao ny fotoana hialana amin’ny fitarainana…
ary hiroso amin’ny fananganana. 🚀

🇲🇬
🤝






👉 Zarao. Antsoy ny namanao. Aza avela ho very maina ity fotoana ity.

IREO ZAVATRA 10 MILA TAZOMINAO AN-TSAINA RAHA TE HANDROSO IANAO 🌟1. Tsy afaka hamerina hanoratra ny tantara ianao 📖. Iza...
13/06/2025

IREO ZAVATRA 10 MILA TAZOMINAO AN-TSAINA RAHA TE HANDROSO IANAO 🌟

1. Tsy afaka hamerina hanoratra ny tantara ianao 📖.

Izay efa vita dia ekena sy avela any fa aza variana mitanisa eo ! Efa lasa ny tantara, soraty ny ho avy 🛤️.

2. Tokana ny lalana ho an’ny tsirairay 🚶‍♂‍💭.

Aza misahirana hampitovy fa samy manana ny azy io ! Samy amin’ny fotoanany ny zavatra rehetra ⏳!

3. Ny fomba itsaranao ny hafa no itarafana ny toetranao 🔍!

Mitandrema izany fa jerem-potsiny ianao ! Vola tadiavina fa aza misahirana miditra amin’ny fiainan’ny olona 💸!

4. Ny tena hasambarana dia avy any anaty ❤️!

Ny avy ety ivelany izany tena fahafinaretana mandalo fotsiny fa tsy maharitra ! Tadiavo izany ilay ahazoana ilay avy any anaty ✨!

5. Ny zavamisy eo aminao tsy faritan’ny hevitry ny hafa 🤔!

Ianao no mitantana sy mitondra ny tranga misy eo aminao, aza avela ny olona hamaritra izay tianao hatao 🚀!

6. Miainga amin’ny tsy misy ny dia tiana hatao 🌱!

Ianao no mamaritra ny toerana tianao andehanana ary ianao no mamorona azy ! Dia anao io fa tsy manaraka olona ianao 🛤️!

7. Izay apetrakao eto amin’ity tany ity dia miverina aminao 🔄!

Tsara izay napetrakao, rahampitso hiverina aminao izany ! Sanatria ratsy dia aza mody gaga na talanjona fa izay nafafinao no jinjainao ⚠️!

8. Ny fotoana dia manana talenta manasitrana sy manatsara ny toe-javatra ⏳✨!

Aza maika na tsy mahandry tantana na miferinaina satria anaty olana na fahasahiranana, ny fotoana no namana mamaha izany !

9. Ny hatsaram-panahy tsy vidiam-bola, fa tena ahazoana be dia be 💖!

Tsy maty antoka ny hatsaram-panahy ataonao, mioty vokatra tsara ianao mandritry ny fiainanao 🌻! Manana fiadanampo ianao rehefa mazoto mizara hatsaram-panahy 🙌!

10. Mitrosona sy mifotetaka ianao rehefa nijanona sy mandevi-tsotrobe 📉✨!

Lesona no azo raha sendra tsy fahombiazana sy fahalavoana ! Miarina haingana dia lasa indray miroso 🚀!

Iza amin’ireo no vaovao aminao? 🤔✨

Iza amin’ireo no tena mba nandona ny fonao? 💖💔

Zarao mba hahasoa ny hafa ! 🙏😊"

Photo de Matthew Spiteri sur Unsplash
Photo de bill wegener sur Unsplash

🌟 OHABOLANA ZARAINA AMINTSIKA 🌟🗣️ « MPANIHIKA KA MANADINO TANDROHO; MPIANALA KA MANADINO FAMAKY; MPITIFITRA KA MANADINO ...
02/06/2025

🌟 OHABOLANA ZARAINA AMINTSIKA 🌟

🗣️ « MPANIHIKA KA MANADINO TANDROHO; MPIANALA KA MANADINO FAMAKY; MPITIFITRA KA MANADINO BALA. »

Fomba fanoratra sy fiteny hafa fa mitovy hevitra :

• 📝 « Mpanihika manadino tandroho, mpianala manadino famaky, mpitifitra manadino basy : andao hiverina fa rahampitso manaraina. »

🔍 Dikan’ny ohabolana :

• 🐟 Mpanihika ka manadino ny harona – harato akana trondro
• 🌳 mpaka hazo an’ala ka manadino famaky
• 🔫 mpihaza mampiasa basy ka manadino ireo bala

🎯 Inona ny lesona azo tsoahina ?

• 💡 Ilazana fa ilay tena ilaina no adino, ilay tena antodia no tsy eo ; izay no nahatonga ilay ohabolana : “Nahoana no ny faty halevina indray no hadinoina?”

• ⚠️ Ilazana rehefa tsy miraharaha na manao tandrevaka ny olona iray ; variana amin’ny zavatra hafa fa tsy mifantoka amin’ny tokony atao

• ⏳ Very fotoana sy lany hery satria mody maina tsy nahavita n’inona n’inona

🙏 Mankasitraka anao namaky hatreto ! Zarao raha nisy soa azonao ! 😊✨

Photo de Jonathan Cooper sur Unsplash
Photo de The Huron County Museum & Historic Gaol sur Unsplash

09/05/2025

"IREO HABADOANA 10 IZAY MAMATOTRA AN’I AFRIKA AO ANATY FAHANTRANA – KA AHOANA NY HANAFAKA AZY ? "👇

OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA 🌟« NY FITONDRANA NY OLONA TAHAKA NY FOTAKA 🌾 : FIHININA MAFY MIPORITSAKA, FA KENAKENAIN...
01/05/2025

OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA 🌟

« NY FITONDRANA NY OLONA TAHAKA NY FOTAKA 🌾 : FIHININA MAFY MIPORITSAKA, FA KENAKENAINA NO AHATANANA AZY. »

Fomba fiteny sy fanoratra hafa fa mitovy ny tiana holazaina :

- “Ny fitondrana ny olona toy ny fotaka 🌿 : raha gejana mafy loatra, dia miporiatra, fa kenakenaina no hahatanana azy.” ✋

- “Ny fitondrana ny olona toy ny fotaka 🌱 : raha giazana mafy loatra dia miporiatra ; tsia, fa kenakenaina no hahatanana azy.” 🌈

Dika mivantana :

- Ny fitondrana ny olona na fitantanana olona dia toy ny mitondra fotaka eny an-tanana 🤲 : terena mafy dia miporitsaka amin’ny elakela-tanana ; fa mba hipetraka ao anaty tanana dia kenaikenaina.

Inona no tiana holazaina ?

- Ny fitondrana olona dia toy ny fotaka 🌿 : raha fehezinao mafy dia miporitsaka izy ireo na lasa daholo ; fa aleo entina ampilaminana.
- Izany hoe, tsy ny herinao 💪 na ny fanaparanao ny fahefana no hahitanao vokatra sy olona tena miasa, fa salasalainao ny fihetsika sy ny fomba fanao ; tsy terena mafy no sady tsy avela ho baranahiny fa tadiavina ny antonony. ⚖️

Inona ny azo ho tsoahina ho antsika ?

- Raha manana fahefana na nomena fitondrana dia tadiavina ny antonony raha te-hahomby 🎯 ; ny fanaparana fahefana sy ny hery dia miteraka olona mihatsaravelatsihy, rehefa eo ianao dia mody miasa be daholo, fa vao tsy eo ianao na miamboho dia mijanona tsy miasa daholo izy rehetra. ⏳

- Fa raha malemy sy tsotra loatra indray dia araraotin’ny rehetra ka tsy misy asa vita, f lany andro fotsiny. 💤

- Ny antonony sy ny fametrahana fitokisana ary asiana tanjona miaraka ho tratrarina amin’ireo olom-pehezina no ahitana fahombiazana 🎉 ; “Atrehy mahefa ary hiambohoana mahavita” hoy ny ohabolana ! 📖

Mankasitraka anao namaky hatreto ! Zarao raha nisy soa azonao !

🌍 🚀 💡 📜 🌟 🤝 🤔 ✨ ⚖️ 📊 👥 🌼 ⚠️ 🤗 🌱 💬 😊 📚 🙏 🎶

Photo de Road Ahead sur Unsplash

Photo de Matheus Bertelli

FANABEAZANA ARA-BOLA 💰📚(fotoana amakiana : 2 minitra)Mpandraharaha ianao ka mitady fanabeazana ara-bola ? 🤔  Mpivady ka ...
24/04/2025

FANABEAZANA ARA-BOLA 💰📚
(fotoana amakiana : 2 minitra)

Mpandraharaha ianao ka mitady fanabeazana ara-bola ? 🤔
Mpivady ka mila fanampiana amin’ny fanabeazana ara-bola ? 💑
Vehivavy mitantana tokatrano mitady vahaolana isambolana ?

90 isanjato amin’ireo fahavoazana dia avy amin’ny sakoroka ara-bola. 📉

Hozaraiko aminareo fotokevitra ankapobeny mikasika ny vola. 💡

Tsy hoe efa manambe aho ka hanome lesona ho anareo. Tsia!
Mizara aho amin’izay fantatro tao anatin’ny fotoana niainana (mety hanampy anao izany) ⏳

Tamin’izaho mbola bado ara-bola, nieritreritra aho ny vola dia ampiasaina andoavana ireo fandaniana sy ireo adidy isanandro. 💸

Ireo adidy sy fandaniana dia mitovy amin’ny afo mirehitra mandoro 🔥, dia ny vola toy ny rano 💧 izay tonga hamono avy hatrany io afo io.

Rehefa mirehitra indray ilay afo, mila mitady vola mba hamono azy. 🔍💰

Farany nandinika aho fa asiana tatatra mitondra ny rano mba hamono io afo io. 🚰

Manana vola tena zavatra mitondra aretin’andoha 😖, rehefa hita fa mitombo izay tsy izy ireo fandaniana ary misondrotra ny vidipiainana. 📈

Tao anatin’io firafitra io dia sarotra ny manana tahiry. 😟 Satria izay tahiry dia ampiasaina foana hamonoana « afo » vaovao. 🔄

Ny fotokevitra fototra no ratsy : « ny vola ilaina andoavana ireo fandaniana ». ❌

Rehefa nahafantatra aho fa tsy ampiasaina andoavana ireo fandaniana ny vola, niova daholo ny zavatra. ✨

Ny tena marina, azoko amin’izay fa ny vola azoko dia tsy ampiasaina andoavana ireo fandaniana. 🚫💵

Ny vola azoko dia tokony ampiasaiko mba hamokatra vola vaovao. 🌱 Ny vola izay azoko dia tokony hiteraka zanany. 🐣

Ka ireo zanany ireo no tokony ampiasaina andoavana ireo fandaniana. 💳

Ary rehefa nijery ny manodidina aho, izay vao nazava amiko. 🧐

Ny mpiompy tsy mivarotra mihitsy ireo biby mpivady mamokatra, ohatra ireo mpiompy ondry, ireo zanak’ondry avy nohatavezina no amidy. 🐑

Ny mpamboly tsy mivarotra iray manontolo ny ovy vokatra. 🥔 Mitazona ampahany izy atao masomboly, ka ireo nojinjaina no amidiny. 🌾
Tsy mivarotra mihitsy ny masomboly izy. Mivarotra izay vokatra. 🍽️

Raha hanao fampitahana, mitovy amin’ny mpamokatra jirofo 🌳, izay miasa mafy ahazoana fototra jirofo matanjaka sy salama tsara, izaho mpiasa, miasa mafy aho ahazoana ny karama amin’ny faran’ny volana. 💼

Tahaka ireo mpamokatra tsy mivarotra ireo fototra jirofo mba andoavana ny hofatrano, tsy tokony mandoa ny hofatranoko amin’ny karamako aho. 🏡

Amin’izay ny zavatra no miova, ilay mpamboly tsy « miasa » hanampy ilay hazo jirofo hamokatra jirofo, ilay fototra jirofo no mamokatra izany samy irery... 🌱

Fa ilay mpiasa, izy, tokony « miasa » mba hiteraka zanany ny karamany. 🛠️

Mitaky saina izany karama hiteraka zanany izany. 🧠 Raha tsy misy hetsika atao, ho momba tsy miteraka ny karama. ❌

Tahaka ny mpiompy mivarotra ihany farany ny reniakoho iray efa lany atody 🐔, mba handoavany ny adidiny, tahaka izany koa ny mpiasa mampiasa ny karama « momba » izay tsy miteraka zanany mba andoavany ny adidiny. 🏦

Miteny ny olona fa ny karama tsy mety hahatonga mpanankarena. 💬 “Tsy feno izany valinteny izany.”

Ny karama « tsy miteraka zanany » tsy mety hahatonga mpanankarena. ❌
Fa ny karama mamokatra zanany mahatonga mpanankarena farany. 💎

Ny fanontaniana goavana, ahoana no atao mba hamokatra zanany ny karama ? 🤔

Ny valiny tsotra dia tokony handraharaha. 💼
Mandraharaha eto dia midika toy ny fampiasana ny karamany ka ny tanjona dia izy hamokatra zanany. 🎯

Fantatrao any anatinao lalina any fa mila fanabeazana ara-bola ianao mba hitantana tsara kokoa izay azonao, eto izahay hanampy anao hiroso amin’izany ! 🚀

Soraty “MP” raha mitady izany ianao ! ✍️



Crédit : https://www.facebook.com/tuo.joel

"ZAH DAHOLO NY MANAO NY REHETRA ATO ! 🚀  RERAKA AHO ! 😩"Misy fotoana nandalo alin-dratsy 🌙, ratsy torimaso ianao 😴. Andr...
24/04/2025

"ZAH DAHOLO NY MANAO NY REHETRA ATO ! 🚀
RERAKA AHO ! 😩

"Misy fotoana nandalo alin-dratsy 🌙, ratsy torimaso ianao 😴. Andro tena feno loatra 🌪️. Misy vesatra ara-tsaina lanjaina ⚖️.

Fa misy fomba roa atao manoloana izany :

Ny voalohany, ny hafa no mandoa azy rehetra 💸, ny hafa no hiangonan’ny rihitra 🎤 :

« Ratsy torimaso aho 😩 », « Vizana aho 😣 », « Zah daholo no manao ny rehetra ato 😤 », “Tsy manam-potoana amin’izany aho! ⏳”

Dia vao misy fifamaliana kely fotsiny... mirefotra sy mipoaka 💥.

Vokany ? Tsy misy olona te-hiara-miasa 🤝, eny na dia mifanerasera aza 🌐.

Ny faharoa, miaiky fa tena feno sy vizana ara-tsaina...fa tsy miala vokona any amin’ny hafa 🌊. « Vizana kely aho 😌, ataoko izay azoko atao 💪, ampilaminana. »

Ary indrindra, mijanona anaty fanajana 🙏. Tsy ailikao amin’ny hafa ny vesatra ao aminao 🚫.

Ny tena hery marina 💖, tsy fisehoana fa mafy ny mikiakiaka 📢.

Tsy ny hafa no mizaka izay tsy hainao fehezina azy ao anatinao 🧠.

Ary izay, ny saina mifehy ny fihetsepo 🔍 – Manana saina mahiratra mba tsy hanapoizina ny rivotra manodidina anao 🌬️."

Mankasitraka namaky hatreto ! 🙌

Raha misy fanontaniana na mila tantsoroka, aza misalasala mametraka MP ! 📩

🌱 💪 🧘
🌟 🛡️ 🌈 ✨
🎯 🙌 🌼 🏆
🧠 🔥 ⚡ 🤗 🌻 🧘‍♂️ 🗓️ 🌌
💪

https://www.facebook.com/effetautodeveloppement

Fa maninona no be resaka tokoa ? Tsotra loatra sa dedaka ? AFODY ! AKOMBONA !
24/04/2025

Fa maninona no be resaka tokoa ?

Tsotra loatra sa dedaka ?

AFODY ! AKOMBONA !

Ireny mariage homaninao ireny, tsy voatery hampafantarina ny olona.

Ireny trano tsara amboarinao ireny, tsy voatery haderafera ny fanaovana azy.

Ireny plan vacance homaninao ireny, tsy voatery tantaraina amin’olona.

Ireny formation arahinao, tsy voatery aseho amin’ny rehetra.

Ireny business vaovao kasainao atomboka, na fividianana fiara na fanombohana projet ireny, tsy voatery hambarao amin'ny olona.

Fantaro fa ny olona dia tsy faly mahita anao mandroso, tsy te hahita anao mandroso noho izy. Vao hitany hoe ho lasa ambony ianao, dia miforona tampoka ao ny saindratsy sy fialonana, ka tonga hanapaka ny fototra itokianao.

Indraindray aza, tsy avy amin’ny olona tsy fantatra izany, fa amin’ny olona akaiky anao indrindra.

Noho izany…
Mahaiza manakombom-bava.
Mianara manatanteraka zavatra mangina.
Avelao ho tampoka aminy no hahitany ny fivoaranao.
Avelao ho ny vokatrao no hiteny sy hampafantatra azy.

Réussir avec Martin

🌟   OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA   🌟“  IZAY FATRA-PANDÀ IHANY NO MANAIKY.  ” 🗣️🔍   Dika mivantana :  - Matetika ireo...
18/04/2025

🌟 OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA 🌟

“ IZAY FATRA-PANDÀ IHANY NO MANAIKY. ” 🗣️

🔍 Dika mivantana :

- Matetika ireo mikiribiby mandà mafy ihany no milefitra manaiky amin'ny farany. 🐢

# # # Inona no tian’ny ohabolana zaraina ? 🤔

- Ny ela manova zavatra ka ny nolavina mafy tamin'ny voalohany lasa ekena atý aoriana. ⏳

- “ Ny adala no tsy miova hevitra ” na “Adala nome-tanan'ondry ka omena ny hofany mandà”, izany hoe, misy antony hafa na fanazavana na tranga mety hampiova hevitra ho an’ny olona salama saina ka tsy mahagaga ny fiovana hevitra. 🎭

# # # Lesona azo raisina : 📚

- Tsy voatery miovaova hevitra no ilazana anao raha misy tranga izay nolavinao tany aloha, fa misy tranga na fanampim-panazavana azonao dia izay no nampiova hevitra anao. ✨ Zavadehibe ny mizara ny antony mampiova hevitra anao amin’ny olona mba ialana amin’ny fandikana isan-karazany. 🚫

- Ilaina koa ny tena mihaino sy maka fanampi-baovao rehefa misy tranga na zavamisy zaraina aminao mialoha ny hanome ny hevitrao, fa tsy maika ka “tafa jabaka” satria mety tsy ampy ny fanazavana nomena anao. 🔍💡

Amin’ny fiainana andavanandro, fakam-panahy apetraky ny olona amintsika ny hanome ny hevi-tsika mikasika tranga iray. Aza maika hanome valiny fa aleo aloha maka ny fanampi-panazavana sy vaovao fanampiny. ⏳🤝

Mankasitraka namaky hatreto ! 🌈✨

Photo de Kelly Sikkema sur Unsplash
Photo de Josh

OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA 🌟  « SOLA MINDRAN-KETY, KA MAHABE ERITRERITRA. 🤔💭 »Fomba fiteny na fanoratra hafa fa mi...
17/04/2025

OHABOLANA HITA ZARAINA AMINTSIKA 🌟

« SOLA MINDRAN-KETY, KA MAHABE ERITRERITRA. 🤔💭 »

Fomba fiteny na fanoratra hafa fa mitovy ny tiana holazaina :

- “Sola mindran-kety, ka be eritreritra.” 😌✨

Dika mivantana :

- Sola mindrana hety : lasa saina sy eritreritra ianao mampindrana. 🔍🧠

Inona no tian’ny ohabolana zaraina amintsika ?

- Ilazana zavatra tsiambaratelo na mifono mistery, na miteraka fanontaniana 🤔❓: ny olona sola dia tsy manapaka volo, ka ataony inona hety ?

Inona ny lesona azo raisina ?

- Matetika isika, mety efa maika loatra, tsy voateny ny tena ilàna ilay zavatra angatahina. Vao lasa ianao dia mipetraka ny fanontaniana rehetra…. 😅📜

- Na koa efa tena misy zava-miafina mihitsy ka afenina rehefa miresaka ilay tiana ho azo, saingy misy takon’ila na malok’ila mipoitra ka misy fanontaniana tonga ao an-tsain’ilay mihaino. 🕵️‍♂‍🔒

- Matetika ny zavatra tiana afenina dia misy mampipoitra azy, noho ny fomba fanazavana misy mampiahiahy na misy tsy mitombina akory ; na koa tonga amin’ilay fitenenana hoe : “Kobokoboin’ny marina ka milaza tsy anontaniana” 🔮🤫

Koa raha misy zavatra tsikaritrao fa misy afenina na tsy mitombina dia teneno hoe : “Sola mindran-kety, ka mahabe eritreritra”, ilazanao amin’ny fomba ankolaka fa misy mampiahiahy ilay resaka zaraina aminao. 🗣️💬

Mankasitraka anao namaky hatreto !

Photo de Mikita Yo sur Unsplash

'esprit

MAMAHA OLANA MAHAFINARITRA
17/04/2025

MAMAHA OLANA
MAHAFINARITRA

ANTONY 02 LEHIBE MAHATONGA NY OLONA HANJIFA NY VOKATRA NA SERIVISY IRAY.

Tsy misy antony 1000 mahatonga olona hividy vokatra iray. Fa 2 monja.

Raha tianao hahomby ny orinasanao, dia tokony ho azonao tsara ireto 2 antony lehibe ireto. Ary amin’ny fiofanana hananganana orinasa ho avy izao dia hianatra lalina momba azy ireo isika.

1. Mamaha olana

Ny antony voalohany dia satria mamaha olana ny vokatra na ny tolotrao.

Izay vokatra na tolotra mahavaha olana dia tsy maintsy hahita mpividy.

Tsy mila mamorona olana vaovao ianao, fa mila mijery ny olana efa misy ary manolotra vahaolana mazava, mahomby ary mora azo.

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe:

Inona marina ny olana vahan’ny vokatra na serivisinao ?

Hainao ve ny mitondra sy mampahafantatra tsara ilay vahaolana ?

Eto Madagasikara, feno olana isan-karazany :

Fisian’ny aretina sy tsy fahampian'ny fanafody : Orinasa mpamatsy fanafody

Fikorontanan’ny fahadiovana amin’ny toerana maro : Orinasa fanadiovana trano sy orinasa

Fahasahiranana amin’ny fitaterana sy fandefasana entana : Orinasa toy ny DHL, manolotra fandefasana entana haingana sy azo antoka

Tsy fahampian’ny rano madio : Vokatra fanadiovana rano

Fahasahiranana amin’ny fandoavana vola sy ara-bola : Vahaolana ara-teknolojia amin’ny fandoavam-bola (ex: mobile banking, e-wallet)

Torohevitra : Raha mbola tsy fantatrao hoe inona no asa atao, miezaha mitady olana vahana, amin’izay ianao afaka mamaritra tsara hoe inona no vokatra na serivisy tianao hapetraka.

Io fomba io dia tena matanjaka satria efa hita mialoha fa ilain’ny olona marina ilay zavatra.

2. Mitondra fahafinaretana sy zavatra mahafinaritra ny olona

Ny antony faharoa dia satria manome fahafinaretana, fifaliana, expérience mahafinaritra na fiainana tsara kokoa ilay vokatra na serivisinao.

Tsy voatery hahavaha olana lehibe ilay zavatra ataonao, fa raha mahafaly sy mahasambatra ny olona, dia mety ho lasa ihany koa.

Ny Olombelona mantsy tia zavatra manaitra ary mampitsiky.

Ireo sehatra lehibe amin’ity sokajy ity :

Gastronomie / Sakafo : Ohatra, pizzeria izay manolotra pizza matsiro sy manintona, traikefa miaraka amin’ny fianakaviana sy namana.

Lamaody sy hatsarana : Akanjo, kiraro, makiazy, loko volo…

Spa sy massage : Fitoniana sy fialam-boly ho an’ny saina sy vatana

Toerana fialamboly : Zaridaina, cinéma, karaoké

Sary sy horonan-tsary : Memories sy traikefa mahafinaritra

Ny olona dia mividy fahatsiarovana, traikefa, tsiky, traikefa hafa amin’ny fiainana. Raha afaka manome izany ianao, dia azo antoka fa misy tsena miandry anao.

BONUS:

Mahomby indrindra : ampidiro miaraka ireo antony roa ireo

Tena tsara raha mahita vokatra na serivisy izay sady mamaha olana no manome fahafinaretana ianao.
Ohatra :

COTISSE : Mamaha olana amin’ny fitaterana (vahaolana) sady manolotra fiara manara-penitra sy traikefa mahafinaritra (fahafinaretana).

Orinasa pizza : Mampihena ny olana amin’ny fikarakarana sakafo (tsy misy manamboatra intsony), sady manome traikefa mahafaly amin’ny tsiro sy ny fizarana amin’ny hafa.

Amin'ity fiofanana natokana hanampiana anao hahita hevitra mazava sy azo tanterahina amin’ny fananganana ny orinasanao ity dia

Homena anao teknika 7 ahafahanao mamorona idée de projet azo antoka sy mahomby izahay.

Homena hevitra 100 amin’ny projet azo tanterahina, mifanaraka amin’ny tsena sy ny zava-misy eto an-toerana

Hitarika anao hanokatra ny saina sy hanomboka hanorina tetikasa mifanaraka amin’ny tanjanao

FIOFANANA FANANGANANA ORINASA 01 MAY AO AMIN'NY ANJARY HÔTEL TSARALALANA.

Address

Bazarikely
Fort-Dauphin
614

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Miroso Together posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share