Ma tv News

Ma tv News Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ma tv News, TV Channel, Ankorondrano, Ivato.

04/06/2026

MATV- IZY ILAY MAHERY du 04 JUIN 2026

04/06/2026

Tafita any amin’ny manasa-dalan’ny Pureplay Football League ny ekipan’ny AJESAIA sy ny CFFA, rehefa nisongadina tamin’ny ampahefa-dalana miverina notanterahana teny amin’ny ELGECO PLUS Stadium By Pass, ny alarobia 03 Jona lasa teo.

04/06/2026

Taorian’ny fahavitan’ny ampahefa-dalana miverin’ny Pureplay Football League, dia samy nanana ny fanehoan-keviny ny mpanazatran’ny AJESAIA, AS Sainte Anne, COSFA, CFFA.

04/06/2026

Hanolotra fandaharana vaovao ao amin'ny chaîne Gasy Star ho an’ireo mpitia fanatanjahantena ny Startimes manomboka ny 11 Jona ka hatramin’ny 19 Jolay 2026. Eo ihany koa ny tolotra goavana ataon’izy ireo manomboka ny fiandohan’ny volana jona ity hatramin’ny 31 jolay.

04/06/2026

Ao anatin’ny fanohanan’ny Airtel Madagascar ny tanora malagasy sy ireo mana-talenta amin’ny famoronana izay maneho fivoarana, dia voafidy ho masoivohon’ny Airtel ny mpanakanto Ljo ary nohavaozina ihany koa ny fiarahamiasa amin’ny Valisoa. Nampafantarina androany izany teny amin’ny foiben’ny Airtel Alarobia.

04/06/2026

Tontosa ny maraina teo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fivondronan’ny orinasa eto Madagasika na ny ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM) sy ny Transparency International Madagascar. Tanjona ny hanamafisana ny fitantanana tsara sy hiadiana amin’ireo fomba fanao tsy manara-dalàna eo amin’ny sehatra tsy miankina, indrindra ny kolikoly izay sakana ho an’ny fampandrosoana.

04/06/2026

Notanana vonjimaika eny amin’ny mpitandro filaminana ny komandin’ilay sambo mpitondra solika Rosiana Tagor, izay nosakanan’ny Tafika an-dranomasina Frantsay teny amin’ny Ranomasimben’i Antlantika ny faran’ny herinandro teo, araky ny nambaran’ny Mpampanoà Lalàna ao Brest.

04/06/2026

Mitohy ny resabe manodidina an’i Député Rajerison Antoine taorian’ny fiparitahan’ny vaovao milaza fa mety hisy ny dingana hanalana ny tsy azo enjehina na immunité parlementaire ananany. Voatonona ao anatin’ny raharaha iray anaovana fanadihadiana izy, araka ireo vaovao niely tao amin’ny tambazotran-tserasera. Namaly izany androany ny solombavambahoaka Rajerison Antoine.

04/06/2026

Taorian’ireo tsikera sy fanaratsiana samihafa niparitaka tato ho ato mahakasika ny fitantanana ny Faritra Analamanga, dia namaly ampahibemaso izany androany ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ramatoa Clémence Raharinirina. Nambarany fa tsy mitombina ny filazana fisian’ny ireo voalaza ho forongony eo anivon’ny fitantanana, ary ny zava-bita no tokony ho fototry ny fitsarana ny asa ataon’ny tompon’andraikitra.

04/06/2026

Tontosa omaly tetsy amin’ny lapam-panjankana Ambohitsirohitra ny fifanakalozan-kevitra izay nahitana ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Primatiora, ny Minisiteran’ny Fanavaozana ary ny FFKM. Tanjona tamin’ity fivoriana ity moa ny hirosoana amin’ny fandaminana ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena.

Address

Ankorondrano
Ivato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ma tv News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category