Vaovao Eto Antsirabe

Vaovao Eto Antsirabe vaovao misy eto Antsirabe

ANTSIRABE     -    ANTSIRABEFIFANINANA TANANA MADIO SY MIVOATRA, MBOLA HO LAVITRA NY EZAKA      Tsy ho mora ny asa miand...
20/05/2025

ANTSIRABE - ANTSIRABEFIFANINANA TANANA MADIO SY MIVOATRA, MBOLA HO LAVITRA NY EZAKA
Tsy ho mora ny asa miandry ireto comité Adhoc ireto satria raha ny zava misy hita maso sy hiainan’ny mponina no resahina dia latsaka ankaterana I Vakinankaratra indrindra fa ny eto ambonivohitra. Teboka iray ilazana izany ny faharatsian’ny lalana mampitohy ireo kaominina manodidina. Ny tsy fandriam-pahalemana hiainan’ny olona etsy sy eroa.
© Midi Madagasikara

𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗛𝗢𝗠𝗢𝗦𝗘𝗫𝗨𝗔𝗟𝗜𝗧𝗘́ 𝗡𝗬 𝗣𝗔𝗣𝗔 𝗟𝗘𝗢𝗡 𝗫𝗜𝗩Hanohy ireo asa natomboky ny Papa Fransoa  ny Papa vaovao Léon_XIV, indrin...
18/05/2025

𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗡𝗬 𝗛𝗢𝗠𝗢𝗦𝗘𝗫𝗨𝗔𝗟𝗜𝗧𝗘́ 𝗡𝗬 𝗣𝗔𝗣𝗔 𝗟𝗘𝗢𝗡 𝗫𝗜𝗩
Hanohy ireo asa natomboky ny Papa Fransoa ny Papa vaovao Léon_XIV, indrindra ny 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙨𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙖𝙙𝙮. 𝙏𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙞𝙠𝙮 𝙣𝙮 "𝙝𝙤𝙢𝙤𝙨𝙚́𝙭𝙪𝙖𝙡i𝙩𝙚́" velively ny tenany satria ny olombelona dia efa noharian'Andriamanitra ho lahy na vavy, raha ny nambarany.
𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙮 𝙇𝙖𝙢𝙚𝙨𝙖 𝙡𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚 𝙛𝙖𝙢𝙚𝙩𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣’𝙞 𝙋𝙖𝙥𝙖 𝙇𝙚𝙤𝙣 𝙓𝙄𝙑, mariky ny fanombohan’ny fitondrany amin’ny maha dimbin’i Masindahy Piera. Litorjia miavaka no tontosaina amin'izany izay hanolorana an’i Papa Leon XIV ny pallium sy ny peratra_mpanjono, izay mari-pamantarana manokana ny Papa.

Ny antony 😼Ny antony mbola tsy iterahako aloha😊Dia ho fitsinjovako ny hoavin’ny zanako😼Tsy tiako mantsy, handalo  taloha...
15/05/2025

Ny antony 😼
Ny antony mbola tsy iterahako aloha😊
Dia ho fitsinjovako ny hoavin’ny zanako😼
Tsy tiako mantsy, handalo taloha
Ny mbola fiainana ho lalovan’ireo taranako✋
Tiako ho zava-baovao no hitany🥰
Tiako ho rivo-baovao no hiainany😋
Ireo jaliko taloha tsy ho hitany 🤧😿
Fa ataoko milamina tsara ny fiainany😽
Harary manko ny aiko 😔
Raha izy hitsiriritra neny hafa😿
Ary tena tsy ho zakan’ny saiko🙀
Fa aleo miaritra kely dia tafa 👊
Noho izany; mianatra miketrika aloha👩‍✈️
Zay aho vao miroso manamboatra azy 😁
Sady tsy dia misy mahamaika koa😂
Aleo maka bahana, avy eo mandeha ho azy😘
''(Queen)

🚨VAOVAO FARANY : TSY MILAMINDAMINA NY TANY KA ALEO MAILO RY MALAGASY REHETRA. ‼️MISY MANAO MENACE HANAO KIDNAPPING NY ZA...
14/05/2025

🚨VAOVAO FARANY : TSY MILAMINDAMINA NY TANY KA ALEO MAILO RY MALAGASY REHETRA.

‼️MISY MANAO MENACE HANAO KIDNAPPING NY ZANAKO KA VOATERY NAFINDRA TOERANA @ TEMPLE IZAY HIAROVANA AZY MIANAKA.

‼️Manao ny fiarovana azy mianaka @ fomba rehetra i Grand maître Kohen ka mampitandrina ireo nanao menace sy mikasa Haka ankeriny ny zanako fa tsy misangy Aho ry sakaiza...

‼️Tsisy vola omena anareo kidnapper zany eo fa tonga de maso solon ny maso, ary nify solon ny nify ary liona dia mampiasa ny heriny rehetra hiarovany ny ankohonany . Grand maître Kohen Rivo Lala ctic ctac dou Madagascar.

✍️ Kohen Rivolala

"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i ...
14/05/2025

"Tsy miditra polemika be isika 😌, fa indraindray misy zavatra tsy dia sarotra loatra ny manatanteraka azy manerana an’i Madagasikara, nefa tsy manana izay ‘reflexe’ izay isika. Mety hoe tsy fanahy iniana nefa mandratra ny hafa… ka mila tandremana ⚠️.
Raha ny resaka fifaninana ahazahoana 200 millions ariary ho an'ny fokontany madio indrindra izao, dia hevitra tena tsara 👍✨. Fa tsy aleo ve :
- Na atao mahenika ireo renivohim-parintany rehetra 🏙️🧹,
- Na asiana fifaninanana isaky ny renivohim-parintany 🏆,
- Na atao mahenika an’i Madagasikara mihitsy fa asiana sokajy…
Mankasitraka 🙏 dia Mirary Soa antsika rehetra ! 🌟💚
Rija ✍️😊

Nisy nitifitra i Papa Joany Paoly II 44 taona lasa izay. 😢Nisy nitifitra tao amin’ny Kianja Md Piera i Papa Joany Paoly ...
13/05/2025

Nisy nitifitra i Papa Joany Paoly II 44 taona lasa izay. 😢

Nisy nitifitra tao amin’ny Kianja Md Piera i Papa Joany Paoly II ny 13 may 1981.
Mankalaza ny fetin’i Notre-Dame de Fatima ny katolika androany ary io loza nihatra tamin’i Papa io dia anisan’ny fanambarana/ faminaniana nataon’i Masina Maria tamin’ireo ankizy 3 nisehoany ny 13/05/1917.

Andro iray mana-tantara tafiditra ao amin’ny fahatsiarovan’ny rehetra ity fikasana hamonoana ny Ray Masina ity.
Tsaroantsika fa namangy ilay nitifitra azy tany am-ponja ny Papa rehefa sitrana ary nikonfesy taminy ity farany ity. Tsy nitana alahalo ary tsy nanao an-dolom-po tamin’ilay nikasa hamono azy izy fa namela ny hadisoany. « Ny fitiavana sy ny vavaka mandresy ny fankahalana ».

AMBALANIMADITRA (Repost)-Sary nolokoina- Fantantrao ve   na ilay toerana iray tao antampon-tananan'Antsirabe fandefasana...
13/05/2025

AMBALANIMADITRA (Repost)
-Sary nolokoina-

Fantantrao ve na ilay toerana iray tao antampon-tananan'Antsirabe fandefasana ireo Gadralava tamin'ny "faha-tany-gasy", izany hoe tamin'ny vanim-potoanan'ny Fahampanjaka? Somary eo andrefana kelin'ny Fiangonana Loterana Soamalaza no nisy azy ary Ambalanimaditra no niantsoana azy noho izy toerana fandefasana ireo olona voaheloka ka natao Gadralava. Tsy fantatra marina izay fotoana tena niandohan'ny naha toeram-pamonjàna io toerana io fa raha ny tombatombana dia efa tany amin'ny vanim-potoana nanjakan-dRadama I tany ho any. Saika ireo olona nanao heloka bevava toy ny halatra, ny vono olona, ary nisy koa ireo sasantsasany tamin'ireo voampanga ho "Mpanongam-panjakana" no nalefa tany. "Gadra lava" na "Manaratratra" no anarana niantsoana ireo Gadra tao Ambalanimaditra noho izy ireo nampiambozonana rojovy miainga avy any amin'ny tendany, manaraka ny tratrany ary mahazo ny tongony roa, ary mavesatra dia mavesatra tokoa ny lanjan'izany vy izany satria efa mahatratra ampolompolony kilao ny ho an'ny olona anakiray. Izany Ingahy Ranaingazato 12 Voninahitra izany no lehiben'ny Mpiambina ireo Gadra tao Ambalanimaditra sady nalaza ho masiaka be mihitsy hono. Teo Ambalavato teo no nisy ny tranon'Ingahy Ranaingazato. Ankoatran'ny maha Gadra ireo olona voaheloka ireo dia nampanaovina asa anterivoizina ihany koa izy ireo. Taty aoriana rehefa nanorim-ponenenana tao Antsirabe ny Misiona Norvezianina dia nomena fotoana hikaramana tamin'ny misionera ireo Gadra mba ahafahany manampy ny fivelomany. Mbola maro ireo Gadra tavela tao Ambalanimaditra tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Frantsay.

(Raha mbola misy te hahazo ilay Tantaran'ny Tanànan'Antsirabe nosoratan'i G.Chapus sy E.Birkeli (version pdf) dia alefaso amin'ny hafatra miafina ato amin'ny pejy Antipanahy Ramahery ny adiresy mailaka fa handefasako (⚠️ Maimaimpoana fa TSY AMIDY)

08/05/2025

Le cardinal américain Robert Francis Prevost est élu Pape sous le nom de Léon XIV

🇻🇦Setroka FOTSY.🇻🇦-Nahazo Papa isika mpino Katolika.©️ Katolika Info.
08/05/2025

🇻🇦Setroka FOTSY.🇻🇦
-Nahazo Papa isika mpino Katolika.

©️ Katolika Info.

08/05/2025

⏰ 18h 08 | La fumée est blanche… le 267e Pape est élu

11h52 Setroka mainty - 2
08/05/2025

11h52 Setroka mainty - 2

Cocarde : Polisy izy roalahy ireoNanambara ny teo anivon'ny ministeran'ny filaminambahoaka, fa polisy ireo roalahy, trat...
07/05/2025

Cocarde : Polisy izy roalahy ireo

Nanambara ny teo anivon'ny ministeran'ny filaminambahoaka, fa polisy ireo roalahy, tratra tany Behenjy ny 5 mai 2025, ary polisy amperinasa, no nanome fahazoan-dalana, tsy ara-dalàna, nahafahan'ny mpamily, nampiasa io cocarde io.

Misokatra ny fanadihadiana, ary tsy miray tsikombakomba, na miaro polisy mandika lalàna, ny eo anivon'ny ministeran'ny filaminambahoaka.

Samia tsara
Patrick

Address

Antsirabe, Vakinankaratra
Madagasikara
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao Eto Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share