DRJS Betsiboka

DRJS Betsiboka ❤️Bâtir la CONFIANCE🔥, encadrer la JEUNESSE 🧑‍🎓✍️et développer le SPORT⚽ à BETSIBOKA⛹️🏈🤼❤️

🌍🇲🇬 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2026 🇲🇬🌍✨ « Tontolo samihafa, hetaheta hiombonana » ✨📍 Antanimbary – Kaominin...
25/08/2026

🌍🇲🇬 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2026 🇲🇬🌍

✨ « Tontolo samihafa, hetaheta hiombonana » ✨

📍 Antanimbary – Kaominina Ambanivohitra Antanimbary
📅 28 sy 29 Aogositra 2026

Ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka, miaraka amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antanimbary sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, dia hanatanteraka ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora 2026, izay hatao ao Antanimbary ny 28 sy 29 Aogositra 2026.

Ity hetsika ity dia natao hampivondronana ny tanora, hampitomboana ny fahalalany momba ireo fahafahana misy eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana, ary hanamafisana ny fiaraha-mientana eo amin’ny tanora sy ireo tompon’andraikitra ary mpisehatra amin’ny sehatra samihafa.

🤝 Ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny hetsika

Anisan’ireo sampan-draharaha miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany :

🔹 Kaominina Ambanivohitra Antanimbary
🔹Ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maevatanana
🔹 Ny Fitaleavam-paritra ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka
🔹Ny Fitaleavam-paritra ny Asa, fampananana Asa, ary ny Asam-panjakana Betsiboka
🔹 Ny Fitaleavam-paritra ny Fanabeazam-pirenena Betsiboka
🔹Ny Fitaleavam-paritra ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa Betsiboka
🔹 Ny Fitaleavam-paritra ny Mponina sy ny Firaisankina Betsiboka
🔹 Ny Fitaleavam-paritra ny Serasera sy ny kolontsaina Betsiboka
🔹 Ny Fitaleavam-paritra ny Fizahantany sy ny Asa-tanana Betsiboka
🔹 Ny Conseil Régional de la Jeunesse Betsiboka
🔹 ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa.

💼 FAMPIASANA SY FAMPANANANA ASA HO AN’NY TANORA

Anisan’ny votoatin-dehibe horesahina mandritra ity fankalazana ity ny fampananana asa ho an’ny tanora amin’ireo sehatra samihafa.

Hifantoka amin’ireo fahafahana hahazo asa, fiofanana ary fivelomana azon’ny tanora idirana izany, ary koa amin’ireo sehatra afaka manampy azy ireo hanana asa sy hanorina ny hoaviny.

🎓 SEHATRA MANOKANA HO AN’NY MPIANATRA

Hisy ihany koa ny Sehatra ho an’ny Mpianatra, karakaraina miaraka amin’ireo sekoly sy oniversite mpiara-miombon’antoka, toy ny :

🔹 CNTEMAD
🔹 INSPN.Mad
🔹 META University
🔹 IUGM

Hatao indrindra izany mba hanomezana torohevitra sy tari-dalana ho an’ny mpianatra sy ny tanora momba ireo lalam-pianarana, fiofanana ary safidy samihafa azony arahina, araka ny fahaizany sy ny tanjony.

⚖️ DINIKA MOMBA NY FIAROVANA NY TANORA SY NY ANKIZY

Hisy ihany koa ny dinika sy fifanakalozan-kevitra momba ny fampahafantarana ireo lalàna sy fepetra miaro ny tanora sy ny ankizy, indrindra mikasika :

🔸 ny fanolanana ;
🔸 ny fanorisorenana ara-nofo atao amin’ny zaza tsy ampy taona ;
🔸 ny fanambadiana aloha loatra ;
🔸 ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy ;
🔸 ary ireo endrika herisetra sy fanararaotana mety hihatra amin’ny ankizy sy ny tanora.

Hotarihin’ny Ramatoa Substitut du Procureur Maevatanana izany dinika izany, ka hisy ny fanazavana momba ireo lalàna manan-kery sy ny fifanakalozana mivantana amin’ny tanora.

💼 DINIKA MOMBA NY ASA SY NY HO AVIN’NY TANORA

Hisy ihany koa ny dinika manokana hifantoka amin’ny sehatry ny asa sy ny fahafahana hahazo asa ho an’ny tanora.

Handray anjara amin’izany ny :

👤 Tale-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa Betsiboka
👤 Tale-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro Betsiboka
👤 Tale-paritry ny Fizahantany sy ny Asa-tanana Betsiboka
👤 Tale-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka
👤 Lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Asam-panjakana Betsiboka
👤 Mpandraharaha iray;

Hifantoka amin’ny fahafahana misy ho an’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa, ny fepetra takiana, ny lalana tokony harahina ary ireo sehatra mbola ahafahan’ny tanora misongadina ny fifanakalozan-kevitra.

🎉 DIABEN’NY TANORA

Ny Diabe iarahan’ny tanora no hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana.

Ho fotoana iray hanehoan’ny tanora ny firaisankina, ny fahavitrihana, ny fahaiza-mamorona ary ny fahavononany handray anjara amin’ny fampandrosoana izany.

📢 Havoaka tsy ho ela ny fandaharam-potoana feno sy ny antsipirihan’ireo hetsika rehetra hotanterahina mandritra ny 28 sy 29 Aogositra 2026.

🌱 Tontolo samihafa, hetaheta hiombonana !

🤝 Tanora miray hina, tanora mandray andraikitra, tanora manorina ny ho avy !

🇲🇬 Antanimbary – Betsiboka
📅 28 – 29 Aogositra 2026






17/08/2026

✨Soa fanararaotra ho an'ny tanora: Firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra✨

📣Miverina indray ny firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra izay fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena amin’ny alalan’ny Fitaleavan’ny Tanora sy ny Famirapiratana Iraisam-pirenena miaraka amin’ny Programme VNU Océan Indien: Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles , UNFPA Madagascar ary ny , ary 1000 be izao no tanora ho raisina.💥

✅ Tanora Malagasy ianao? Na lahy na vavy?
✅ Afaka manao firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra?
✅ Maneho sy manandratra ny talenta sy fahaiza-manao anao hampandrosoana sy ho fanavaozana an'i Madagasikara🇲🇬
✅Maniry ny hitondra ny anjara birikinao amin'ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momba ny Tanora?

🔗Indro no rohy hanokafana ny kaonty ho anao izay mbola tsy manana izany ao amin'ny UVP https://app.unv.org
👉Ireto kosa ireo vondrona hidirana rehefa voasokatra ny kaonty:
Vondrona 1: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271531
Vondrona 2: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271532
Marihana fa vondrona iray amin'ireo ihany no idirantsika.

📜Mahazo certificat d’appreciation avy amin’ny UN Volunteers izay tanora mahavita tsara ny firotsahana an-tsitrapo mandritra ny 10 herinandro.

▶️ Koa andao ary hanatombo traikefa sady hitondra ny anjara biriky amin’ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momban’ny Tanora💥

📢Lazao ny namanao hampita amin'ilay tanora namany koa ✨

15/08/2026

✨Soa fanararaotra ho an'ny tanora: Firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra✨

📣Miverina indray ny firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra izay fiaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena amin’ny alalan’ny Fitaleavan’ny Tanora sy ny Famirapiratana Iraisam-pirenena miaraka amin’ny Programme VNU Océan Indien: Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles, UNFPA Madagascar ary ny , ary 1000 be izao no tanora ho raisina.💥

🟦 Tanora Malagasy ianao? Na lahy na vavy?
🟦 Afaka manao firotsahana an-tsitrapo ampitain-davitra?
🟦 Maneho sy manandratra ny talenta sy fahaiza-manao anao hampandrosoana sy ho fanavaozana an'i Madagasikara🇲🇬
🟦 Maniry ny hitondra ny anjara birikinao amin'ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momba ny Tanora?

🔗Indro no rohy hanokafana ny kaonty ho anao izay mbola tsy manana izany ao amin'ny UVP https://app.unv.org
🔷Ireto kosa ireo vondrona hidirana rehefa voasokatra ny kaonty:
Vondrona 1: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271531
Vondrona 2: https://app.unv.org/opportunities/1784888021271532
Marihana fa vondrona iray amin'ireo ihany no idirantsika.

📜Mahazo certificat d’appreciation avy amin’ny UN Volunteers izay tanora mahavita tsara ny firotsahana an-tsitrapo mandritra ny 10 herinandro.

🔵 Koa andao ary hanatombo traikefa sady hitondra ny anjara biriky amin’ny fanavaozana ny Politikam-pirenena momban’ny Tanora💥

📢Lazao ny namanao hampita amin'ilay tanora namany koa ✨


Ministère de la Jeunesse et des Sports

🇲🇬 🇲🇬 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2026📅 12 Aogositra 2026📍 FianarantsoaAnkalazaina ao Fianarantsoa ny Andro I...
12/08/2026

🇲🇬 🇲🇬 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 2026

📅 12 Aogositra 2026

📍 Fianarantsoa

Ankalazaina ao Fianarantsoa ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora (JIJ) 2026, fotoana iray natokana hanomezana lanja ny tanora, hanehoan’izy ireo ny talentany, ny fahaiza-manaony ary ny vina ananany ho an’ny ho avy.

Tanora avy amin’ny Faritra 24 no tonga mandray anjara amin’ity fankalazana ity, amin’ny alalan’ireo hetsika samihafa toy ny atrikasa, hetsika ara-kolontsaina, ary indrindra ny Tsenaben’ny Tanora.

🤝 Mandray anjara amin’izany ihany koa ny Faritra Betsiboka.
Amin’ny alalan’ny Tsenaben’ny Tanora, tanora mpandraharaha roa vavy no nisolo tena ny Betsiboka :

👩🏽 ANDRIATSITOHAINA Malalatiana Nadine
➡️ Samb’aromes Madagascar
Miasa amin’ny sehatry ny vokatra ara-tsakafo, toy ny voankazo maina, tantely, chips de banane plantain ary menaka voanio.

👩🏽 RASOLONIRINA Olivetti Laurencia
➡️ Cré Art Maeva
Manao sy mivarotra satroka, kitapo ary porte-feuille.

📍 Stand N°25 no natokana ho an’ny Betsiboka, ka afaka nampiseho sy nampahafantatra ny vokatra sy ny fahaiza-manaony tamin’ireo mpitsidika izy ireo
✨ Fandraisana anjara iray mampiseho fa manana tanora sahy, mamorona ary vonona hiasa ny Faritra Betsiboka.

👏 Mankasitraka manokana ireo solontena roa vavy noho ny fahavononany nisolo tena ny Faritra sy nitondra ny anaran’ny Betsiboka tany Fianarantsoa.

🙏 Misaotra ny Minisitera misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ireo mpikarakara ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanatanterahana izao JIJ 2026 izao.

💙 Ny tanora no hery sy hoavin’ny firenena.
Betsiboka miaraka amin’ny tanorany! 🇲🇬






11/08/2026
03/08/2026
📢🇲🇬ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN' NY TANORA & TSENABEN'NY TANORA✴️🇲🇬Ao anatin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho...
01/08/2026

📢🇲🇬ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN' NY TANORA & TSENABEN'NY TANORA✴️🇲🇬

Ao anatin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora 2026, izay ho tanterahina any Fianarantsoa ny 11 ka hatramin'ny 14 Aogositra 2026, dia hikarakara ny "TSENABEN'NY TANORA" andiany faha-3 ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, izay hatao ny 12, 13 ary 14 Aogositra 2026.

📌Ity hetsika ity dia sehatra nasionaly ahafahan'ireo tanora mpandraharaha mampiranty sy mivarotra ny vokatra na tolotra atolony,mampivelatra ny tambajotra ara-barotra, mizara traikefa ary mampahafantatra ny harena sy ny fahaiza-mamokatra avy amin'ny faritra niaviany.

Noho izany dia manao Filazana Fiantsoana Mpirotsaka an-tsitrapo (AMI) ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka (DRJS Betsiboka) hisafidianana tanora mpandraharaha roa (02) hisolo tena ny Faritra Betsiboka mandritra ity hetsika nasionaly ity.

📍TANJONA
Ny fandraisana anjara dia mikendry ny :
▫️Hampiroborobo ny fandraharahan'ny tanora eto amin'ny Faritra Betsiboka;
▫️Hampahafantatra sy hampisongadina ny vokatra sy tolotra mampiavaka ny faritra;
▫️Hanohana sy hampiroborobo ny fandraharahana tanora;
▫️Hampifandray ireo tanora mpandraharaha avy amin'ny faritra samihafa mba hifanakalo traikefa;
▫️Hampitombo ny lazan'ny Faritra Betsiboka eo amin'ny sehatra nasionaly.

👉FEPETRA TAKIANA
Ny mpandray anjara dia tsy maintsy :
▪️Tanora lahy na vavy 18 ka hatramin'ny 35 taona;
▪️Teratany na monina sy miasa ao amin'ny Faritra Betsiboka;
▪️ Manana orinasa na asa fandraharahana ara-dalàna;
▪️Manana vokatra na tolotra azo aseho sy amidy (ny vokatra mampiavaka ny faritra dia tombony);
▪️Manana tahiry ampy hahafahana mivarotra mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny hetsika;
▪️Mahavita mandamina sy manatsara trano heva mirefy 3 m × 3 m;
▪️ Afaka manatrika mandritra ny fotoana rehetra hanaovana ny fampirantiana.

👉FOMBA HISAFIDIANANA
Ny fisafidianana dia hiorina amin'ireto lafin-javatra manaraka ireto :
🔹 Ny kalitao sy ny maha-miavaka ny vokatra na tolotra;
🔹 Ny fahafahana mamokatra sy mamatsy vokatra mandritra ny hetsika;
🔹 Ny maha-solontenan'ny vokatra ny harena sy ny mampiavaka ny Faritra Betsiboka;
🔹Ny fanarahana ireo fepetra takiana.

👉ATONTAN-KEVITRA ILAINA
Ireto avy no tokony halefa :
o Anarana sy fanampiny;
o Daty nahaterahana;
o Anaran'ny orinasa na ny fandraharahana;
o Famaritana fohy ny vokatra na tolotra;
o Habetsahan'ny tahiry misy;
o Anaran'ny pejy Facebook (raha misy);
o Laharana finday sy/na WhatsApp.

👉 FE-POTOANA
Ny antontan-taratasy dia aterina ao amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Betsiboka (DRJS Betsiboka na CAPJ Maevatanana) farafahatarany ny 03 Aogositra 2026 amin'ny 5 ora sy sasany hariva na alefa Whatsapp @ 032 89 063 04 .

➡️Manentana ireo tanora mpandraharaha arak'izany izahay mba hampiseho ny fahaiza-manaotsika amin'io fotoana io.




🎉 𝗙𝗔𝗠𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗢𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲 📅 01 Aogositra 2026📍 CCI Ivato – Antananarivo✅ Tontosa androany, te...
01/08/2026

🎉 𝗙𝗔𝗠𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗞𝗔𝗢𝗡𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗢𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟲

📅 01 Aogositra 2026
📍 CCI Ivato – Antananarivo

✅ Tontosa androany, teny amin’ny CCI Ivato, ny lanonana famaranana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora 2026, izay nanamarika ny fiafaran’ny dingana lehibe iray nahafahan’ny tanora naneho ny heviny, nizara ny traikefany ary nandray anjara mivantana tamin’ny fandinihana ny hoavin’ny firenena.

📣 Nandritra ity lanonana ity dia natolotry ny solontenan’ny tanora avy amin’ireo Faritra 24 manerana an’i Madagasikara, tamin’ny fomba ofisialy, teo anatrehan’ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madgasikara sy ireo Manampahefana Ambony eo anivon’ny Fanjakana, ny Fehin-kevitra Nasionalin’ny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora.

🗣️ Io famerenana sy fanolorana ireo fehin-kevitra io dia maneho ny feon’ny tanora Malagasy, ny fanantenany, ny hetahetany ary ny vina entiny handray anjara amin’ny fanorenana sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.

👏 Amin’izao famaranana izao dia maneho fisaorana sy fankasitrahana lalina ho an’ireo tanora rehetra nandray anjara tamin’ity fikaonandoha ity, hatramin’ny dingana voalohany teny anivon’ny Kaominina, nandritra ny Fikaonandoham-paritra, ka hatramin’ny Fikaonandoham-pirenena.

🤝 Nandritra ireo dingana rehetra ireo dia nasehon’ny tanora ny fahavononany hifampihaino, hifanakalo hevitra, handray andraikitra ary hitondra vahaolana. Na teo aza ny fahasamihafan’ny fiaviana sy ny hevitra, dia nahavita niara-nisaina sy niara-namolavola vina iombonana ho an’ny hoavin’i Madagasikara izy ireo.

🌟 Naneho mazava ny tanora fa manana faniriana handroso, hivoatra ary handray anjara amin’ny fanovana. Tsy mijanona amin’ny fanehoana olana ihany izy ireo, fa vonona koa hitondra hevitra, hanolotra vahaolana ary ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena.

💚 Fisaorana manokana ho an’ny Delegasionin’ny Tanora avy amin’ny Faritra Betsiboka, izay nitondra tamim-pahitsiana sy tamim-pireharehana ny feon’ny tanora eto amin’ny Faritra tany amin’ny sehatra nasionaly.

🗣️ Nampitain’izy ireo araka ny tokony ho izy ireo hevitra, tolo-kevitra ary laharam-pahamehana nivoitra nandritra ny dingana samihafa teto Betsiboka, ka nentin’izy ireo tany amin’ny sehatra nasionaly ny tena feon’ireo tanora avy amin’ny Kaominina sy Distrika samihafa, tsy nisy novaina na navadika.

🙏 Misaotra anareo rehetra tamin’ny fahavitrihana, ny faharetana, ny fahamatorana ary ny fanoloran-tena nasehonareo nandritra ity dingana manan-tantara ity.

✨ Niteny ny Tanora. Nihaino ny Fanjakana. Ary ankehitriny, fotoana izao handraisana andraikitra sy hanatanterahana ireo vina sy fehin-kevitra iombonana
💚 Tanora mandray andraikitra, Tanora manangana ny hoavy!






𝟑𝟎 𝐉𝐎𝐋𝐀𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐂𝐈 𝐈𝐕𝐀𝐓𝐎 🇲🇬Miditra...
30/07/2026

𝟑𝟎 𝐉𝐎𝐋𝐀𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟔 | 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐑𝐎𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 𝐄𝐓𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐂𝐈 𝐈𝐕𝐀𝐓𝐎 🇲🇬

Miditra amin’ny asa anaty vaomiera androany ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora, izay andraisan’ireo solontenan’ny Tanora avy amin’ny Faritra samihafa anjara.

📍Lohahevitra dimy (5) no nodinihina tamin’izany:
✅ Sosialy
✅ Politika sy Fitantanana
✅ Toekarena
✅ Tontolo iainana
✅ Kolontsaina

Nandray anjara mavitrika tamin’ireo sehatra rehetra ireo solontenan’ny Tanora avy amin’ny Faritra Betsiboka, tamin’ny alalan’ny fanohanana sy fampitana ireo hevitra ary soso-kevitra efa nivoitra nandritra ny Fikaonandoham-kaominaly sy ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora taty Betsiboka..

Nafana sy nahitam-bokatra ny adihevitra, ary samy nomena fahafahana haneho ny heviny sy handray fitenenana ireo Tanora rehetra.

Amin’ny ankapobeny dia mizotra am-pilaminana sy amim-pahavitrihana ny famaranana ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora ety amin’ny CCI Ivato.





💥 FIKAONANDOHAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 💥 Nanatrika ny Andro voalohany tamin’ny Fikaonandoham-Pirenen’ny Tanora ho an’n...
29/07/2026

💥 FIKAONANDOHAM-PIRENENA HO AN’NY TANORA 💥

Nanatrika ny Andro voalohany tamin’ny Fikaonandoham-Pirenen’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana ireo solontenan’ny Tanora avy amin’ny Faritra BETSIBOKA, izay notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, nanomboka androany faha 29 Jolay ka hatramin’ny 01 Aogositra 2026.

Delegasiona ahitana tanora 13 mianadahy, izay tarihin’ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena eto amin’ny Faritra Betsiboka, Andriamatoa ANDRIAMBOLOLONA Tojo.

Ity fikaonandoham-pirenena ity dia sehatra lehibe ahafahan’ny tanora maneho ny heviny, mandray anjara amin’ny fanavaozana ary mitondra ny feon’ny tanora avy amin’ny Faritra Betsiboka eo amin’ny sehatra nasionaly.

🤝 Mirary fahombiazana ho an’ny delegasionan’ny Tanora Betsiboka mandritra izao fikaonandoham-pirenena izao!











Address

DRJS BETSIBOKA/CAPJ
Maevatanana
412

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRJS Betsiboka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share