31/08/2026
ANTSIAFABOSITRA
▶️ Fokotany Mandraty, Kaominina Antsiafabositra, Distrikan’i Maevatanana.
▶️Natao androany faha 31 Aogositra 2026, tao amin'ny Lapan'ny Faritra Betsiboka. Taorian’ny hai-trano niseho tany amin’ny Fokontany Mandraty. Trano 11 isa no may raha toa ka olona miisa 58 no tsy manan-kialofana. Tsy niraviravy tànana ny Lehiben’ny Faritra Andriamatoa TOMBOZARA ka nanolotra vary miisa 11 gony sy voamaina iray (01) gony ary kojakoja an-dakozia ho fijerena azy ireo.
▶️Tonga nandray izany ny Ben’ny Tanàna ao Antsiafabositra Andriamatoa RABEARISON Raphaël, izay sady nitondra teny fisaorana manokana ho an'ny Lehiben’ny Faritra solotenan'ny Fitondram-panjakana aty an-toerana. Ity farany izay naneho ny firaisankina fiaraha-mientana tamin’ireo traboina ihany koa.
▶️Nanentana ny mponina amin’ny tokony hitandremana amin'ireo afo eny manodidina tanàna indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny main-tany sy ny rivotra izao ny Lehiben’ny Faritra. Izay mety hitera-doza sy fahasimbana fotodrafitr'asa sy ny maro hafa ny tsy fitandremana kely.
📌Marihana fa Laharam-pahamehana ho azy ny fijerena akaiky sy fanehoana firaisankina amin'ireo vahoaka ato amin'ny faritra Betsiboka amin'ny tranga toy izao.