Manomboka amin'ny kely

Manomboka amin'ny kely [ Miainga ao an-tsaina ny Fahombiazana ]
Contact : 034 44 851 74
037 43 098 65

👉 MANOMBOKA AMIN' NY KELY ALOHA 💪

Aza ampitahaina amin'ny hafa ny tenanao.Izany dia manimba ny fiadanam-ponao. Jereo fa mahita ny fahombiazan'ny hafa iana...
03/05/2025

Aza ampitahaina amin'ny hafa ny tenanao.

Izany dia manimba ny fiadanam-ponao.
Jereo fa mahita ny fahombiazan'ny hafa ianao, ny tsikiny, ny fandreseny... ka manadino izay zavatra tsara efa vitanao sy atombokao amin'izao.

Mieritreritra ianao hoe tsy ampy ny ataonao, tara ianao, tsy misy dikany ny ezaka ataonao. Diso izany.

Mila mandroso ianao, amin'ny hafainganana mifanaraka aminao.
Mitombo ianao, miady mafy, manome izay tsara indrindra avy aminao — tena zava-dehibe izany.

Tsarovy: ny fifaninanana tokana tokony hataonao dia amin'ny tenanao.

Aoka ianao ho reharehan'ny dianao, na dia tsikelikely sy mangina aza. Ny zava-dehibe dia ny manohy hatrany.

Tsy very maina ny ezaka ataonao. Manorata ny tantaranao amin-kasahiana sy amin'ny herinao manokana !

Ⓜ️ Fitiavana Nomenjanahary

MANOMBOKA AMIN' NY KELY ALOHA 💪✍️

😲😲𝗘𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗻𝘆  #𝗺𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆  #𝗜𝗔 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗼!⭕Tsy afaka niteny nandritra ny 18 taona noho ny fahatapa...
01/04/2025

😲😲𝗘𝗳𝗮 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘃𝗶𝘁𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗻𝘆 #𝗺𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗻𝘆 #𝗜𝗔 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗼!

⭕Tsy afaka niteny nandritra ny 18 taona noho ny fahatapahana lalan-dra (AVC) ilay vehivavy Kanadiana 47 taona antsoina hoe Ann. Afaka miteny indray anefa izy amin’izao noho ny sy IA. Io fitaovana io dia mamaky ny eritreriny ary mandika izany ho lasa feo ao anatin’ny iray segondra monja. Mbola voafetra ho 1.024 anefa ny isan'ny teny azony ampiasaina.

⭕Ity fitaovana ity dia novolavolain’ny mpikaroka any Kalifornia, izay mamadika ny eritreritra ho lasa feo amin’ny fotoana tena izy. Na dia mbola amin’ny dingana fitsapana aza izy amin'izao dia antenaina ho azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro amin’ny 5 ka hatramin’ny 10 taona ho avy.

Aza menatra amin’ny fiainanao.Aza matahotra izay ho lazain’ny olona hoe mahantra.Aza menatra mihitsy manendy atody na mi...
19/03/2025

Aza menatra amin’ny fiainanao.

Aza matahotra izay ho lazain’ny olona hoe mahantra.
Aza menatra mihitsy manendy atody na misy vahiny raha izay no mbola zakanao.
Aza menatra ny ho lazain’ny olona hoe kahihitra.
Aza menatra mandeha bus raha mbola izay no zakanao fa tsy hoe sao lazain’ny olona mahantra ka aleo mandeha taxi na manofa fiara.

Tsy misy tokony hiraharahanao izay vavan’ny olona any fa ny tanjonao dia tsotra : ahoana no hialako amin’izao fahasahiranana mahazo ahy izao.
Vao may, io fiainana te ho lazain’ny olona mpanana io no tena mampahantra anao.

Misy olona mamondro fiara mihitsy mba ho lazain’ny olona hoe tafa izy, nefa ny sakafo sy ny hofan-trano mbola mampijaly.
Misy olona mody mividy zavatra lafo eo imason’ny namana mba handiovana ny eritreritr’olona fotsiny, nefa ny ao an-tokantrano zara fa misy ho anina.

Tsy tokony hiraharaha izay vavan’ny olona any ianao raha mbola manao kajy tsara mialoha ny hiantsenana sao tsy maharaka ny vola.
Tsy tokony hiraharaha izay vavan’ny olona any ianao raha mbola mahavita mijery prix mialoha ny hividy zavatra iray sao tsy zaka.
Tsy tokony hiraharaha izay vavan’ny olona any ianao raha toa ka mbola mijery vidin-tsakafo ao anaty menu mialoha ny hanao “commande”.

Tsy ny hitan’ny olona ho toy ny mpanana no zava-dehibe fa ianao mpanana mihitsy.

Ataovy aloha ny ezaka androany,
Ataovy aloha ny fitsitsiana.
Mifantoa aminy fidiram-bola fa tsy aminy vavan’olona
Avelao ny olona hiteny izay hoteneniny fa indray andro any ho tonga ny fotoana tsy hijerenao vidin-javatra mialoha ny hividy fa tonga dia vidina satria tsy hatahoranao ny vidiny amin’izay fotoana izay.

Iza daholo ny olona mifantoka aminy fandrosoana sy ny fampiakarana ny fidiram-bola ato fa tsy mifantoka aminy vavan’olona na izay eritreretin’olona ?

Ho avy zao ny fety, dia tokony efa mipetrapetraka ny paik’ady hampidirana vola be fa tsy ny handaniana vola be

Fitiavana Nomenjanahary
MANOMBOKA AMIN' NY KELY ✍️

Mankasitraka Mr Joel Razafindralema. 🙏🙏
14/03/2025

Mankasitraka Mr Joel Razafindralema. 🙏🙏

1-Tongotra iray ataovy any amin'ny université, tongotra iray ataovy aty amin'ny business.
Atomboy amin'ny fanaovana revendeur aloha, vadi-barotra, (sera na bizina hoy ny sasany).
Mividiana produit iray dia amidio indray fa angalao tombony.
Samy efa nanomboka sy nandalo teo daholo n'iza n'iza Grand hitanao androany...
Atomboy amin'izay misy anao.
Atomboy amin'izay kely eo ampelatananao.
Ataovy azo antoka fotsiny hoe manana source de revenue ianao fa tsy miantehitra 100% amin'ireo Ray aman-dReninao.

2- Mialà tsikelikely ao anaty zone de confort-nao, Mianara mandeha irery, mianara miady irery, mianara mi-affronté challenges , asio mafy ny tenanao dieny mbola tanora ianao.
Tadidio fa ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy.

3-Mizàra mamaky boky,manaova recheche, manovoza fahalalàna, manaraha conférence ,manaova formation mba ahazoanao informations.
-Ampiakaro ny niveau-ny capacité interne-nao.
Tadidio fa mihazakazaka be ny fandrosoan'ny technologie, ataovy azo antoka fa mandroso mifanaraka amin'izay koa ny sainao sy ny fahalalanao.
Tadiavo aloha ny mahasoa vao ny mahafinaritra.

4- Aza miantehatra sy miandry lova avy amin'ireo Ray aman-dReninao fa mivonòna hamorona ny empire-nao.
Raha capable nahavidy tany sy nahatsangana trano tamin'ny alalan'ny herin-tsandriny ireo Ray aman-dReninao dia capable ny hahavita sy hametraka izany ho an'ny taranakao koa ianao amin'ny alalan'ny herin-tsandrinao.

5- N'inona n'inona zavatra ataonao, n'inona n'inona tanjona tratrarinao dia ankino amin'ny Tompo hatrany,
Aza manao zavatra amin'izao fotsiny tsy misy présence spirituel.
Hoento ambavaka hatrany izay dingana ho rasinao.

Ndao hanova zavatra

🙏❤️
12/03/2025

🙏❤️

📢 PARTAGEO SVP FA BETSAKA NO MITADY ASA ANY HO ANY 🎯

NOUS RECRUTONS:

🎖️ 02 Gérantes d'agence (F)

🎖️ 01 Responsable des opérations (H)

🎖️ 03 Assistantes de direction (F)

🎖️ 05 Agents de sécurité (gardiens de nuit) (H)

🎖️ 01 Secrétaire polyvalente (F)

🎖️ 02 Community Managers (H/F)

🎖️ 01 Rédactrice (F)

🎖️ 01 Responsable des partenariats et sponsoring (H/F)

🎖️ 03 Commerciales (F)

🎖️ 01 Chauffeur de direction (H)

🎖️ 02 Chauffeurs pour particulier (H)

🎖️ 01 Chauffeur-mécanicien (H)

🎖️ 02 Mécaniciens (H)
...

Vous habitez près d'Analamahintsy, Ambohitrarahaba ou Ivandry ?
Vous êtes jeune, dynamique et motivé(e) ?
Vous disposez d’au moins 6 mois d’expérience ou avez effectué des stages pertinents ?

Postulez dès maintenant !

Envoyez votre CV et votre lettre de motivation accompagnés de vos prétentions salariales à l’adresse suivante :
[email protected]

Date limite de candidature : 30 mars 2025

☎️ 034 11 250 00

----------------------------------------------------

Pour plus d’informations sur les offres de recrutement, consultez les commentaires ci-dessous (après avoir cliqué sur la photo.)

Salama daholo tompoko ! 🤗Misy karazana idée de business Maro afaka atao   fa ity anakiray ity no hatoroko anareo androan...
06/03/2025

Salama daholo tompoko ! 🤗

Misy karazana idée de business Maro afaka atao
fa ity anakiray ity no hatoroko anareo androany ...
mety tsara amin'izao vanim-potoanan'ny orana Zao ity an😁
Ary anisan'ny tsy Dia Mbola misy mpanao loatra ka raha mahasoa anao Dia mba zarao sy ampitapitao mba ho hitan' ny namana rehetra é🤗🙏🙏

Raha ohatra ka Mila fanazavana amin' ny fomba fanantanterahana ity business ity ianao Dia manasa anao mba hi' abonnez ny Page Fitiavana Nomenjanahary Ary mandefasa hafatra miafina fa ho atoroko anao ao ny andinindininy rehetra 😁

Nb : Tsy misy asa ratsy zany fa hajao sy tiavo Ary ampiasao Zay Kely misy eh!



MANOMBOKA AMIN'NY KELY ✍️

« NY ANDROANY TSY HIVERINA INTSONY MANDRAKIZAY Rehefa fantatrao hoe mandalo fotsiny ary misy fiafarana izao fiainana  iz...
06/03/2025

« NY ANDROANY TSY HIVERINA INTSONY MANDRAKIZAY

Rehefa fantatrao hoe mandalo fotsiny ary misy fiafarana izao fiainana izao dia tonga saina ianao hoe mila mahay mifankatia foana dia mila manao ny marina.

Fohy loatra ny fotoana raha hiady aman’olona lava.
Fohy loatra ny fotoana hanaovana ratsy sy hanimbàna fiainan’olona.

Raha maty aho anio dia inona mba zavatra tsara ary mivaingana mba vitako? Inona no mba tadidin’olona amiko?
Iza ireo olona mba tafantsangana tamin’ny alalako?
Iza ireo voatahy tamin’ny alalako?
Vita ve ny mission-ako tety an-tany?

Lanio ny andronao hanomezana fitiavana ny manodidina anao.
Lanio ny fotoananao hiarahanao mifaly amin’ireo olona tianao sy tia anao.
Lanio ny fotoananao hanompona indrindra fa hanohanana ny hafa.
Hataovy tsapan’olona hoe olom-pitiavana ianao.
Hataovy hitan’olona fa ao anatinao Andriamanitra.

Marka 12:31 « … Tiava ny namanao tahaka ny tenanao »

✍️📸 Tahina Randriamahefa

Izay  mahery   ihany   no  Velona 💪
04/03/2025

Izay mahery ihany no Velona 💪

01/03/2025

𝐅𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝟎𝟑 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐦𝐛𝐚𝐭𝐫𝐚

𝟏. 𝐅𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐤𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚.
Aza miraharaha izay tenenin’olona momba anao sy izay fihevitry ny hafa anao. Raha misy zavatra tianao hatao, ka tsy manao ratsy ianao, dia ataovy fa aza manahy izay lazain’olona. Izany no iray amin’ny zavatra nahatonga ahy ho sambatra, satria raha hihaino foana izay teneninao, dia ho matin’ny eritreritrao ianao.

𝟐.𝐅𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚.
Na manana na tsy manana, na misy olana na tsia, mahaiza mankafy ny fiainanao. Tsy misy mahalala ny ampitso, ka ilaina ny manararaotra ny andro iainana. Mametraha tanjona hivoarana, fa amin’izay fotoana rehetra ilaina kosa, dia ankafizo ny anio.

𝟑. 𝐅𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐢𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚.
Ampio ny fianakavianao (ray aman-dreninao, zandrinao, zokinao, sns). Aza miandry hoe mila manana vola be vao manampy, fa izay kely vitanao dia efa manan-danja. Ampio koa ireo manodidina anao, na ara-bola, na amin’ny fizarana fahalalana hanampy azy hivoatra. Ho ahy manokana, anisan’ny fahasambarako ny fahitako olona nandroso sy nahomby noho ny fanampiako.

Tsy voatery ho milliardaire vao afaka manome. Na dia zavatra tsotra aza, raha manampy olona hivoatra, dia mampitombo ny hafalianao sy ny hasambaranao. Fa izay olona sarotra ampiana avelao any satria misy olona sarotra ampiana

Ny kadoa hanampiako azy dia hoe tiavo ny tenanao, tiavo ny fiainanao ary ankafizo ny dingana andalovanao.

Nahitako fahasambarana ireo dia zaraiko ho an’izay vonona hampihatra.

Réussir avec MartinRéussir avec Martin

[ Miainga ao an-tsaina ny Fahombiazana ]
Contact : 034 44 851 74
037 43 098 65

👉 MANOMBOKA AMIN' NY KELY ALOHA 💪

28/02/2024

Address

Mahajanga
Mahajanga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Manomboka amin'ny kely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share