
08/08/2025
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐.
Hohamasinina sy hotiavina anie ny Fo Masin'i Jesoa ao amin'ny Tabernakla manerana izao tontolo izao mandrapaha-tapitr'izao tontolo izao.
Deraina sy ankalazaina anie ny Fo Masin'i Jesoa anio sy mandrakizay.
Masindahy Jude, mivavaha ho anay ary ekeo ny fangatahanay. Amen!
Rainay any an-danitra (01)
Arahaba ry Maria (01)
Ry Masindahy Jude ilay mpanompo mendrika sady sakaizan'i Jesoa, ny fiangonana dia manaja anao, ary miantso anao ilay Olomasina mpamaha olana sarotra vahana.
Mivavaha ho ahy izay mampalahelo mitalaho anao aho, miangavy amin'ny Fo torotoro mba henoy ny fitalahoako ary mba omeo rariny satria ianao dia Olomasina mpamaly faingana ireo izay miantso anao, vonjeo aho, afaho ny fahoriako, mba angataho amin'Andriamanitra ny famahana ny olako rehetra fa indrindra ity olana ity......(teneno eo ilay olanao)
Mba ataovy ho isan'ireo olona mahazo fankasitrahana mandrakizay aho, manome toky anao aho ry Masindahy Jude fa hotsarovako ny valin'ny fangatahana izay nataonao ahy, ary hanome haja ho anao aho ho mpiaro ahy sy mpiahy ahy
Ho mariky ny fankasitrahako dia hizara ity vavaka ity aho mba hanasoa ireo hafa koa ary hanaparitaka fa ianao dia olomasina miahy ireo toe-javatra sarotra vahana. Amen !
Hotahiana anie ny Fo Masin'i Jesoa
Hotahiana anie ny Fo Madion'i Maria
Hotahiana anie i MD Jude Taddรฉ manerana izao tontolo izao sy mandrakizay
AMEN ๐