Vaovao tapatapany

Vaovao tapatapany Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vaovao tapatapany, Media/News Company, Tananarive 272, Mahanoro.

Fatin-jazakely hita tetsy amin'ny complexe Ampefiloha ..
28/10/2021

Fatin-jazakely hita tetsy amin'ny complexe Ampefiloha ..

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA TAO AMIN' NY BANKY TANY ILAKAKA : RAMATOA TALE IHANY NO NIKETRIKA NY FOMBA HAMAKIANA ILAY BANK...
28/10/2021

FANAFIHANA MITAM-PIADIANA TAO AMIN' NY BANKY TANY ILAKAKA : RAMATOA TALE IHANY NO NIKETRIKA NY FOMBA HAMAKIANA ILAY BANKY

✅ Ny 11 Oktobra lasa teo no nisy nanafika ny banky iray tao Ilakaka. Lasa tamin'izany ny vola mitentina 925 000 000ar. Nofatoran'ireo olon-dratsy ny tale lefitra sy ireo mpiambina ary ny Talen'ny banky kosa noentin'ireto jiolahy natao takalon'aina niaraka tamin'ny fiaran'ny orinasa. Rehefa nahare io fanafihana mitam-piadiana io ny mpitandro ny filaminana dia nanenjika an'ireo jiolahy ary nametraka ny sakana mba tsy hahafahan' ireo olon-dratsy mitsoaka lavitra. Nody ventiny ny ezaka nataon'ny Polisy ka tratra tao Andatabo-Toliara ireo olon-dratsy niaraka tamin'ny vola norobain'izy ireo.

✅ Rehefa nanohy ny fanadihadiana ny Polisy avy ao sampana heloka bevava dia fantatra fa nanomana tetika matipaika ireo olona hamaky ny banky ka ny talen'ilay banky ihany no tao ambadik'izany. Nisy ny fivoriana matetika nataony tao amina hotely iray tao Ilakaka niaraka tamin'ny sipany sy ilay tompona hotely sy ireo olona nalainy hanao ilay fanafihana.

✅ Olona miisa 11 ireo olona voarohirohy tao anatin'ilay fanafihana ka 02 ny vehivavy ary 09 ny lehilahy. Tafiditra anatin'izany ny talen'ny banky sy ny lefiny, ny sakaizan'ny tale , ilay tompona hotely , ary ireo olona nanao ny fanafihana sy niray tsikombakomba tamin'izy ireo.

✅ Rehefa natolotra ny fitsarana moa izy ireo dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo lehilahy miisa 07 , ireo vehivavy miisa roa kosa eny Antanimora raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpiambina miisa 02.

Vaovao farany mikasika an'ireo zaza izay voalaza fa lasan'ny Taxi tetsy Isoraka .Efa hita ihany ireo Zaza izay voalaza f...
28/10/2021

Vaovao farany mikasika an'ireo zaza izay voalaza fa lasan'ny Taxi tetsy Isoraka .

Efa hita ihany ireo Zaza izay voalaza fa very lasan'ny Taxi tetsy Isoraka ny atoandro teo .

Ilay renin'ireo Zaza no diso raha ny fanazavana voaray ,satria niala teo amin'ny toerana izay tsy azo hijanona izy ka voatery araka izany ilay taxi niodina lavitra namonjy ny renin'ireo Zaza.

Fiara lehibe iray nitondra razana no tra-doza teo Anosy Tsarafara ,Distrikan'ny Farafangana , Région Sud Est omaly 27 Ok...
28/10/2021

Fiara lehibe iray nitondra razana no tra-doza teo Anosy Tsarafara ,Distrikan'ny Farafangana , Région Sud Est omaly 27 Oktobra 2021 tokony tamin'ny 12 Ora alina.

Araka ny voalazan'ny loharanom-baovao dia vokatry ny fivakisan'ny kodiarana no nahatonga ny loza . Vokany ,tsy nisy aina nafoy.

Ramatoa iray no very zanaka izao atoandro izao tetsy Isoraka.Araka ny voalazan'ny loharanom-baovao dia niantsena tao ami...
28/10/2021

Ramatoa iray no very zanaka izao atoandro izao tetsy Isoraka.

Araka ny voalazan'ny loharanom-baovao dia niantsena tao amin'ny Bio 33 niaraka tamin'ny zanany kely 02 ity ramatoa ity , izay marihina fa nandeha taxi izy ireo ka navelany tao anatin'ilay taxi ireo zaza.

Non'ny niverina niantsena anefa ilay Ramatoa efa tsy teo itsony Ilay taxi sy ireo zanany roa.

Akorombe Ambositra..Aok'izay ity doron-tanety ity re tompoko o🙏
28/10/2021

Akorombe Ambositra..

Aok'izay ity doron-tanety ity re tompoko o🙏

Morondava :  Nahitana trangana Covid-19 miisa 04 tao an-toerana ny 18 hatramin'ny 27 oktobra 2021.Trangana covid -19 mii...
28/10/2021

Morondava : Nahitana trangana Covid-19 miisa 04 tao an-toerana ny 18 hatramin'ny 27 oktobra 2021.

Trangana covid -19 miisa 04 no hita tao Morondava n'y 18 hatramin'ny 27 Oktobra 2021 lasa teo. Tsaboina any an-tokantranony avy ary arahi-maso ny fahasalaman'izy ankehitriny.

Manoloana izany dia niroso tamin'ny fanentanana entina miady amin'ity Coronavirus ity, toy ny fampanajana ny fepetra sakana ny talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana, ahafahana misoroka ny mety ho fiparitahan'izany ao amin'ny Faritra Menabe ao

Sary indrana..

Lehilahy nanao akanjo lava fotsy be tetsy Analakely . Merci Moïse hoy Mr Le Maire 👊
28/10/2021

Lehilahy nanao akanjo lava fotsy be tetsy Analakely . Merci Moïse hoy Mr Le Maire 👊

⚽Eliminatoires Coupe du Monde FIFA - Qatar 2022 | J5 et J6Ny lisitr'ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenen...
27/10/2021

⚽Eliminatoires Coupe du Monde FIFA - Qatar 2022 | J5 et J6

Ny lisitr'ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny andro faha 5 sy faha 6

Tafapetraka tamin'ny fomba ofisialy  androany ny vato fototry ny Havoria, eo amin'ny tokontaniben'ny ORTM etsy Anosy. Ra...
27/10/2021

Tafapetraka tamin'ny fomba ofisialy androany ny vato fototry ny Havoria, eo amin'ny tokontaniben'ny ORTM etsy Anosy.

Raha ny vaovao voaray avy eny an-toerana dia ho vitaina ao anatin'ny volana vitsivitsy ny fananganana ity fotodrafitrasa ity , araka ny nambaran'ny minisiry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana.

''Manan-danja ny fananganana fotodrafitrasa toy izao, satria ivontoeran'ny fampitana ny vaovao manerana ny nosy ny ORTM'', hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Lehilahy 3, nisandoka ho Polisy niaraka taminy fanamina no nosamborin'ny Polisy nanao fisavana teny amin'ny RN1. Monina ...
27/10/2021

Lehilahy 3, nisandoka ho Polisy niaraka taminy fanamina no nosamborin'ny Polisy nanao fisavana teny amin'ny RN1. Monina etsy Tsarahonenana TANA-V izy ireo, ary handeha hitsidika ny sipany sy zanany any Dondona Soavinandrina Itasy ny iray tamin'izy ireo, ka maty teny an-dalana ny moto nentiny ka voatery natosika. Rehefa voasakana izy ireo dia nilaza ho Polisy miasa ao amin'ny Minisiteran'ny Tanora sy fanatanjahan-tena. Natao ny fanadihadiana ary fantatra fa misandoka andraikitra ry zareo. Natolotra ny fampanoavana androany izy telo lahy.

Miisa 02 no tena nanao fanamina Polisy antsoina hoe:

ANDRIAMANATOANDRO ANDRINIAINA NAMBINTSOA mipetraka TSARAHONENANA TANA , sy RAZAKAMANDIMBY FANIRY FABIEN mipetraka AMBOHIMANARINA TANA.
Ilay fahatelo kosa izay tsy nanao fanamina dia ANDRIANATOANDRO RIVOSON RADO mipetraka TSARAHONENANA (Mécanicien)

Loharano: Polisim-pirenena Soavinandriana Itasy

FANONGANAM-PANJAKANA ANY SOUDAN ️  🇸🇩Miisa  07 no maty, 140 maratra mafy vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro fi...
27/10/2021

FANONGANAM-PANJAKANA ANY SOUDAN ️ 🇸🇩

Miisa 07 no maty, 140 maratra mafy vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filamanana sy vahoaka any Soudan.

Mitohy ny fidinana an-dalambe ataon'ireo vahoaka any an-toerana manohitra ny hetsika fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila .

Address

Tananarive 272
Mahanoro
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao tapatapany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share