AJAPM

AJAPM 𝙰𝚖𝚒𝚌𝚊𝚕𝚎 𝚍𝚎𝚜 𝙹𝚘𝚞𝚛𝚗𝚊𝚕𝚒𝚜𝚝𝚎𝚜 𝚎𝚝 𝙰𝚗𝚒𝚖𝚊𝚝𝚎𝚌𝚑𝚜 𝙿𝚛𝚒𝚟é𝚜 𝙼𝚊𝚗𝚊𝚔𝚊𝚛𝚊

Ny SG ny AJAPM Frédéric RATOLONJANAHARY no voafidy ho filohan'ny ALJM 🚩Atsimo Atsinanana:📰FIKAMBANANA'NY MPANAO GAZETY:F...
30/11/2025

Ny SG ny AJAPM Frédéric RATOLONJANAHARY no voafidy ho filohan'ny ALJM 🚩Atsimo Atsinanana:

📰FIKAMBANANA'NY MPANAO GAZETY:FIFAMINDRAM-PITANTANANA

✅Notanterahina tao amin' ny Renivohim- paritra Atsimo Atsinanana Farafangana ny fifamindram-- pitantanana ( Passation ) teo amin' ny Filohan' ny ALJM teo aloha Andriamatoa ROULIER FAHAENIMANANA izay nahatapitra ny fe- potoana nitondrany, sy ny Filoha vaovao Andriamatoa RATOLONJANAHARY FREDERIC izay Filohan' ny Fikambanan' ny mpanao gazety aty amin' ny Faritra Atsimo Atsinanana.

📍Ny fisian'ny fikambanana toy izao, dia manampy amin’ny fanomezana fiofanana, fanatsarana ny kalitaon’ny asa fanaovan-gazety,mitarika ny fampandrosoana, ny matihanina, ary ny fanamafisana ny fiaraha-mientan’ny mpanao gazety eto amin’ny Faritra.

🤝 Mirary ny soa ny fikambanana !

Vaovao mampalahelo 😭Namoy namana ny fianakaviamben'ny mpanao gazety eto amin'ny Faritra Fitovinagny Nodimandry androany ...
19/07/2025

Vaovao mampalahelo 😭
Namoy namana ny fianakaviamben'ny mpanao gazety eto amin'ny Faritra Fitovinagny
Nodimandry androany maraina Sabotsy 19 Jolay 2025 i RAHANTARISOA Josée Marie Isabelle , mpanao gazety tao amin'ny RADIO RAKAMA Vohipeno sy tao amin'ny Radio TSIALA ao Vohipeno

Namela kamboty vao 3 volana i Tompokovavy

Ny ekipa manontolo eto amin'ny AJAPM dia miara-hory, mankahery sy mirary fiononana amin''ny fianakaviany sy ireo mpiara-miasa akaiky, ireo tapaka sy namany 😭

🎉🎉🎉FANENDRENA 🎉🎉🎉VOATENDRY HO DIRCAB NY CU NY FARAFANGANA FARITRA ATSIMO ANTSINANANA NY SECRÉTAIRE GÉNÉRAL NY AJAPM ( Am...
17/02/2025

🎉🎉🎉FANENDRENA 🎉🎉🎉
VOATENDRY HO DIRCAB NY CU NY FARAFANGANA FARITRA ATSIMO ANTSINANANA NY SECRÉTAIRE GÉNÉRAL NY AJAPM ( Amicale des Aournalistes et Animatech Privé de Manakara )
RATOLONJANAHARY Frédéric 🎉
Mirary soa amin'ny adidy Me le DIRCAB

✅𝗪𝗢𝗥𝗟𝗗 𝗖𝗟𝗘𝗔𝗡𝗨𝗣 𝗗𝗔𝗬: 𝗔𝗝𝗔𝗣𝗠 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼 Nandray anjara feno tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana na...
22/09/2024

✅𝗪𝗢𝗥𝗟𝗗 𝗖𝗟𝗘𝗔𝗡𝗨𝗣 𝗗𝗔𝗬: 𝗔𝗝𝗔𝗣𝗠 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗱𝗶𝗼

Nandray anjara feno tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana na 𝗪𝗼𝗿𝗹𝗱 𝗖𝗹𝗲𝗮𝗻𝘂𝗽 𝗗𝗮𝘆 ireo mpanao gazety avy ao Manakara tamin'ny alalan'ny 𝗔𝗺𝗶𝗰𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗝𝗼𝘂𝗿𝗻𝗮𝗹𝗶𝘀𝘁𝗲𝘀 𝗲𝘁 𝗱𝗲𝘀 𝗔𝗻𝗶𝗺𝗮𝘁𝗲𝗵𝗰𝘀 𝗣𝗿𝗶𝘃é𝘀 𝗱𝗲 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮 [𝗔𝗝𝗔𝗣𝗠 ] sy ireo fikambanana samihafa.

▪️ Nosafidiana ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra olona manao zotra mianatsimo atsinanana, tao Manakara;
▪️ Nanaovana fanadiovana faobe, narahana hetsika fanentanana isan-karazany nahitana ny fandraisana anjaran'ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo;
▪️ Mahatsiaro ho tompon'andraikitra manana adidy amin'ny tanindrazana ny mpanao gazety. Antony nanosika ny AJAPM nanao ny hetsika.

🌍Ny zoma fahatelon'ny volana septambra ny andro maneran-tany ho an'ny fanadiovana ny planeta tany. Ny sabotsy 21 septambra 2024 no nanamarika izany ny mpanao gazety tsy miankina eto Manakara.

Mankasitraka ♥️♥️
22/09/2024

Mankasitraka ♥️♥️

 Handray anjara isika eto amin'ny Ajapm💥💥💥💥
19/09/2024


Handray anjara isika eto amin'ny Ajapm💥💥💥💥

☄️☄️Nanao tatitra tamin'ireo mpikambana ato amin'ny Ajapm (Amicale des jounalistes et des animatechs privé de Manakara) ...
13/09/2024

☄️☄️Nanao tatitra tamin'ireo mpikambana ato amin'ny Ajapm (Amicale des jounalistes et des animatechs privé de Manakara) ,izay sady miendrika fifampizarana ihany, ny Sekretera Jeneraly Atoa Fréderic Ratolonjanahary ny tolakandro teo androany zoma 13 Septambra 2024 ,izany moa dia taorian'ny atrik'asa fampiofanana izay natrehany niaraka tamin'ny Alteranatives Madagascar tao Fianarantsoa ny 2,3,4,5 ary 6 Septambra.

Teto ihany koa no nanoloran'ity farany amin'ny fomba ofisialy manoloana ny filoha mpitarika ny fikambanana Atoa Fang's Joselito ilay marim-pankasitrahana amin'ny anaran'ny Ajapm avy amin'ny Alternatives Madagascar tany amin'ny fiofanana momba ilay fandaharan'asa IPAL2 tao Fianarantsoa ity.

Tanjona amin'izao tatitra sady fifampizarana izao moa ,dia mba ho fiaingana vaovao no sady ho fanetreketrehana ny fikambanana.

📷Bellarmin.

☄️☄️AMICALE  DES JOURNALISTES ET ANIMATECHS PRIVES DE MANAKARA (AJAPM)Anisan’ireo fikambanana niatrika sy nahazo taratas...
09/09/2024

☄️☄️AMICALE DES JOURNALISTES ET ANIMATECHS PRIVES DE MANAKARA (AJAPM)

Anisan’ireo fikambanana niatrika sy nahazo taratasy marim-pankasitrahana tamin’ny fampiofanana momba ny fandaharan’asa IPAL niarahana tamin’ny Alternatives Madagascar natao tao Fianarantsoa ny 1,2,3,4,5,6 Septambra 2024 teo ny fikambanan’ny mpanao gazety AJAPM na ny Amicales des journalistes et des anima-techs Privee de Manakara izay nisoloatenan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana Atoa Frederic Ratolonjanahary

Fampiofanana niompana tamin’ny Fitantanana sy fandrafetana ny teti-kasa ,ny fanaovana tombana ny teti-kasa ary fitrandrahana ireo loharanom-bola hampandehanana ny fikambanana sy ny maro hafa

fikambanana avy amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana, Amoron’i Mania, Haute Matsiatra, Ihorombe ary Vatovavy sy Fitovinagny no nanatrika izany tao an-toerana.

sary Alternatives Madagascar

Miarahaba Madame minisitry ny serasera sy ny kolontsaina VOLAMIRANTY,,Mirary soa anao ny akipa manontolo ny AJAPM
22/08/2024

Miarahaba Madame minisitry ny serasera sy ny kolontsaina
VOLAMIRANTY,,
Mirary soa anao ny akipa manontolo ny AJAPM

MANAKARA -Vita ny atoandro teo ny ala-fadin'ny Vinagny,ala-fady tahoarian'ny fihetsika mamoafady, fampandroana Amboa tet...
16/08/2024

MANAKARA -Vita ny atoandro teo ny ala-fadin'ny Vinagny,ala-fady tahoarian'ny fihetsika mamoafady, fampandroana Amboa teto @ vinagnin'i Manakara nataon'olona ka nivoahan'ny horonan-tsary izay niparitaka tato amin'ny Facebook ary niteraka resabe andro maromaro lasa izay .ny Ampanjakan'i Maroala araky ny foman-tany no nanao ny tso-drano , nitondra fifonana ihany koa ny fianakavian'ilay nanao ny hadisoana tamin'ny alalan'ny fikambanana FITEBE(Fikambanan'ny Teraky Betsileo)eto Manakara.
Tafa-petraka eny amoron'ny sisin'ny ranomasina Manakara be ihany koa ny takela-batom-pamantarana ny tsy tokony hatao momba ny fadifadin'ny ranomasina sy vinagny ho fisorohana ny tranga mamoafady toy ireny

Rédaction : Faré de Madagascar,Rossignol Rakotomalala
sary: ekipa AJAPM

Address

Radio RVS Tanambao Ombimena

316

Telephone

+261340786026

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AJAPM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to AJAPM:

Shortcuts

  • Want your business to be the top-listed Media Company?

Share