07/11/2025
Manakara, 07 Novembre 2025
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀G𝐍𝐘 - 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐑𝐀
𝐓𝐎𝐋𝐎-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐁𝐎𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐎 𝐋𝐎𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘
Vokatry ny haitrano nitranga tao amin'ny Fokontany Lokomby atsimo, Kaominina Lokomby, Distrikan'i Manakara ,Faritra Fitovinagny,izay namaizana sy nandravana trano miisa 108 ,dia tonga nanolotra an'ireto tolo-tanana ireto ny avy amin'ny fanjakana foibe, tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana,ny BNGRC ,ny Ministeran'ny Mponina,ny Ministeran'ny Tontolo iainana,ny Ministeran'ny Travaux Public.
Manoloana izany dia tonga tany an-toerana nitondra teny fankaherezana miaraka amin'ireo fitaovana toy ny "Tôle", vilagny,menaka,savony,voamaina,lamba fitafy, lamba firakotra,koveta ary fitaovam-pianarana ho an'ireo Mpianatra.
Tonga nanolotra ireo fitaovana rehetra ireo , ireo olo manakaja maro samihafa ato anatin'ny Faritra Fitovinagny.Tonga nanolotra solontena iany koa ny Solombavam-bahoaka Nadine Andriano .
📸 Bellarmin Robert Rasolomananivo
© FM 102.8 MHz Radio Zanagasy Manakara fans