11/08/2023
VAKIO KA ZARAO👈
Anatra ;
1) Fadio ny mitantara problème aminy namanao
2) Namana ilaina @ fiainana fa tsy fitantarana problème
3)Misy karazany maro ny namana ;
-Namana @ sakafo ( zany hoe isakiny mahatolotolotra zavatra ho azy anao misariaka aminao izy )
Namana ara-bola ( rehefa mitrosa vola izy mahazo dia courage aminao , rehefa tsy mahazo izy manjombona ny tarehiny )
Namana Mpiatsaravelatsihy ( Misy izy mitsiriritra ny vadinao no inamany aminao , misy izy hitsikilo anao dia mandray namana anao , tsy faly izy raha misy zavatra mba tsara azonao , mety ho fosainy aza ianao sy haratsiany ,sns...)
Namana be fialonana : raha mahazo akanjo tsara ianao dia mividy koa izy , mifaninana aminy zavatra azonao .
Namana mamarina an-davaka : Raha mila conseil aminy ianao ohatra hoe miady nareo mivady dia hoy izy : Isaraho any e , tena tsy rariny zao anaovany anao zao .
Namana mpisolekaka : Rehefa misy zavatra te ho azony aminao dia hatsarainy ianao .
Namana akaiky : azonao itantarana ny olana nao fa tsy ny marina rehetra no ambaranao azy , fadio mitantara ny vie privé nao manontolo afatsy ny Ray amandreninao ihany , izy tsy hanolo bato mafana anao zany .
Namana vehivavy sarin-dahy : ho anareo vehivavy aleo minamana amireny sarin-dahy ireny satria ireny tsy mba hifosa anao zany satria mizara 2 ny toerana misy azy eo @ fiainana , reny no tena miaro anao aza Raha misy probleme ianao.
Namana lahy sarimbavy : ho anao lehilahy aleo minamna amireny sarimbavy reny fa reny tsy mba mivadika aminao zany na hialona anao satria mizara 2 ny toerana misy azy @ fiainany.
---Tsy midika izany fa mitadiava namana otranizany fa io namana io koa anie sahalany zavatra mifandray ho azy fa tsy tadiavina .
Ny tena namana : dia miara ory aminao , miara mifaly aminao , na misy anao na tsisy dia eo foana izy , mizara zay kely ananany aminao , manome torohevitra mahasoa , mamaha ny olanao arakizay vitany , mitomany aminy andro mampitomany anao .
Ilaina ny namana nefa mitandrema
Teny soa ho atsika