25/08/2026
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ โ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ 2 000 ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ | ๐๐๐ฅ๐๐ญ๐ 25 ๐๐จ๐ ๐จ๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐ 2026
Taorianโny taona 2022, dia tanterahina androany, Talata 25 Aogositra 2026, eto anivonโny CISCO Nosy-Varika, ny fifantenana ampahibemaso ho anโireo mpampianatra ENF manodidina ny 2 000, izay miandrandra ny hahazo toerana raikitra eo anivonโny Fanjakana.
Mpampianatra 06 ihany no hofantenana aminโity dingana ity, ka izy ireo no horaisina ho mpampianatra raikitra eo anivonโny Fanjakana.
Mandritra ny hetsika dia atao ihany koa ny fanamarinana ampahibemaso ny mombamomba ireo mpampianatra, indrindra ny faharetanโny fotoana niasana, araka ny liste de base avy aminโny Minisiteranโny Fanabeazam-pirenena.
Mba hiantohana ny mangarahara aminโny fizotry ny fifantenana, dia ampitaina aminโny รฉcran gรฉant ny fanamarinana sy ny fizotry ny fifantenana, hahafahanโireo mpampianatra sy ny rehetra manatrika manaraka mivantana ny dingana.
Ny Tale-paritry ny Fanabeazam-pirenena Vatovavy, TOLOFAMBOLA Razanadrasedo Hรฉlรจne, sy ny Chef CISCO Nosy-Varika, RANDRIANARISON Fenolaza, no mitarika ny fanatanterahana ity hetsika ity.
Manatrika sy manara-maso izany ihany koa ny Lehibenโny Distrika Nosy-Varika, RAMANJATO Richard Paulin, ny solontenanโny Solombavambahoaka , ireo solontenanโny Fiadidiana ny Tanร na, ary ireo Chef de service.
Mpampianatra maro no tonga nanatrika ity fifantenana izay natao tao amin'ny Grande Salle Catholique Tsararivotra ity natao ampahibemaso, izay dingana lehibe sy mitondra fanantenana ho anโireo mpampianatra ENF miandrandra ny hahazo toerana raikitra eo anivonโny Fanjakana.