VONJY Pro Service

VONJY Pro Service .Astuce Informatique
Abonnez-vous
My Aro

21/07/2025

Tsy misy fuite ny Sujet bac 👋
Ka mifantoha tsara 🧠🎓
Mirary fahombiazana sy tohizo hatrany 🙏

🎓 Mirary soa ho an'ireo mpanao BACC rahampitso!Ho tonga amin’ny farany izao ezaka sy fianarana nataonareo nandritra ny t...
20/07/2025

🎓 Mirary soa ho an'ireo mpanao BACC rahampitso!
Ho tonga amin’ny farany izao ezaka sy fianarana nataonareo nandritra ny taona maro.
⏳ Raha efa tonga hatreto dia efa mahery ianareo!

🧠 Aza manahy loatra, fa ny fahatokisan-tena no fanalahidy.
🚿 Mialà sasatra tsara androany, mihinàna sakafo maivana, ary andramo ny matory aloha.

🔑 Astuces farany alohan’ny hanaovana fanadinana:
✅ Aza mianatra mafy intsony anio hariva – Avereno fohy fotsiny ireo hevi-dehibe.
✅ Ataovy eo am-pelatananao daholo ny fitaovana ilaina: stylos, carte d’examen, carte d’identité, sns.
✅ Tonga aloha eny amin’ny toerana fanadinana – mba hahafahana misaina mangina alohan’ny hanombohana.
✅ Mametraha fahendrena amin’ny famaliana – Raha tsy azonao ny fanontaniana iray, mandrosoa aloha, dia avereno any aoriana.
✅ Vakio tsara ny fanontaniana alohan’ny hamaliana — indraindray misy “piège” madinika.
✅ Angataho foana ny fahendrena sy fahatoniana – mety ho tena ilaina amin’ny ady lehibe!

---

💪 "Tsy ny mahay no mandresy, fa ny mazoto sy mino fa ho vitany!"
Mirary fahombiazana tanteraka ho anareo rehetra!
Mbola ianareo no ho lohany sy ho avin’i Madagasikara 🇲🇬!


11/07/2025

Kosongo yéyé
ABONNEO 🙏

11/07/2025


🎓 Arahabaina ry zaza afaka BEPC!Tonga soa amin'ny dingana manaraka amin'ny fiainana!Tandremo ny fakam-panahy, tohizo ny ...
10/07/2025

🎓 Arahabaina ry zaza afaka BEPC!
Tonga soa amin'ny dingana manaraka amin'ny fiainana!
Tandremo ny fakam-panahy, tohizo ny ezaka,
fa vao manomboka ny lalana mankany amin’ny nofy! 🌟

➡️ Ny fahaizana dia fitaovam-piadiana mahery.
➡️ Ny fahendrena sy fanetren-tena no hitarika anao lavitra.



sady mihinana no mieritreritra
09/07/2025

sady mihinana no mieritreritra

🚨 BREAKING NEWS – FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO NOFIDIAN-KEVITRA! 🚨🍻 Karazana zava-pisotro lany daty marobe no saron-tanana ...
09/07/2025

🚨 BREAKING NEWS – FANAPOIZINANA ARA-TSAKAFO NOFIDIAN-KEVITRA! 🚨

🍻 Karazana zava-pisotro lany daty marobe no saron-tanana tao Farafangana!
Ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, nariana sy nodorana avy hatrany ireo entana ahiana hampidi-doza ara-tsakafo.

🛑 Ireo zava-pisotro ireo dia tsy misy daty mazava, ahiana ho lasa lo sy mety hanimba.
🎯 Fepetra henjana no noraisin'ny tompon’andraikitra hiarovana ny vahoaka amin’ny loza mitatao amin’ny sakafon-daty lany.

📸 (Sary indrana: Aboaho Ankiaka)

🕊️ MATY NOHO NY FANIRIAN’NY HANANA VODY BORIBORY 😢Vaovao mampalahelo avy any Turquie!👉 Miss Pikine, ilay influenceuse ma...
08/07/2025

🕊️ MATY NOHO NY FANIRIAN’NY HANANA VODY BORIBORY 😢

Vaovao mampalahelo avy any Turquie!

👉 Miss Pikine, ilay influenceuse malaza avy any Sénégal, dia nodimandry rehefa nanao fandidiana BBL (Brazilian Butt Lift).

💉 Araka ny loharanom-baovao dia tsy afa-po tamin’ny fandidiana teo aloha izy, ka niverina nanao fanindroany. Indrisy, nitranga ny loza: fidiran’ny tavy tamin’ny lalan-dra (embolie graisseuse) izay nahafaty azy.

---

🤔 Inona moa ny BBL?

Esorina amin'ny kibo, andilana na fe ny tavy.

Apetraka amin'ny vody mba hanome endrika boribory sy mahasarika.

Atao izany mba ho “attractive” kokoa amin'ny endrika ivelany.

---

⚠️ FA TANDREMO!

➡️ Mety hiteraka:

Areti-mifindra 😷

Fahaverezandrà 😨

Ary embolie graisseuse izay tena mahafaty 😢

---

📌 Tsy misy ratsy ny mikarakara tena.
Fa raha mitondra ho amin’ny loza… dia tsia!

🗣️ Mahaiza mitia tena amin’izay anananao. Aza avela hitsara anao ny fanehoan-kevitra ratsy eny amin’ny tambajotra sosialy.

---

🙏 R.I.P Miss Pikine
Na dia tsy nahita tony aza izy, aoka isika hianatra amin’ny zava-niseho.

🔴 FAMPANDRENESANA - VATOVAVY 🔴Miarahaba antsika rehetra VATOVAVY,👉 Manoloana ny fiparitahan'ny sakafo lany daty sy menak...
05/07/2025

🔴 FAMPANDRENESANA - VATOVAVY 🔴
Miarahaba antsika rehetra VATOVAVY,

👉 Manoloana ny fiparitahan'ny sakafo lany daty sy menaka misy poizina manerana an'i Madagasikara, dia miantso fiaraha-miasa izahay rehetra.

🛑 Menaka ahiahiana tsy nisy daty no hita tany Antsirabe sy Tananarivo, ary taorian'ny fanadihadiana dia voaporofo fa tsy azo hanina.

➡️ Raha mahita menaka toy izany (tsy misy daty, ahiahiana) amin'ny tsena na amin'ny sakafo amidy amoron-dalana ianao, dia ampandre avy hatrany ny manampahefana akaiky anao mba hanao fandraisana andraikitra (saisie).

⚠️ Tandremo: Aza mividy na mampiasa menaka tsy mazava fiaviana. Arovy ny fahasalamanao sy ny ankohonanao.

🙏 Mankasitraka sahady ny fiaraha-miasa!
— Tale misahana ny Varotra - AMM


Address

Vatovavy
Mananjary
317

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when VONJY Pro Service posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share