25/05/2025
Amin'izao vanim-potoana ny hatsiaka izao dia maro amintsika no voan'ny sery sy ny kohaka.
Koa ireto misy vahaolana vitsivitsy mora fampiasa ary tena tsotra no mahomby hoantsika:👇👇👇👇
- Rano mafana, sira ary sakamalaho: Ampangotrahina ny rano ary hararaka ao ny sira ampiarahina amin'ny sakamalaho voatoto.
Amin'iny rano mifangaro iny no mandro na manasa tongotra ianao.
Ary aza adino ny miala sasatra, izany hoe manao répos tsy manao vizaka amin'ny raharaha atao.
- Rano mafana sy tantely ary voasary makirana: Rano mafana iray kaopy mangidy, Tantely iray sotro, ary ranon'voasary makirana iray amin'ireny 200ar eny abazary ireny.
Afangaro ireo ka atao na sotroina in-2 na in-3 isanandro.
- Rano mafana sy sakamalaho ary tongolo gasy: Afangaro amin'ny rano mafana iray kaopy mangidy ireny ny sakamalaho voa-positra sy tongolo gasy vita tetika ka sotroina indroa isanandro.
- Rano mafana sy ravin'aviavy: Ampangotrahina miaraka ireo akora roa ireo ka rehefa avy nangotraka dia alao tao aloha ireo ravin'aviavy ka ny rano sisa ao, iny rano sisa iny no sotroina indray isanandro.
N.B: Misotroa rano betsaka, ary mihinana sakafo mahasalama sy ara-pahasalamana toy ny Voankazo sy légumes isan-karazany satria ireny no manampy ny hery fiarovana ihany koa
TADIDIO FA TSY MIALA AO NY RANO MAFANA SATRIA MANAMPY ANTSIKA MANOHITRA NY HATSIAKA