20/07/2026
👉 TONTOSAINA ANY KOREA ATSIMO NY FIRST CLOBAL 2026
TSY MISY MPIAHY, RATSY TOHANA NY SOLOTENA MALAGASY !
____________
🔴 Mampalahelo fa tsy ampy tohana ny tanora Malagasy hiatrika ny fifaninana Robotika, teknolojia, siansa iraisam-pirenena avo lenta. Ekipa nasionaly, mpianatra Lisea avy amin'ny Firenena maherin'ny 190 no hifaninana amin'ny resaka Robotika, teknolojia avo lenta manerantany. Ny FIRST Global, fikambanana tsy miankina, miompana amin'ny fampivelarana ny sehatry ny fanabeazana momba ny siansa, ny teknolojia, ny injeniera ary ny matematika no mandrindra ity fifaninanana robotika iraisam-pirenena ity.
👉 https://www.facebook.com/photo/?fbid=122227029710378490&set=a.122097797960378490
👉 TONTOSAINA ANY KOREA ATSIMO NY FIRST CLOBAL 2026
TSY MISY MPIAHY, RATSY TOHANA NY SOLOTENA MALAGASY !
____________
🔴 Mampalahelo fa tsy ampy tohana ny tanora Malagasy hiatrika ny fifaninana Robotika, teknolojia, siansa iraisam-pirenena avo lenta. Ekipa nasionaly, mpianatra Lisea avy amin'ny Firenena maherin'ny 190 no hifaninana amin'ny resaka Robotika, teknolojia avo lenta manerantany. Ny FIRST Global, fikambanana tsy miankina, miompana amin'ny fampivelarana ny sehatry ny fanabeazana momba ny siansa, ny teknolojia, ny injeniera ary ny matematika no mandrindra ity fifaninanana robotika iraisam-pirenena ity.
🔴 Ho tontosaina any Korea Atsimo, manomboka ny Alarobia 07 ary mifarana ny Sabotsy 10 Oktobra 2026, ity hetsika Robotika Olaimpika ity, izay nampitondraina lohahevitra hoe "Fostering Innovation" (Ny Fanamby eo amin'ny famoronana sy fampiroboroboana ny Robotika).
🔴 Anisany mandray anjara amin'ity fifaninana ity ny tanora Malagasy. Raha tsara fikarakarana sy tsara antoka ny tanora avy amin'ny Firenena sasany, tsizarizary kosa ny fikarakarana ny ekipa Malagasy. Mbola goragora ny enti-manana tsy hita tokotany ny fitaovana ilaina, koa miantso ny tompon'andraikitra sy malala-tanana hanampy azy ireo ny tanora hiaro ny voninahitry ny Firenena Madagasikara.
___________
Adelyne, Radio Mangarahara